Lainga masina

1. patrick2002 ( 21/01/2007 00:11)
Hono aho mba ahoana ny tenin'Andriamanitra momba ny lainga ,Misy tokoa ve ny Lainga masina sa ,mba teny gasy fotsiny io
novalian'i ndrena ny 31/01/2007 08:28
2. dailynews ( 21/01/2007 00:42)
mba teny gasy fotsiny angamba io e.
3. Veloo ( 21/01/2007 00:48)
ie
rehefa lainga dia lainga tsy misy lainga be sy lainga kely ko :lol::lol::lol:
4. jhouhlambout ( 21/01/2007 01:29)
Ié, aleo tsy miteny toy izay mandainga...
5. soanja ( 21/01/2007 04:03)
Misy n marina tsy mba fiteny ka satria mety haningotra aina ohatra na hanelingelina anao ny faalalan'ny hafa azy. Saingy ny hoe LAINGA
masina kosa amiko tsy misy. Satria tokony faritana aloha ny atao oe MASINA de hita eo raha misy ifandraisany ireo teny roa ireo.
6. naritsimba ( 21/01/2007 07:49)
rehefa lainga dia lainga fa tsy misy ny lainga masina sy tsy masina.
mazava angamba zay!
7. patrick2002 ( 21/01/2007 16:05)
Marina fa ao amin'ny didy folo dia misy hoe ,Aza mandainga,nefa araky ny teniny soanja eo ambony io, dia fahotana eo anatrehan'andriamanitra ve raha ohatra ka handainga ny kristianina iray,satria ny hilazana ny marina mety hiteraka fankahalana,sy fanakorotanana, izay tsy hankasitrahan'Andriamanitra.
8. Jokera ( 21/01/2007 21:13)
ity misy ohatra momba ny lainga masina.
raha misy olona hamono ny rahalahinao , ara-panahy na ara-nofo, ka manontany anao ilay mpamono hoe aiza ilay atao ho rahalahinao fa hovonoinay dia mino angamba aho fa tsara raha mandainga ianao mba hanafenana azy.
9. Zina ( 21/01/2007 23:58)
soanja [ Valio ] 21-01-2007 05:03:33
Lohateny : Re : Lainga masina
Misy n marina tsy mba fiteny ka satria mety haningotra aina ohatra na hanelingelina anao ny faalalan'ny hafa azy.

Eto no ampiasaina ny diplomacie -
10. naritsimba ( 22/01/2007 06:55)
Jokera> mila anontaniana aloha hoe inona no antony hamonoana azy, dia ezahina ny handresen-dahatra hoe, tsy anjaranao no mamaly ratsy azy raha vokatry ny ratsy nataony no hamonoana azy: Ahy ny famaliana hoy Jehovah!
Tsy votery handainga ianao izany fa sahia miaro ny rahalahinao.
11. prime ( 22/01/2007 10:06)
patrick2002:
Marina fa ao amin'ny didy folo dia misy hoe ,Aza mandainga,nefa araky ny teniny soanja eo ambony io, dia fahotana eo anatrehan'andriamanitra ve raha ohatra ka handainga ny kristianina iray,satria ny hilazana ny marina mety hiteraka fankahalana,sy fanakorotanana, izay tsy hankasitrahan'Andriamanitra.
... Ny fahotàna dia ny fandikàna ilay didy fa tsy ny vokatra mety hiseho avy eo... (vakio tsara ny hevitr'i soanja fa toa tsy izany no lazainy)

Tsy misy izany lainga masina izany fa aza mety hofitahin'ny devoly amin'izany...
Jokera:
ity misy ohatra momba ny lainga masina.
raha misy olona hamono ny rahalahinao , ara-panahy na ara-nofo, ka manontany anao ilay mpamono hoe aiza ilay atao ho rahalahinao fa hovonoinay dia mino angamba aho fa tsara raha mandainga ianao mba hanafenana azy.
... Tsy misy izany vonovonoina fotsiny amin'izao izany kosa fa misy antony matoa vonoina... ka eo no mampitombina tanteraka ny lazain'i naritsimba...
12. niryna ( 27/01/2007 05:10)
naritsimba:

Jokera> mila anontaniana aloha hoe inona no antony hamonoana azy, dia ezahina ny handresen-dahatra hoe, tsy anjaranao no mamaly ratsy azy raha vokatry ny ratsy nataony no hamonoana azy: Ahy ny famaliana hoy Jehovah!
Tsy votery handainga ianao izany fa sahia miaro ny rahalahinao.


