Misy lalana, tsy ho antsika intsony ra Dago,aiza ny fikam..

21. niryna ( 25/01/2007 06:51)
booboo:

Nyrina > tena ohatra io teneninao io mihitsy koa no tenenin'ny olona maromaro aty ville misy anay @ ataon'ny sinoa. Nefa amiko, fitadiavana mahavita maniraka araka ny fiteny aby zany....

Ilay arem-pirenentsika anie ry Booboo no tena teneniko eto e.Jereo fotsiny ny Filipina tanana kely noho ny antsika kanefa tena mandroso be tsy misy toa izany.Ny tiako tenenina dia ity.Tsy maninona izy miasa toy ny rehetra mitady ravinahitra sainga raha mifanaraka ny fanjakana izy dia misy tombotsoa ho antsika ao dia mihodiny toy ny firenena rehetra ny vola.Isika manana harena ambanin'ny tany marobe kanefa tena tsy hita izay vokany.

22. niryna ( 25/01/2007 06:55)
mirana5:

:-w:-w:-w:-w:-w:-w:-w EFA ELA DIA ELA DIA ELA TOKOA IO RESAKA KARANA SY SINOA MANJAKAZAKA IO .AIZA NY TOMPO ANDRAIKITRA TOKONY HISAHANA ANIO ZAVATRA IO SA EFA DIFITRY NY TSOLOTRA ISAN KARAZANY KA TSY MAHA EFA NINONINONA INTSONY?^:^^:^^:^^:^^:^

Io no tena zava-doza aty amintsika dia ny rehetra no mijafaka.Toy ireny mpanondrana fiara eny Toleara ireny, ny gasy samy gasy ihany anie no manaiky ho tohatra fiakaran'ireo mpanao affaire e.Any Amerika raha mba misy an'izany kanefa tanana manankarena, raha tratra dia tsy misy izay tsy mahalala ny olona.

23. niryna ( 25/01/2007 07:01)
soanja:

angamba sty mahita tory mihitsy i xxx amin'ny hevitra omeko eto. Aza de haketrona loatra ny tarehy fa manimba anie io e.
Raha tsy mistinjo ny madinika aho dia aleo izaho sy Andriamanitra mahalala azy. Madagasikara dia mamiko ary sitrako ny hitoetra any fa aty Amerika ary no anjarako ka atao akory. Na Karana na sinoa na vazaha na japoney na Gasy dia mitovy amiko. Rehefa mahay mikarataka de tafita. Na Amerika io na Mada na any Alaska. Tsy hadino koa anefa ny fiara mikaondoha sy ny mitabe tsy lanin'ny mamba. De asa re fa azontsika ampiasaina io. I xxx alo mino aho fa tsy hanaiky hifampitantana amiko hampivoatra an'i Mada satria zah raha vao mipoitra de mahazo daka aminao foana koo.:-*:-*:-*



Ndry mampalahelo soanja izany.Eo aky omeko hug kely indry a(l).Tsy taitra ry toi fa tsy maitsy misy olona mamely foana ato a.Aza manaraka ny hatezerany fotsiny:}.Izay fantatrao sy mahasoa ny rehetra foana tenenina fa farany ny mpanenjika reraka ihany.:-$:-$
24. niryna ( 25/01/2007 07:04)
fijo:

ny fanjakana no tokony hietsika momba io fanjakazakan'ny vahiny io.ny zavatra tsotra azo atao momba io,dia:manao lalana ,ary dia ferana ao ny asa na andraikitra azon'ny vahiny atao.izay zavatra ita fa toikony ho vitan'ny gasy dia tsy azon'ny vahiny atao.izay fotsiny dia milamina io.

Tena mety ho tsara io hevitry fiffi io andao atao tsanga-tanana e ary isika roa no hitarika ny fanjakana sao mba mihaino ny serasera ry zareo:P:P

25. prime ( 25/01/2007 09:51)
Mifanohitra amin'ny lalàna misy sy ny toe-javatra rehetra miseho ankehitriny avokoa izany arosonareo izany...

Ny lalàna mihitsy no misokatra ahafahan'ny vahiny mampiasa ny volany eto dago...

Ny fahaizan'ny vahiny mivarotra sy mihary harena no tokony ianarana fa tsy fandrobàna sy fialonana no fitaovana mahomby...

Ny fitiavan-tanindrazana dia anisan'ny fototra amin'izao resaka izao ka tsy ny karàna sy sinoa sy ny frantsay... mampiasa ny volany aty ihany no iadian-kevitra fa ny Malagasy maro manerana izao tontolo izao manam-bola nefa tsy mampiasa ny volany eto na dia iraimbilanja aza fa vaomaika mampiasa ny volany any ivelany, sady mampanan-karena ny any no mampahantra ihany koa ny aty... ka rehefa mampiasa ny volany ny vahiny dia ny gasy no tokony ho tonga saina hoe ny tena aza tsy mampiasa koa maninona ny vahiny raha mampiasa?

Ny vahiny matoa tonga eto mampiasa ny volany dia hihary harena fa tsy hanao asa soa ka tokony mba ho tonga saina ihany tokoa ny Malagasy ny amin'ny tokony hatao mba hisy fifandanjàna ny hery... (na dia fantatra aza fa rehefa mahantra dia ihàran'ny fepetra fa tsy mpanao fepetra...)
26. tywa68 ( 25/01/2007 18:39)
Tena voalazanao ry prime !
27. booboo ( 25/01/2007 19:32)
Prime > eka ouz !
28. niryna ( 26/01/2007 07:27)
Misaotra an'i prime
29. sasa ( 26/01/2007 11:24)
miombon-kevitra am prime tanteraka
30. niryna ( 29/01/2007 02:44)
Tsy mandaha ny hevitry prime aho fa miombona koa.Ny eritreritro fotsiny dia hoe raha misy vahiny miditra na ny tena miditra eo ivato dia mandoa vola raha mitondra elektronika koa nahoana ry zareo no manondrana ny fananam-pirenena(feno volamena ny tendany sy ny tanany) no tsy mandoha vola?
Tahaka ny firenena hafa izao misy fikambanana ny asa sasany dia tsy tonga dia voaroaka ilay olona.
Ny farany dia hoe tonga ny fiara eto dago dia ny gasy mpiasa ao ihany no mampanao kido an'ny tompona fiara.Ny gasy namany ihany no badoiny fa tsy miditra any amin'ny fanjakana ny vola.
31. xxx ( 03/02/2007 12:05)
fijo:

ny fanjakana no tokony hietsika momba io fanjakazakan'ny vahiny io.ny zavatra tsotra azo atao momba io,dia:manao lalana ,ary dia ferana ao ny asa na andraikitra azon'ny vahiny atao.izay zavatra ita fa toikony ho vitan'ny gasy dia tsy azon'ny vahiny atao.izay fotsiny dia milamina io.


:idea:Tena somary tara kely nefa tsy koi,tena tsy mety fay ireo karana toy ny tany antsirabé etc,firy ny gasy mijaly,ary toa efa manana radio karana hono ry zareo,refa samy angalatra iany aleo ny vahiny no atao e,nosy maurice dia efa lasany,la reunion iany ko,ka mety mitetika dago indray zareo,aoka iray hina ny malagasy fa tsy ho hitsahina amin'ny fahatrana e:evil:aoka hifanapy fa very ny tanin'ny gasy,mety ho izay ko ny tetika mitady ampiadina ny samy gasy(politic)dia anjaka zareo avy eo.misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0882