Moa ve atao tsianjery ny fivavahana?

21. xxx ( 04/02/2007 10:11)
Ahoana izany raha marary isika dia mitady rano foana?Omeo rano a dada a.Omeo rano aho dada a.Averimberenina foana izany io teny io.Dia tsy ho reraka ve izy zavatra iray iny foana no angatahina?Eritreritra ny ahy io

Andriamanitra dia tsy toy ilay rainao ara-nofo mety reraka, na mety leo amin'ny fangatahanao. Rehefa zavatra mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra no angatahinao - na angatahinao Aminy in-100 isan'andro aza dia tsy ho reraka ny hanome anao izany Izy Andriamanitra.
Aza sarotiny fa Andriamanitra aza tsy sarotiny. Betsaka no efa nangatahiko tamin'ny tamin'ny vavaka nosoratako ary naveriko foana, fa nomeny ahy. Raha ianao no hivavahana dia mety ho tezitra, fa tsy ianao no hivavahako fa Izy, ary izaho mahafantatra ny soa nataon'Andriamanitra ahy na ahoana fahitan'i niryna ny fivavako na ahoana. :-*
22. tywa68 ( 04/02/2007 10:18)
dailynews sy xxx : zay mihitsy !
23. niryna ( 05/02/2007 05:08)
xxx fantatro tsara mihitsy izany ary jereo ny fivavahana hanampiana ny namana maro sy ny torohevitry ny namana maro hiarahana mifanampy.Nanontaniako izy mikasika ilay vakana nataony tanana.Namboariko izy ity hoy izy tamiko ry xxx ary inona iny ttsy iny hoy aho ity hono no olona antsoina rehefa mivavaka izahay.Izay no nahatonga ahy niresaka.Nitsatsaingoka ity rangahy teo ankaikinay ka niteny tamiko hoe efa teo no niala aho ary tena tsy nahita izany Atra izany fa zavatra tsy mitombona no hivavahany.Tonga dia tezitra ilay ramatoa,raha tianao ny hivavaka ity vakana ity(sampy izany amiko) dia anamboarako iray koa ianao.Mifohaza xxx a tsy manenjika an'iza aho fa maka ianao vakana vidina eny amin'ny mpivarotra dia ataovy izay loko tianao ary hivavaho.
24. niryna ( 05/02/2007 05:15)
xxx:

Betsaka no efa nangatahiko tamin'ny tamin'ny vavaka nosoratako ary naveriko foana, fa nomeny ahy. Raha ianao no hivavahana dia mety ho tezitra, fa tsy ianao no hivavahako fa Izy, ary izaho mahafantatra ny soa nataon'Andriamanitra ahy na ahoana fahitan'i niryna ny fivavako na ahoana. :-*

Tsia tsy ho tezitra mihitsy Atra,satria vavaka nivoaka tao am-ponao io.Tsy maninona mihitsy ny manoratra fivavahana,izaho koa manoratra ny olona mangataka hivavahana ary misy feo manome ny anaran'ny olona hivavahako.Efa ho feno ny kahie-ko manoratra ny vavaka novalian'Atra ireo olona nila vonjy sy niarahako nivavaka.Tsy any mihitsy ny mipetraka ny resaka.Mivavaka na mangata-javatra amin'Atra irery ihany no atao fa tsy miantso ny olo-masina rehetra hitanisa.Efa imbetsaka ity no nandeha ka tsy aharesy lahatra ny olon-kafa ny tenako.Farany izay fomba hivavahantsika dia mety daholo,na mihogahoga,na mandohalika,na mihira,na mananga-tanana,na tsy miteny fa any anaty ilay vavaka mangina,na mitomany.Rehefa miantso an'Atra ianao ka mivavaka aminy irery ihany dia izay no tadiaviny.