Tsy andainga ianao kanefa ahoana kosa no hamaliana azy,atao hoe tsy hitako izy kanefa fantako ny misy azy.
Raha tsy izay no mipotra na tsy nataony fantatrao ilay izy fa hoe hovonoiny ny rahalahinao,moa ve ianao kepohin'ny nenina raha novonoiny ny rahalahinao ary dia hamitaka ny tenanao ianao hoe fahadisoko io.?
Arakaraka ny zavatra mitranga angamba fa rehefa lainga dia lainga dia lasa mifona izany rehefa tena tsy maintsy mandaiga hanavotana ny ain'ny hafa kou:cry:
13. niryna ( 30/01/2007 06:10)
Nampianarina ny zanantsika tsy handraindray na eny mpivarotra.Nony tonga tany an-trano izy nahita fandokona na crayon de couleurs ianao.Izaho efa nandrara anao tsy handrairay!Hanaovako sary ho anao ity!Moa ve isika tsy hiteny fa hoe noho ny fitiavany antsika hanaovany sary no nangalariny an'iny?Tsia no valiny.Rehefa mangalatra dia mangalatra,rehefa mandainga izany dia mandainga fa tsy misy masina izany
14. ndrena ( 30/01/2007 08:38)
Tsy misy filazana ao anatin'ny baiboly fa misy ary ekena ny lainga masina.Misy aloha mpanaraka an'A/tra ao anatin'ny baiboly latsaka ao anatin'ny lainga hiarovany tena,oh Abrahama nandainga ka nolazaina fa anabaviny i saraha fa tsy vadiny.Nisy vokadratsiny anefa izany.tsy mamporisika antsika handainga koa A/tra na in na in zava-misy eo anoloantsika fa ny tokony hatao dia ny mangataka fahendrena sy fahalalana avy @ A/tra mba hahatanteraka ilay tenin'i Jesosy hoe:AZA MATAHOTRA FA OMENA ANAREO @ IZANY FOTOANA IZANY NY TENY IZAY HAVALINAREO.FA TSY IANAREO NO HITENY FA NY FANAHIN'NY RAINAREO IZAY ANY ANDANITRA.Esory ny lainga na @ fomba ahoana na @ fomba ahoana.
15. prime ( 30/01/2007 10:34)
ndrena> Tsy mety ilay ohatra nentinao satria Saraha tena anabavin'i Abrahama mihitsy, ka marina fa fiarovan-tena no nentiny nilaza izany nefa dia tena marina ihany koa na dia vadiny aza...:wink:

Hoy mantsy ny voasoratra :

"11 Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra tokoa amin'ity tany ity, ka hovonoin'ny olona aho noho ny amin'ny vadiko.12 Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin'ny raiko, fa tsy mba zanakavavin'ny reniko; ka dia nanambady azy aho." Genesisy 20:11-12

16. ndrena ( 30/01/2007 11:52)
Marina izany ka,fa raha jerena akaiky dia io ilay fahendrena voalaza teo ambony.Tsy nolazainy voalohany ny mahavadiny azy raha tsy taorian'ny loza niseho.
17. prime ( 30/01/2007 12:38)
ndrena:
...Misy aloha mpanaraka an'A/tra ao anatin'ny baiboly latsaka ao anatin'ny lainga hiarovany tena,oh Abrahama nandainga ka nolazaina fa anabaviny i saraha fa tsy vadiny...
io no lazaiko hoe tsy nandainga mihitsy i Abrahama... sady fahendrena no tsy lainga rahateo fa tsy hoe "latsaka tao anatin'ny lainga" izy...

Fa ny mpandainga dia tsy zanak'Andriamanitra fa zanak'ilay rain'ny lainga ka mila miambina mafy ny mpino raha ny @ resaka "lainga"... hoy mantsy ny voasoratra amin'ny anaran'i Kristy :

"Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga. [*Na: (mitoetra amin')]" Jaona 8:44... ka tsy misy mihitsy ny lainga masina fa efa endrika fitaka sahady no ambadik'izany...
18. Zina ( 31/01/2007 03:18)
ndrena [ Valio ] 30-01-2007 12:52:22
Lohateny : Re : Lainga masina
Marina izany ka,fa raha jerena akaiky dia io ilay fahendrena voalaza teo ambony.Tsy nolazainy voalohany ny mahavadiny azy raha tsy taorian'ny loza niseho


zany mihitsy ka ...

ka tsy misy mihitsy ny lainga masina fa efa endrika fitaka sahady no ambadik'izany...

prime a ie, rehefa mandainga dia mandainga...
19. ndrena ( 31/01/2007 08:28)
Tsy misy mihintsy ny lainga masina zany ka;rehefa lainga tokoa dia lainga
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.281