ny lehilahy dia tia ny havany foana

21. Zina ( 21/01/2007 23:11)
XXX a tena sarotra be rehefa lasa tonga ady ilay izy.. na tsy mila ary i Mamanao dia mba omeo izy fa soa dia manenina indray andro any.. aleo mba tehiriziny any ny vola ... Rehefa lasa ady dia aza miteny intsony izay itanao fa mety atao tsy afaka mamadika azy intsony ianao tokony efa t@ voalohany io no niresahinareo roa. Fa lazao azy oe ity- satria ianao mandefa any @ mamanao za ko andefa any aminy mamako... Io ndray ao ataovy .. lazao azy samy manana reny tsika ireo samy mila fanampiana ka ahona ny hevitrao oe......
dia bonne chance o:wink::-*
22. patrick2002 ( 22/01/2007 18:01)
zina niryna ,xxxx/ny tokatrano ry zareo tsy natao hanaovana DEFI ah ! ka hoe manao an'izao ny vadiko ,handeha koa izao mba hanao an'izao , tsy havelako anao an'ity ny vadiko fa sao dia ho voa eo izaho, handeha izaho hanao anitsy fa amin'izay izaho mba mahavoa ,raha vao izay no ataonao dia tsarovy fa efa tokatrano ho rava izay.
23. patrick2002 ( 22/01/2007 18:07)
XXX ny mba conseille-ko aminao dia diniho tsara aloha ,hoe inona ny anjara toerany vadinao ao @ fianakaviana ,lahy matoa,izy irery no mba tafita,ary manao ahoana ny ray amandreniny ,tena mila fanampiana ve ,mbola manana zanaka en charge ve? raha eny no valiny dia heveriko fa rariny izany,.
24. Zina ( 22/01/2007 18:42)
o ry patrick a rehefa sendra ny bandy otran'ny vadin'i xxx ianao dia inn no ataonao... Mila misokatra ny masony8O fitiavan-tena anie ny AZY eeeeeee:twisted:
25. patrick2002 ( 22/01/2007 20:16)
Zina : tsy fantatrao ny zava-misy ka aoka ianao tsy hitsara, satria andalana 3 fotsiny no hitatarainy xxx ny problemany.
Ny ahy izao raha ohatra ny vadiny xxx ka faralahy ,manana mpiray tampo efa samy manana ny azy daholo, ny RAD efa manana trano dia hoy ahop hoe fitiava-tena izany.
Fa ohatra kosa ka ,ny vadiny xxx irery no mba tafita ao amin'izy mianakavy, mbola manana zandry izy mbola mianatra, ary ny RAD nivarotra tanin-drazana mba handefasana azy any andafy dia hoy izaho hoe i xxx mihintsy no tia-tena.
26. xxx ( 22/01/2007 20:44)
ny ahy indray ny tsy laitrako dia ilay bandy indray no manafatra vola avy any dago any @ RAD-ny fa tsy ampy ny volany aty. nefa anie ny RAD-ny tsy dia hoe manana be hoe ahoana fa mba ireny manamanana kely any dago ireny fotsiny e. Marary foana ny aina rehefa amanjatony ny euro alefa. hitanareo ihany ny fiainana any dago, vola be mihitsy izany valeur 600 euro zany.
27. Zina ( 23/01/2007 01:43)
oy i xxx
efa nifampiresaka izahay, fa fantatro aloa e mandefa vola isam-bolana ny vadiko fa zany hoe tsy ampahafantarainy ana intsony ny montant ny vola alefany any

fa nony indray tonga taty dia lasa nivadika zavatra be dia be, en géné ral aloa za nanenina e, kanefa efa niteraka izahay dia avela andeha ho azy eo e.[/quotevakio tsara ireo ry patrick .... zany ve mba vady azo atokisana????
ilay bandy no tena tia-tena ko tsy misy afa tsy ny RAD no karakaraina... tsssss

[quote]Fa ohatra kosa ka ,ny vadiny xxx irery no mba tafita ao amin'izy mianakavy, mbola manana zandry izy mbola mianatra, ary ny RAD nivarotra tanin-drazana mba handefasana azy any andafy dia hoy izaho hoe i xxx mihintsy no tia-tena.

o lety ry patrick a izy anie efa manana ny tokatranony eeeeeeee...
Tsy i xxx mihitsy no tia-tena fa ita fa ilay bandy.. ary matoa izy mora romotra raha voa resahina ny vola alefany any @ RAD dia olona tsy manome/tia-tena izy zany amiko...
Ilaina ny egalite ao @ toka-trano....
izany n o mahatonga ny tsy hanana ny anankiray confiance an;ilay vady raha voa misy no otran'itony...
28. patrick2002 ( 23/01/2007 02:02)
Ka io Lutte contre l'egalitée io mihintsy ilay manimba tokatrano kou :roll:
Manjary misy ilay defi amin'izay ,ka mpivady natao tokony hifanampy sy hifameno indray manjary mifanao concurrence ,raha vao miditra amin'io voie io ianao ry xxx dia mieritrereta tsara fa namany efa mandrodana tsikelikely ny tokatranonao izay.
29. xxx ( 23/01/2007 08:50)
salut enao: zay akia ny ahy no nataoko an! de milamina izy zao fa ny any ambadika no tsy haiko ; fa tsy rahariko zay any satria rehefa complet ny ato an-trano de zay : sarotra le miaina ka!
30. booboo ( 23/01/2007 10:08)
ny tokatrano ry zareo tsy natao hanaovana DEFI ah ! ka hoe manao an'izao ny vadiko ,handeha koa izao mba hanao an'izao , tsy havelako anao an'ity ny vadiko fa sao dia ho voa eo izaho, handeha izaho hanao anitsy fa amin'izay izaho mba mahavoa ,raha vao izay no ataonao dia tsarovy fa efa tokatrano ho rava izay.


