tandremo fa maro ny

21. prime ( 24/01/2007 10:53)
cutie> ie... satria io no fitaratra ahitàna ny manodidina... fa ny an'i cutie inona no ijerena ny manodidina?...:lol:
22. cutie ( 24/01/2007 22:54)
prime ny maso :-D
23. prime ( 25/01/2007 12:03)
cutie> dia ahoana hoy ny soratra masina mikasika ny hoe raha ny masonao no mitarika anao ho amin\'ny ratsy dia ahoana moa?...:-D:-D:-D
24. cutie ( 25/01/2007 22:22)
de tapeno ny maso hono :-D:-D:-D:-D
25. niryna ( 28/01/2007 07:46)
Mampihomehy ahy isika ity fa indraindray mivoana any amin'izay tsy tokony valiny ilay izy.
Izay kely fantatro no teneniko ary aza ny tenako no ariana fa ny teniko raha tsy tiana:cry:
Mitombona tanteraka io mpaminany sandoka io,efa im-betsaka isika no niresaka an' io.Tsy ny fiangonana rehetra dia fiangonan'Atra daholo.Tsy,tsia.Efa niteny izany Jesosy fa hisy olona hitsangana ary ny anarany no ampiasainy.Averiko indray.Tamin'ny voalohany ny Teny,ary ny Teny tao amin'Atra,ary ny Teny dia Atra.Izy no nahariana ny zavatra rehetra ary raha tsy Izy dia tsy nisy hary izao rehetra izao.Izy no nisiam-piainana ary ny fiainana no fanazavan'ny olona.Ary ny mazava dia namirapiratra tao amin'ny maizina fa ny maizina tsy nandray aminy.Jaona 1:1-5.Izay no antony hamakiana ny teniny satria misy hifandraisana ny lalam-piainantsika foana io.
Eto izany TENY=ATRA=FAHAZAVANA=JESOSY.
Ny maizina dia ny olona manohitra ny marina izay voalazan'ny baiboly ary minia tsy te ahalala.
Mila mitandrina isika fa tena manao valiboraingina be fotsiny.Sa tsy maintsy mamaly de izay alehany any alehany?
Nisy olona nanala devoly tamin'ny anaran'i Jesosy ary fantan'ilay devoly ilay olona ka nanontaniany hoe Jesosy avy any Nazareta fantatray fa iza moa ianareo ary avy amin'ny anaran'iza no am-piasainareo?Tsy nanakavaly ireo olona misandoka manala devoly ka nisampotina taminy ireo miaramila ary nandratra azy.
26. cutie ( 29/01/2007 03:26)
niryna [ Valio ] 28-01-2007 08:46:29
Lohateny : Re : tandremo fa maro ny
Mampihomehy ahy isika ity fa indraindray mivoana any amin'izay tsy tokony valiny ilay izy.

:-D:-D:-D
27. Zina ( 30/01/2007 18:17)


Eto izany TENY=ATRA=FAHAZAVANA=JESOSY.

nyrina betsaka mihitsy ny tsy mino an'io ary efa nolazaiko izy io...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6408