25. xxx ( 05/02/2007 05:29)
niryna:

Fa inona ny resaka e ? Mivavaka tsianjery sy vakiana amin'ny boky sa ny fiaraha-mivavaka amin'ireo olona efa maty ary nisantatra ny fiainana mandrakizay mankalaza an'Andriamanitra ? Sa mivavaka mampiasa fitaovana ? Toa ianao nanokatra indray no namilana, toy ny mahazatra.
Rehefa tsy maharesy lahatra olona ianao dia MIFOHAZA ary mandiniha kely sao ianao no diso lalana na diso fijery ireo olona maro be ireo.
niryna:
Mihodina amin'io foana ny resakao ry niryna, mahagaga. Mitandrema ianao, sao ny hevi-disonao sy ny hateren-tsainao tsy mahay mandinika nefa miziriziry no lasa mahakamo ny olona hivavaka sy hanatona an'Andriamantira indray ! Mitandrema hoy aho fa sao tsy hahasahy hijery an'Andriamanitra akory ianao amin'ilay fitsarana dradrainao isan'andro io

Mifohaza :wink::wink::wink:
26. xxx ( 05/02/2007 06:42)
niryna:

xxx fantatro tsara mihitsy izany ary jereo ny fivavahana hanampiana ny namana maro sy ny torohevitry ny namana maro hiarahana mifanampy.Nanontaniako izy mikasika ilay vakana nataony tanana.Namboariko izy ity hoy izy tamiko ry xxx ary inona iny ttsy iny hoy aho ity hono no olona antsoina rehefa mivavaka izahay.Izay no nahatonga ahy niresaka.Nitsatsaingoka ity rangahy teo ankaikinay ka niteny tamiko hoe efa teo no niala aho ary tena tsy nahita izany Atra izany fa zavatra tsy mitombona no hivavahany.Tonga dia tezitra ilay ramatoa,raha tianao ny hivavaka ity vakana ity(sampy izany amiko) dia anamboarako iray koa ianao.Mifohaza xxx a tsy manenjika an'iza aho fa maka ianao vakana vidina eny amin'ny mpivarotra dia ataovy izay loko tianao ary hivavaho.

tsy manda ny fisian'ny mpanompo sampy etsy sy eroa mihitsy aho. Fa ny fanafangaroana ny fiangonana amin'ny hadalan'ny olnoa vitsivitsy no tsy mety. Io no ataonao lava eto amin'ny dinika.

Diniho koa nefa ny tenanao :
niryna tamin'ny 31-01-2007:
Raha sanatria izy tsy mety hivavaka aminao dia efa misy fanambarana sahady izany e.

Aleo aloha hatreo. Raha mbola mahita tenenina ianao dia mbola alaintsika daholo ny teninao any amin'ny dinika any.

Mifohaza moa e, aza variana mijery ny hafa fa dinidiniho mafy aloha ny tenanao dia manongo tena :wink::wink::wink:
27. jimna ( 05/02/2007 11:01)
ity anie vakio ee,Matio6:7 Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.izany hoe tsy tokony hamerimberina teny ao @ vavaka ataontsika isika fa ny vavaka atao @ fo no henoiny!!
28. niryna ( 10/02/2007 07:24)
jimna:

ity anie vakio ee,Matio6:7 Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.izany hoe tsy tokony hamerimberina teny ao @ vavaka ataontsika isika fa ny vavaka atao @ fo no henoiny!!

Omeko tehaka mirefodrefotra i jimna amin'io fahamarinana io.Efa notenentsika tato io fa toy ny miresaka an'i neny na i dada no fomba firesahantsika azy.Mihoatra noho ireo nahitana masoandro ireo aza ny fitiavana tokony omentsika azy.Tohizo fa tsara ary aza misalasala ny manome io torohevitra io ny namanao sy ny olona manodidina anao.
Tena misy ary mitombona mihitsy io aza manao vavaka lavareny io aty.Misy olona manana boky fivavahana(jiosy) ary dia mipelipelika be sady haingana ny famakiany ilay bokikelim-pivavahana.Tena variana ary saika tsy nino,satria ilay ao anaty boky daholo no vakiany isan'andro dia tena vetivety dia mivadika ny pejy.Izaho aloha nivavaka an'ireny e.Atra ataovy mahita fitia eo aminao izy.

