lova

1. xxx ( 20/01/2007 05:50)
^^akory dol,mba anonatany anareo aho sao misy toy izao toerako zao-enina mianadhy izahay ary nijara lova ,natao sous seing privé ary nadeha ampatokisana satria iray tam-po-ny telo mianadahy dia nivarotra ny anjarany ary lafo,nanao sonia izahay rehetra nivarotany ny anjarany,ny anjaranay telo sisa ,ratoa vé zahay hivarotra ny anjaranay dia mbola mila ny sonia ny sasany iany ko,ary afaka manakana anay na misoloky anay vé izy reo,misaotra mamaly izay efa toy izany namalala ny situation toy io alin'ny lalàna:arrow:
répondu par fijo le 01/02/2007 23:35
2. Fiffi ( 20/01/2007 14:27)
io ny andry ry fijo ...heu...i ds koh
3. jefra ( 21/01/2007 14:40)
Ny situation juridika n tany no heveriko mitondra azy (tsy mbola nandova aho fa efa nividy).
Mba hahazoany mivarotra, dia tokony efa nahavita mutation ny telo nivarotra. Nila nanao sonia ianareo 6, manaiky fa manana zo mivarotra ireo.

Alohan'ny hieritreretana hoe hivarotra dia tokony ho vita ny mutation aminareo 3 tompony:
-Mutation ny anjara lovanareo voalohany (mila ny sonianareo 6 mizara lova)
-Mutation n izay mbola novidiana tamin'izy 3 hafa.

Ny mariky ny fahavitan'io mutation dia ny fanananareo situation juridika amin'ny anaranareo 3 mpandova tompony. Raha tsy azo io taratasy io dia mbola tsy anareo ny zavatra.

Vitao haingana ny taratasy fa betsaka ny sahirana rehefa misy manjavona tampoka. Tsy misy afaka mitsivalana intsony rehefa vita io.
4. xxx ( 21/01/2007 17:47)
misaotra namaly ka ilay izy anié natao ttsy an-trano,dia ireo no nanaovan-dry zareo sonia namidianany azy e,nandalo firaisan zareo, izahay nomen-zareo ttsy fotsiny porofo ho anay fa lafon-dry zareo ny azy,ny ahy izao dia tany an-firaisana sy fokotany no porofo hoe ahy ilay trano,ka asa ramba efa nisy toy zany fa mila vonjy toro-hevitra sao diran-doza eo,tsisy mahavita tena e,misaotra e
5. jefra ( 21/01/2007 20:08)
Mbola tsy misoratra aminao ny tany/trano raha resaka taratasy firaisana izany fotsiny.
Raha fantatra ny reference cadastrale dia mahazo mangataka ny situation juridikan'ny tany. Dia avy amin'io (+boky=copie cadastre) no anaovana mutation: sonian'ny olona misoratra ao hoe manaiky, maka geometre manamarina ny refy, mandoa ny sarany an'ny fanjakana.

Dia mahazo copie cadastre vaovao amin'ny anaranao (anontaniana aza ianao hoe inona no hatao anarany tianao), miaraka am situation juridika am anaranao ianao. Izay vao anao ny zavatra.
Raha tsy vita io, dia afaka mivarotra/misakana ny tany foana ny olona misoratra am tany. Resaka vavolombelina entina miady fotsiny ny taratasy firaisana izany, fa tsy manala ny olana mety hiseho.

Raha tsy manam-potoana na tsy any Dago ianao dia manomeza alalana olona hanao azy amin'ny anaranao (Mandalo ambasady).

Ny anao resaka hafa fa misy fantatro nividy trano, dia tsy nanao mutation fa natoky hoe efa misy fifanekena, dia namidin'ilay olona fanindroany ilay izy (ny situation juridique mbola am anarany ka). Torohevitra namana : Karakarao haingana.
6. xxx ( 23/01/2007 17:32)
:arrow:tena misaotra bet(saka anareo fa tena vaky marina ny saiko amin'io ary tena aty alavitra aho,tsapako fa soa misy serasera fa ratsy izany very eny amin'ny sisitosy ny havana e,izaho iany ko tsy manatena havana loatra fa efa nisy namely ahy maro ny havana dia saika very teo aho fa soa misy anareo e misaotra ary tongava amin'ny avo indrindra ry zareo a(l)
7. fijo ( 30/01/2007 23:44)
marina io voalzan'i jefra io fa ny tiako ampian akely fotsiny dia izao.ny mpiraitampo dia manana zo mialoha;droit de preemption.izany hoe raha te hividy io taninao io ny irai tampo aminao ,dia izy aloha no hivarotana azy,fa ny tsara dia io manova ny taratasy io haingana,mba tsy hisian'ny olana.
ny theoria mantsy dia ho e "rehefa voazara ny tany dia azo amidy"saingy io voazara io mila profo.ka izay no hilana io fanovana ny titre io.
8. xxx ( 01/02/2007 12:39)
:(tena tonga saina aho fa soa misy anareo manampy, ny probleme dia ny tsy fahalalana ny droit eto an-tanindrazana fa very ary lasa dondrona,io ilay hoe:vahiny tompon-tany e,aza manody fa tena vendrana,ary io ndrindra no hatahorako na may aho nanotany anareo fa tsapako fa misy mitetika ny hanambaka any ho any ka dia raharaha iany fa atoroy raha mbola misy azo hanapiana ny jamba e, ary lafo vé ny géometre aty dago ahoana ny fipetrany amin'ny karama,geomètre-fanjakana na libre,raha mba misy afaka manoro,hisaorana mialoha, hilaina ko vé ny notaire,misaotra e:idea:
9. jefra ( 01/02/2007 14:10)
Ny fantatro:
-Misy bareme mazava ao am domaine fa tsy afaka mangalatra izany ny geometre. Fa tsy tadidiko ny karama. Tsy lafo e!

-Ny procedure noresahiko ireo ambony ireo dia ny hoe ianao (na solontenanao) ihany no manao azy. Fa azonao atao tsara ny maka notaire na avocat d'affaires, dia izy no manao ny zavatra rehetra, dia mandray taratasy vita ianao.
10. xxx ( 01/02/2007 15:15)
Merci jefra sy nyrehetra fa mety hisy olona ho voa toa ahy iany ko ao aoriana,manana namana avocat aho havana aza fa efa naka hevitra ta-zareo aho taloa fa tsy tiako toy ny mananaraotra foana aho na gratuit aza,dia nisy anadahiko iany ko izay nianteherako saingy nodimandry izy,ny raiko efa maty rateo dia ianareo sisa e,soa misy olona toa anareo,manampy ny sahirana,misaotra ary tongava amin'ny ambony indrindra fa tsy vita ny tranga-lela ny situation e,misaotra e:arrow:
11. fijo ( 01/02/2007 23:35)
tsy lafo ny geometra,fa mba miantoka ny sakafony fotsiny.(tsy voatery io,fa toa fanao any mada)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1383