Izay teneniny tsy ataontsika ary tsy asiany atao ataon-tsika

1. niryna ( 18/01/2007 06:43)
Mifanohitra ny sain'Atra sy ny sain-tsika zanany ka izay zavatra teneniny na asiany ataon-tsika dia tsy manao izany isika,izay zavatra rarany antsika tsy hatao kosa anefa dia vao maika isika mikiry manao izany.Na efa maheno feo aza isika mibitsika ao anaty ny fampaherezana na ny fanahy masina mandrara ny tsy anao izany dia toa voasitona ihany ny tsy hanaraka
Ohatra Mananatra antsika ny anao ny marina, mifankatia,manaja olona ,amela heloka
Tsy amela antsika ny andainga ,ny anao ratsy,ny mifoka sigara,misotro, mijanganjanga na ny mitsiriritra. Inona no mahatonga antsika tsy anaraka ny teniny ary izay zavatra asiany ataontsika toa sarotra tanterahan indraindray.:?:
novalian'i prime ny 23/01/2007 09:39
2. mim ( 18/01/2007 08:29)
niryna:
Ohatra Mananatra antsika ny anao ny marina, mifankatia,manaja olona ,amela heloka
Tsy amela antsika ny andainga ,ny anao ratsy,ny mifoka sigara,misotro, mijanganjanga na ny mitsiriritra. Inona no mahatonga antsika tsy anaraka ny teniny ary izay zavatra asiany ataontsika toa sarotra tanterahan indraindray.:?:
ANTSIKA ! antsika iza zany ry niryna ? raha tsy nanaraka na de kely aza ianao @ ireo voalazanao ireo de aza hatao hoe "isika" Misy antony matoa ny olona sahy mijoro ho vavolombelona manaradiha an'Andriamanitra.
Sarotra tanterahana hoy ianao ? raha hitanao fa sarotra ho anao ireo , satria ianao navelanao tsembatsembahin'ny satana , tsy mahay miaro-tena , fa tsy ny olona rehetra no tahak'izany ry niryna !


3. xxx ( 18/01/2007 08:53)
vao niainga tany @ saha edena io film io dia efa nisy satria tany dia efa nasian'Andriamanitra fepetra sy fandrarana hoe :ireto hanina fa itsy aza hohanina .Niainga tany @ Andriamanitra io zavatra io izany ary lasa ozona ho an'ny olombelona ka aza atao mahagaga raha manitikitika foana ny hanohitra ny fandrarana atao @ olona .
Maninona raha notsoahina teo fotsiny dia samy vita fa asiana fepetra hoe : tsy azo kitihana io .Iray aloha izay .Zava-misy izany ary nosoratana fa tsy hoe :manakina an'Andriamanitra akory .
Faharoa :raha toa ka masina sy olo-marina daholo sy manao ny mety daholo ny olona rehetra eto an-tany dia lasa monotone be sy mankaleo be ity fiainana ity ,fa matoa nasiana ny ratsy sy ny tsara dia mba tsy ahamonamonaina ny fiainan'ny olombelona eto an-tany ,satria ady no iainanao eto @ ity tany mandalo ity fa tsy fahasambarana na fifaliana na fahasoavana akory.
Manaraka izay dia izao :araho asa ilay teny entinareo eto fa aza faly mananatra fotsiny .Tohano sy ampio hatrany ilay olona nanarinareo ary aza avela raha tsy tafarina ny fiainany mba ho voninahitra ho anareo sy Andriamanitra sady ho entinareo hijoroana vavolombelona ihany koa satria izay no tadiavinareo .
Matoa misy teny entinareo eto dia midika fa tokony hanao asa mivantana ianareo fa tsy hitory fotsiny na hananatra fotsiny.
4. prime ( 18/01/2007 10:27)
niryna> Ny apostoly Paoly koa efa niteny toy izany... fa izany tokoa no mbola mahanofo ny olona aloha...

Mitombina ny fanamarihana ataon'i mim fa tsy tsara ny mampiasa ny "isika" sy ny "antsika" raha mbola hevitrao na hevitra ankapobeny no ampidirina...

xxx> Ny fahotàna ataon'ny olombelona aza atsipy any amin'Andriamanitra... safidy io, rehefa tsy nahatohitra fakam-panahy ny olona ka lavo tao amin'ny ota dia ny mibaboka sy miaiky heloka no fahendrena fa tsy ny manamarin-tena ka manipy ny andraikitra ho an'ny hafa, indrindra manipy izany any amin'Andriamanitra...

Ny amin'ny lazainao faharoa dia mahagaga ahy ihany, fa hay izao fiainana iainana izao no filamatra aminao izany satria tsy "monotone"?...