29. niryna ( 23/02/2007 01:50)
Misy ny fivavahana miverimberina.Hisakafo ohatra.Fa ny tena atao hoe mivavaka dia miresaka amin'Atra ao anaty fonao tanteraka,mibitsibitsika aminy ny toetra ratsy mety nataona androany ohatra,misaotra azy ny andro nomeny,ny fahasoavana, ny fifaliana,ny asa aman-draharaha.Aza adino ny mivavaka ny olona manodidina anao fa io no tena zava-dehibe iray,manome tso-drano ny hafa isika ary miresaka aminy ny hafa ary dia omeny tso-drano maro dia maro.Tsy atao tsianjery izany izany ny fivavahana fa izay rehetra vokatry ny fonao no hiresahinao ny ray malalanao.Mazotoa aby ary isika rehetra
(l) niryna
30. ikaretsaka ( 06/03/2007 02:26)
tsy hay hoe iza no marina na iza fa anontanio azy fa izany koa ve de hifandirana eto
31. niryna ( 06/03/2007 08:14)
ikaretsaka:

tsy hay hoe iza no marina na iza fa anontanio azy fa izany koa ve de hifandirana eto

Angaha hita fa samy mbola mianatra isika kou. Hoy Jesosy hoe rehefa hivavaka ianareo dia manaova toy izao.Toa nanome fanoharana izy fa tsy miteny hoe ity vavaka ity hatao.Dia ahoana tokony ry ika raha iny foana no haverina?Toy ny hoe mihinana tsaramaso sy hen'omby isan'andro isan'andro foana izany fa tsy nihova ny laoka :roll:Eritreritra ny ahy iny
32. xxx ( 06/03/2007 11:55)
- ny fianarana rehetra dia manomboka @ famerimberenana (tsianjery). Ny zaza 4 taona ary ve hanao vavaka miohatra ny tsianjery ?
- tsy hitako izay maharatsy ny mamerina vavaka pour les mêmes circonstances, aiza koa no hisy hanao vavaka sakafo rehefa hatory
- ny vavaka koa misy générique, azo averimberina , ohatra "tahio izahay" dia mety foana qu'on soit dans le bus, devant un repas , dans le malheur ....

Vao tsy mangataka akory isika dia efa fantatr'Aa izay ilaintsika , ilay fahatsiarovana hoe mitodika any aminy no angatahiny fa efa fantany daholo izay mahasoa antsika (izay aloha no nampianarina ahy)

Faranako @ tenin'i jimna araka ny voalaza hoe aza manao teny maro foana fa tsy ny hamaroan'ny teny akory no inona

Rehefa vokatry ny fo dia mety na tsianjery aza
33. soanja ( 11/03/2007 15:37)
niryna:

Ahoana no fomba hiresahantsika ny RAR tsika,moa ve mila manao famerenana rehefa angataka aminy.Toy izany koa isika raha miresaka amin'Atra.Moa ve ny vavaka natao omaly ihany no averina?Moa ve manao tsianjery dia averimberina ilay vavaka?

Niryna ny fahitako azy dia misy fomba isan-karazany azonao atao na mety amin'ilay olona ahafahany ifandraisana amin'Andriamanitra. Toy ny hoe isan-karazany ny fomba fahaizan'olona iray mianatra na mandray zavatra amin'ny alalan'ny information.
Ka io tsy misy hoe mety sy tsy mety fa inona ny mifanaraka sy manamora izany fifandraisana izany.
Raha tsianjery no manavanana sy mahamety azy dia io zany no tsara aminy.
Ilay izy anie Niryna tsy natao balck and white ny fanehoana ny finoana e.

34. methode ( 11/03/2007 16:56)
Ka tsy voatery miteny koa ange rehefa mivavaka e! Mety ho fihetsika fotsiny de ampy! Ohatran'ny hoe tsy voatery miteny rehefa misaotra na mangataka fa ny fihetsikao dia ahafantaran'ny olona mifandray aminao izay tiana lazaina!
35. jimmy ( 07/05/2007 12:34)
Tsy atao tsianjery ny vavaka, fa teny tsotra izay tianao lazaina amin'ny Tomponao dia lazao tsotra ohatran'ny mangataka zavatra amin'ny dadanao ohatra.
Raha mbola tsy miteny akory aza isika dia efa fantatr'Andriamanitra izay tiantsika sy mahasoa antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2451