eka ouz !
31. xxx ( 23/01/2007 11:32)
patrick2002 : ka izao e, ny vadiko lahimatoa sady lahitokana fa telo mianadahy ry zareo, roa vavy dia izy. Dia ny mamany moa araky ny teniko tsy ary niasa, donc tsisy ressource, ny anabaviny tsisy miasa en plus niteraka zaza iray ny anabavy iray, tena diso lalana aloa za e, dia efa izay no safidina dia arahana tahak'izay e, atao hoe ampiampy ny ato an-tokantrano, fa resaka économie tsy misy mihitsy, na dia ny hanao vacances ary tsy misy pour aller à madagascar par exemple. Efa fantatro tokoa ny mikasika ny fiainan-dry zareo fa tena tsy nijery ny conséquence za, indraindry za tena kivy be, en général, aloa tena hoe misy défi ato aminay e, dia ho hita eo zay lalany any aoriana any e. Mikasika ny fahatongavany taty france dia izahay nahatonga azy taty fa tsy ny havany mihitsy kanefa dia nivadika tanteraka izy izao fa efa milamina daholo ny fipetrahany taty, tsy fanaratsiana akory fa tena zany ny zava-marina, izaho no nankaty voalohany dia avy eo izy nafarana, am-pitiavana tokoa no nanaovana an'izany rehetra izany nefa dia izao lasa tia tena izao, ny havany foana no an-tsainy.
32. diamondra27 ( 23/01/2007 12:56)
zay ve zany no mampiady ny rafozambavy sy ny vinanto e!! sa inona?
33. patrick2002 ( 24/01/2007 04:27)
Dia mazahoa ny rariny re ry xxx ah! soa atao levenam-bola re eh! courage anky ah!:-*.
Ny hanatra ataoko anao fotsiny dia aza mifaninana @ vadinao ianao, raha mbola tianao hijoro ny tokatranonao :-*:-*
34. diamondra27 ( 24/01/2007 10:55)
patrick2002: azoko tsara ilay tianao lazaina eto ary mitovy hevitra aminao aho fa ny namana sasany tsy d'accord @ le principe e!
Atao ahoana fa samy manana ny itondrany ny fiainany ny olona.
Rehefa asiana lanjany ilay izy wa de mety io, fa raha toa ka tsy mijery ny ao antrano kosa ilay rangahy de tsy mety izany.
35. xxx ( 24/01/2007 15:20)
za tsoriko aloha fa misy ny ava-bady tena manirikiry eh! manao sarotiny enao mahazo tsiny !tsy miteny enao hararaotina ;de ahoana ihany zany
36. xxx ( 24/01/2007 15:34)
ka tsy hita ihany izay iainana eto @ ity tany ity e, misaotra an'i patrick2002 @ conseil nomenao, araky ny fitenenana hoe soa atao levenam-bola, fa refa izay ny nandraisany ny vadiko ny fandehany rehetra dia aleo anazy sy ny havany izany. Tsy mitovy daholo koa anie ny lehilahy rehetra e, samy manana ny principe de vie ny tsirairay. Araky ny teny efa nataoko etsy ambony dia ny mijery ny ato an-trano ny vadiko, tsy handainga @ izany aho, mividy ny tsy ampy ho an'i zazakely, fa ny tena manirikiry ana dia hoe anisan'ny vadiko koa zany ny mamany sy anabaviny. Indrisy fa tokony nijery an'izany hatramin'ny voalohany fa tena jamba tanteraka t@ zany fotoana izany. dia ataovy anatra ho an'izay vao hanambady izao zavatra izao, na lhl na vhv.
37. xxx ( 25/01/2007 14:32)
sarotra aloha eh! ny atao de mandefitra fa hitanao mivaly foana io rehfa tsy miteny ianao ! de araho amam-bavaka de aza tonga de tezitra miresaka aminy :
38. Aotsara ( 20/02/2007 15:07)
Adala kosa aloha izay tsy tia ny azy e ! nefa tokony hisy limite satria matoa ianao nanaiky ny hanan-tokan-trano dia vonona ny hanome fahafaham-po ny ankohonana aloha, raha misy ambim-bava moa dia tokony zaraina amin'ny andaniny sy ankilany ihany satria foza lahy natakalo fozavavy anie ny mpivady e ! tokony tsy asiana tombo sy hala. Sao koa isika vehivavy dia miseho milay (be vava ohatra)loatra ka manjary mahatonga fijery mitongilana ho an'ny lehilahy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2166