Ny amin'ny finoana sy ny teny arahin'asa aloha dia isaorana anao mampatsiahy fa izao indray mino fa ny kristiana (raha ireo no lazaina) dia efa manao ny anjara asa tandrify azy tsirairay avy...
5. rakaroka ( 18/01/2007 12:43)
Tsy tafapaka @ fiainana ireo Teny MASINA satria tsy noraketina ao am-po sy fanahy sy ny fiainan'ny olona ilay izy fa :roll:
"HADINO" ao anaty Baiboly!dia mila am-pahatsiahiviny sy tsiloviny isan-tsegaondra amin'ny maha-andevon'ny ota araka ny fampianaran-drizareo mpitarika sadasada !
nampianarina ahy tokoa aloha hoe:
"BAIBOLY IRERY IHANY"
"FINOANA IRERY IHANY"
"JESOA IRERY IHANY",
ary nasesika mihitsy hoe "suffit" de croire fa maty Jesoa" :le reste ZéRO,dia mbola hanontany indray ianao hoe maninn tsy natao ny blablabla????
satria izany tsy quoi...
f'efa maty hono Izy wà!!!

6. xxx ( 18/01/2007 13:08)
prime>ka namorona ve za nilaza io teniko io aloha .Tsy voasoratra ao anaty baiboly ve izany ary tsy misy hoe: manipy andraikitra izany fa izay no zava-nisy t@ izany ary voasoratra koa io .
Tsy misy milaza hoe :manome tsiny an'Andriamanitra fa ny tokony ho fantatrareo dia tsy azo ato eto @ ity tany ity izany fahamarinana sy fahendrena ary ny fahasambarana fa manjary tsy hita ny voninahitr'Andriamanitra .
Tonga dia lasa miebohebo sy mizesta ary mirehereha avy hatrany ny olombelona dia vao maika ho loza no hiafarany .satria samy hidoka tena daholo ho manao ny marina sy mahitsy .
Toy ny hoe :maninona no nasiana ny satana sy ny devoly fa tsy navela hiaina finaritra ny olombelona araka ny eritreretinareo .
prime>tsy izao fiainana izao no filamatra fa izao no efa fiainana voaozona iainan'ny olombelona .Tsy maintsy misy ny ratsy sy ny tsara ,ary tsy maintsy manao ny ratsy foana ianao isan'andro na dia miezaka ny hanao ny tsara aza ao an-tsainao ao,fa efa izay ilay film iainana .
Ary andramo ary hoe :olona marina daholo ,hono ,no iarahana miaina ,dia olona hendry daholo koa ,hono , dia olona manara-dalana daholo koa ,hono, dia olona tsy mitsikera koa ,hono, dia olona tsy misy mahantra koa ,hono, dia olona tsy maditra sy tsy mamo lava sy tsy mpanamoly sy tsy misy mpangalatra sy mpandainga ,tsy misy mpiteny ratsy ,tsy misy mpamosavy ,tsy misy manao vetaveta ,tsy misy mpisoloky ,tsy misy mpialona ,sns ......,fa tonga dia very tanteraka Andriamanitra ary sahan'ny olombelona ny mi-défie an'Andriamanitra sy manbao an'Andriamanitra tsy misy @ izay fotoana izay dia izay vao ho loza @ atambo .
Ary tsarovy koa fa raha vao misy ny lalana mipetraka dia misy izay ny tsy manara-dalana .
7. xxx ( 18/01/2007 18:24)
Hoy i xxx :

vao niainga tany @ saha edena io film io dia efa nisy satria tany dia efa nasian\'Andriamanitra fepetra sy fandrarana hoe :ireto hanina fa itsy aza hohanina .Niainga tany @ Andriamanitra io zavatra io izany ary lasa ozona ho an\'ny olombelona ka aza atao mahagaga raha manitikitika foana ny hanohitra ny fandrarana atao @ olona .
Maninona raha notsoahina teo fotsiny dia samy vita fa asiana fepetra hoe : tsy azo kitihana io .Iray aloha izay .Zava-misy izany ary nosoratana fa tsy hoe :manakina an\'Andriamanitra akory .


Ny olona dia nataon\'Andriamanitra araky ny endriny ary voalaza aza fa ambany kely noho Izy Andriamanitra mihintsy..

\"Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. \" Salamo 8:5

Ary io hazo voarara io no nataon\'Andriamanitra nampiavaka antsika aminy. hilazana fa mbola Izy no lehibe mpamorona fa isika dia noforonina.

Ka teo no naha latsaka antsika olombelona tamin\'ny fahotana satria dia te hitovy amin\'Andriamanitra isika ka nanaiky ny fankam=panahy nataon\'ny satana.

