Reny tsy mandevin-janaka

21. niryna ( 27/01/2007 02:23)
pitoussy:

i Simp oa d manondrana fona :-D



=))=))=))
22. niryna ( 27/01/2007 02:26)
mifyfy:

Fady hoy ny olon-dehibe.Mba misy afaka manazava ny antony ve ianareo?

Ny hoe fady angamba tsy dia zay loatra fa ny fanirian'ny malagasy hatr'izay ka hatramin'izao dia ny hoe alevin-janaka fa tsy andevin-janaka

Sao dia manao hemorragie eo kosa raha taitra sy mitomany ? Mety hisy fiantraikany ve izany:?:.Ny olon-dehibe koa izany dia tsy mahazo mandevina rehefa sanatria ka maty ny zanany efa lehibe?

23. niryna ( 27/01/2007 02:28)
mifyfy:

Any @ fandrasain'ny Malagasy ny atao hoe "zaza rano" ny antony, izay tsy tadidiko satria philosophique lĂ´tra

Ny atao hoe zazarano dia ireo zaza zay tsy mbola maniry nify

Tsy fantatro indray izany,izay rehetra mbola tsy maniry nify? Ireo izany no atao eny ivelan'ny fasana fa tsy ao anatiny e raha sanatria fa tsy ilay voateraka ihany

24. ari.malala ( 29/01/2007 06:53)
Ny fahalalako ny hoe zaza rano dia ireo mbola menavava izanyh oe ny latsaky ny herintaona, ary ny lahikely raha sanatria ka tonga ny loza dia ireo tsy vita hasoavana hono tsy alevina ampasandrazana fa atao anirotra.

Iverenako ilay hoe reny tsy mandevinjanaka, arakaraky ny olona angamba io, fa nisy rahavavindreninay izay, maty ny zanany vavikely vao 5taona monja t@ roa taona fa nandeha nandevina izy, ny niditra tany anatin'ilay fasana nandevenana no tsy nataony fa tety ivelany izy t@ fotoana nampidirana iliay cousine kelinay tao ampasana. Misy miteny fa tsy mampiteraka intsony hono ny fandehanana mandevinjanaka, nefa dia vao avy teraka vavikely indray izy any izao!
25. niryna ( 07/02/2007 06:04)
kanto10:

Misaotra an'i mifyfy nanazava, fa tena tsy fantatro zany raha tsy androany, fa ny ahy aloha na fady anay ary zany de mandevina aho ka,

Io zaza rano io koa dia tsy atao ao anaty fasana fa atao aty ivelan'ny fasana.Tsy misokatra izany ny fasana fa anjorony na eo amin'ilay fasiana voninkazo raha misy fefy fidirana ny fasana

26. niryna ( 07/02/2007 06:09)
ari.malala:

na velona aza ve ilay zaza dia alevina miaraka @ reniny? ko tsy loza? mamono olona anie zany e!

Raha sanatria ka maty niaraka izy mianaka.Nisy olona maro anaka,taloha anie ka loza tokony ny habetsahan'ny zanaka e,maty ilay ramatoa fa tsy ampy ra-intsony satria maro ny zananky.Nisy olona niara-teraka tamin'ilay reny ary fianakaviana ihany dia io no nampinono ilay zaza.Tsy nifakafoy izy mianaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 3.7493