Sakafo vita amin'ny mangahazo.

21. niryna ( 20/01/2007 06:25)
Fiffi:

http://ikalapiso.free.fr/Recette-malgache_10.htm
http://razafimalala.free.fr/Recette/mofomangazo_coco.htm

Misaotra betsaka aky fiffi a

22. niryna ( 20/01/2007 06:26)
lemenakely:

ireto ary misy recette afrikanina
http://mandji.net/mbolo/recette1.htm

http://www.terrespoir.com/recettes/manioc.htm


Misaotra an'i lemenakely aho
23. niryna ( 20/01/2007 06:27)
cutie:

mangahazo sy coco koa tsara:miam::miam::miam:

Io no fanaoko koa

24. niryna ( 20/01/2007 06:28)
vale:

Mangahazo tetehina kely be dia be koa, de rehefa midina ny ranony de asiana ronono, de asiana totom-boanjo! asiana siramamy na tantely koa vao may:miam:, tena tsara be io hoanina tolak'andro iny, na azo atao sakafo maraina koa!.. ze tiana e!

TEna :miam::miam:tokony izy izany

25. niryna ( 20/01/2007 06:29)
booboo:

-balahazo au coco :miam::miam::miam:

-lasopy mangahazo
-mangahazo sy hena ritra
-mangahazo sy paty :-D:-D:-D (asiana sôsy voatabia sy ny tariny)
-mangahazo potsipotserina refa masaka dia fenoina nestlé avy teo :-D:-D
-gratin de mangahazo

Tany an-dasy aby no nahitako an'izany :-D:-D



Misaotra fa tena hosoratako daholo ireo

26. niryna ( 20/01/2007 06:30)
ftma:

mangahazo sy hena omby ary anamalao ko tena tsara an


Tena hanafatra anamalao aho k'ty:miam:
27. niryna ( 20/01/2007 06:35)
xxx:

mapahy ve zany decalcifé zany

Tsy ampy calcium sady lasa masin'aty,milelalela ny vavony.Ny olona tsy ampy calcium hitako dia mijaly izy fa tsy mitombo ny hoho ary raha sanatria ka tapaka ny taolana(izay mety atohy raha voatsabo eo noho eo) dia tena sahirana vao sitrana,

28. niryna ( 20/01/2007 06:40)
Ity no efa nataoko.Afangaroina daholo ny vomanga, mangahazo,saonjo( kely sy ilay ngezabe ireny) sy ireo haninkotrana mitovitovy amin'ireo,ary andrahona rehefa akaiky ho masaka dia asiana siramamy sy vanille ary ronona.Mividy voana apalibe na Jack fruit no alalako azy efa vita ao anaty boaty io dia tetehina atao ao anatiny.Atao marihitra ary azo hohanina mafana na mangatsiaka fa tena :miam::miam:daholo.
29. niryna ( 20/01/2007 06:43)
Kikisana koa ny mangahazo dia asiana siramamy,ronono,coco,asiana dobera kely ary dia atao ao anaty laforo.Mangatsiaka no fihinana an'io ary tetehina no kare ngezangeza, raha tianao hafanaina ho mafana tsy maninona koa rehefa voatetitetika:miam::miam:.Aroso atao desera io.
30. niryna ( 20/01/2007 06:49)
Toy ireny manao lasopy hen'omby na akoho ireny koa dia afangaro ny karoty, ovy, voatavo,mangahazo,rehefa avy natao saosy ny hena miaraka amin'ny tongolo sy voatabia izay azo afangarao ny lasopy fa vao maika tsara.Ny selery irery ihany no tsy atao ao.Rehefa masaka dia tetehina ny selery sy ny tongolo maitsokely ary ny persily dia arotsaka ary arosoy amin'izay fa tsy mila vary akory dia voky.Mazotoa ary misaotra ny rehetra nanohana ny antsoko.
Niryna tsy manadino(l)(l)
31. ftma ( 20/01/2007 11:59)
nyrina kay mahay mahandro be ko :wink: ny anamalao mahita eny @ sinoa fa tsy mila manafatra e
Magahazo afagaro @ akondro manta ary hena ko tsara.
asa raha mahita magahazo maina ianareo fa ireny ko tena tsara andrahoana tsotra asiana fakanataretra,
Azo totoana koa ny magahazo maina dia ny vovonony endasina toan'ny crepe (misy anarany io crepe io fa adinoko)
32. cutie ( 21/01/2007 18:52)
mangahazo endasina koa tsara na atono
Ampiarahina @lasary papay:miam::miam::miam:
33. vale ( 21/01/2007 21:59)
ie, mmmmmmmm:miam::miam::miam:
34. cutie ( 22/01/2007 16:31)
mofo mangahazo koa tsara
fa tsy haiko ny manao azy :oops:
35. ftma ( 22/01/2007 19:11)
cutie: kamo :wink:
mofo magahazo mora atao: kikisana ohatry ny karoty ireny n mangahazo masaka dia asian siramy dia endasina, atao vapeur ko izy tena tsara
tsitsitra hono no anaran'ilay vovona mangahazo maina endasina toa ny crepe
36. cutie ( 22/01/2007 20:01)
tsy lasa miraikidraikitra ve refa mikiky azy hihihi
37. niryna ( 26/01/2007 21:03)
cutie:

tsy lasa miraikidraikitra ve refa mikiky azy hihihi

Toa miraikitra tokoa,ary raha manta iny indray no andramana?

38. cutie ( 26/01/2007 21:04)
ie
aleo manta:lol:
39. niryna ( 26/01/2007 21:07)
Andrahona ny mangahazo,tsy dia atao be rano fa masahana hipasaka tsara fotsiny.Rehefa masaka dia totoina ary fisahana eo ambony placard,rarahana siramamy sy voanjo voatoto.Ahorina manao boribory lava toy ny mofodipaina,tetehina rehefa avy eo.Mazotoa homana,azo atatao goutez io :miam::miam:
40. xxx ( 26/01/2007 21:28)

Inona no anaran'ny anamalaho eny amin'ny sinoa?Mba mahaliana ahy izany.


[quote=ftma]
nyrina kay mahay mahandro be ko :wink: ny anamalao mahita eny @ sinoa fa tsy mila manafatra e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2031