hitanareo ity!!

1. bazylou ( 26/01/2007 22:05)
Un gouvernement de repli
L’ouverture promise par Marc Ravalomanana est tuée dans l’œuf. Le nouveau gouvernement est composé exclusivement d’hommes de confiance du président, ainsi que des valeurs sûres au plan économique.

hoy i express
novalian'i fijo ny 31/01/2007 00:02
2. fijo ( 26/01/2007 22:17)
tsy olana izany,fa ny fiasany no zavadehibe,saingy eo dia mila miandry aloha isika vao mitsara
3. rainy ( 26/01/2007 22:32)
na ianao bazylou milazanao ho mahay dia mahay io aza no tonga eo amin'ny fitondrana, tsy haka olona hafa afatsy izay atokisanao ianao; ny manodidinao fotsiny dinihana dia ho hitanao ny fahamarinan'izany.
4. mandrindra ( 26/01/2007 23:03)
"...ainsi que des valeurs sûres au plan économique."
mba hazavao hoe fa tsy azoko azafady !!!
5. bazylou ( 27/01/2007 00:04)
Marina tokoa izany rainy ;; fa ny olana anie ho aho dia ny hoe hahavita ve ireo sa hanao ohatran'ny teo aloha ihany!! raha ny letmotiva entin'ireo dia continuité!!! nefa ny teo aloha aza tsy nahomby fa lavaka be no nataony dia mbola hitohy ihany ve ilay lavaka???
jereo fa simba sahady ny lalana nokapohin'ny cyclone 3 dia vita teo!! feno ny lalana tapaka ao noho ny cyclone!!
6. kitjo ( 27/01/2007 07:35)
ngah tany amintsika irery no mba misy anzan oe lalana tapaka tratran'ny cyclone?

aoka re ry bazy ah! zany aza efa oe cyclone...

hahavita ve ireo hoy ianao?
d hoy aho hoe aleo fa ho hitantsika eo..tsy haharitra herintaona akory reo dia azo tsaraina
7. bazylou ( 27/01/2007 11:42)
vao mitranga fotsiny dia fantatro ny valiny e!!:cry::cry:
8. zara5294 ( 27/01/2007 23:39)
Mahagaga ihany ny fanontaniana satria mbola tsy ampy herinandro ny fitsanganan'ny ity gouvernemanta vaovao dia ny faniriana ny tsy hahavitany zavatra no tanisain'ny maro. Malahelo ve ianareo fa tsy tafiditra ao ny tianareo no mahatonga anareo miteny izao karazana fanatsatsoana izao? Marina ny tenin'ny rainy hoe tsy afaka hiaraka hiasa amin'ny olona tsy fantatra ny mpitondra. Ary na ny fantany aza raha hitany fa manao kobak'am-bava fotsiny dia tsy noraisiny.
Ny serasera sasany dia manizinginzina ny hoe réconciliation ê, unité nationale ê, ka raha izany ange tokony efa ela no tafavoaka tamin'ny lalina i Madagasikara ê! 40 taona mahery izao dia unité nationale foana no nitondra teo, ny vokany dia na ny atao hoe classe moyenne aza dia fongana tanteraka, ka asa na mbola tokony ho tazomina ihany ity resaka unité nationale ity. Aleo izy hitondra amin'ny fahitany azy fa tsy isika no hibaiko azy amin'ny izany. Matoa izy mbola nisy 54% ny malagasy no nifidy azy dia izy no mbola hahatokisan'ny maro. Ny tokony hataon-tsika dia ny mitso-drano azy
9. Zina ( 28/01/2007 02:44)
ny critique dia tsy ho tapitra mihitsy zara a
10. besoiiin ( 28/01/2007 16:05)
:D aza dia mankarary fo loatra @ zay tsikeran'ny eny antsisitosy ry reto a, provocation balarora daholo ireny, raha ireo zavabitan'i bazyl izay efa hifoforany mafy dia mafy eto ireo akory tsy ampaharivon'ny critika,provocation ary chantaz an'dra8 nataondry ratsiraka, pierrot, ratsirahonana, manandafy, zafy albert, herizo, lahiniriko, rajakobà, fidy, pety, arema, leader, monima etc.......
Aiza daholo anefa ry zareo mpitsikera mirefarefa ireo? izay mitambatra hono vato hoy ny fiteny... kanefa ny azy natambatra toa vovoka no navoakany??? tsy adala ry zalahy ny vahoaka ka tsy ahalala hanavaka ny vary sy ny tsiparifary e... efa ambetiteniko foana izany, ka asakasakingahy ry bazyl fa film efa nandé elab io mbola tatarain'ingahy hatramizao io ka mahereza raha mbola mazoto e!
ny fantatray d Anra8 alou zao ny fitondrana ka dia izay tiany io fa olondehibe misaina sy manampahefana izy, hiasa iaraka aminy izahay, ataovy ao izay ataonlisany fa ny anay tsy maintsy mandroso, dia tandremo indray sao b tsikera eo raha hitombo ny groupe tiko na hiamaro ny lalana vita na hahavita hotel 5 etoil za, na mbola ho lany prezida ndray ravalo afaka 5 taona na ho lasa any andafy ny fianakaviakona ho lasa minisitra aho, fa miasa sy mampiasa saina izahay matoa mahatanteraka izany fa tsy we akoury hiara-hi wawawa @lisany eny antsisitosy eny foana mandrakizay
11. bazylou ( 28/01/2007 20:16)
besoiiiin d'un psy marina ianao fa efa voazanak'i tiko izany ny sainao ary maninona no mikasa hakaty andafy raha milay 1 8nao???? sa......
12. fijo ( 31/01/2007 00:02)
"cyclone"hi hihi aoka letsy bazy an,any japan izao mirodana matetika ny trano amin'ny horohorotany,de ny governementa ve no tsy mahavoa??????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0401