Milaza ianao ry xxx fa tsy manome tsiny an\'Andriamanitra kanefa diniho kely ito vavanao ito:

Maninona raha notsoahina teo fotsiny dia samy vita fa asiana fepetra hoe : tsy azo kitihana io .


Dia hoy ny tenin\'Andriamanitra aminao:

\"Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?\" Isaia 29:16



8. xxx ( 18/01/2007 19:10)
Hoy i XXX :

raha toa ka masina sy olo-marina daholo sy manao ny mety daholo ny olona rehetra eto an-tany dia lasa monotone be sy mankaleo be ity fiainana ity ,fa matoa nasiana ny ratsy sy ny tsara dia mba tsy ahamonamonaina ny fiainan\'ny olombelona eto an-tany ,satria ady no iainanao eto @ ity tany mandalo ity fa tsy fahasambarana na fifaliana na fahasoavana akory


Ao anatin\'io fehezateny iray io dia misy hevitra roa mifanohitra.

Milaza izy fa ny fiaanana dia tsy fahasambarana na fifaliana na fahasoavana kanefa etsy ambony izy dia manambara fa tsy tokony hankaleo sy ho monotone ny fiainana.

inona no tian\'ny mpanoratra ho lazaina???
9. pissoa ( 18/01/2007 19:12)
Tsotra ny tiany holazaina angamba : Raha fahasambarana fotsiny ... na tsara daholo dia mety mankaleo ny fiainana. :lol:
(asa nefa raha zay tokoa le izy)
10. xxx ( 18/01/2007 21:28)
ny resaka nambarako dia hoe : tsy misy fahasambarana na fifaliana ela be izany eto @ ity tany ity ,tsy midika izany fa tsy ahita fahasambarana ianao fa ahita fa kely ihany fa ny fahoriana no tena iainanao eto an-tany satria raha ho sambatra daholo ny olona rehetra dia tsy ho hita ny voninahitr'Andriamanitra fa hirehareha sy hiebohebo daholo isika olombelona satria mety ny fiainana ka .
Manarak'izany dia nolazaiko fa raha toa ka manao ny marina sy mahitsy daholo ny olombelona dia ho monotone be ny fiainana satria lasa tsy misy fitsikerana ,tsy misy fifanazavana fa mety ny fiainana ka ,tsy misy fanintsiana satria sambatra ka satria izay no tadiavina .
Dia hino ve ianareo fa ho sambatra foana mandram-pahafatinareo ?,izay ilay voninahitr'Andriamanitra ,izy no mametra ny fahasambarana ka dia eritrereto hoe: mijaly foana ianao fa ao anatin'ny fijalianao no ahitanao ny mamy
11. Fiffi ( 18/01/2007 22:21)
prime:
Mitombina ny fanamarihana ataon'i mim fa tsy tsara ny mampiasa ny "isika" sy ny "antsika" raha mbola hevitrao na hevitra ankapobeny no ampidirina...
miombon-kevitra tanteraka aminao zah @ io an !


12. dailynews ( 19/01/2007 16:00)
nyrina> ny ahy aky ny valin io dia remarquer-ko fa raha vao tsy ampy vavaka aho dia mora dia mora amiko ny lavo amin ny zavatra izay tsy tiako atao indrindra. Fa rehefa mahery mivavaka kosa aho dia tena matanjaka be mihitsy manohitra ilay fahotana.
mino aho fa satria ny vavaka no ifanesaresara @ Fanahy Masina no antony. Ny Fanahy Masina no manampy ny olombelona hanao ny sitrapon Atra fa raha tsy izany tsy vita io. mifanohitra amin ny natiorantsika ny sitrapon Atra.
Tsy amin ny hery na ny fahatanjahana fa amin ny fanahiko hoy Jehovah.
raha tsy miray amiko koa ianareo hoy Jesoa dia tsy mahay manao na inona na inona(jao 15)

ny vavaka hono no zavatra izay attaquer-n ny devoly voalohany indrindra @ fiainan ny mpino fa raha vao voa io dia izay ny nataony fa ny sisan izay dia vokatra fotsiny ihany manaraka aty aoriana noho ilay vokatr'ilay tsy fifanersaserana amin Atra.

tsy haiko aloha fa izany no reko ary izany ihany koa no hitako @ tenako manokana.



13. xxx ( 19/01/2007 17:43)
dailynews> marina izany lazainao zany.. :-*
14. prime ( 23/01/2007 09:39)
dailynews> mitovy hevitra aminao tanteraka...
xxx:
ka namorona ve za nilaza io teniko io aloha .Tsy voasoratra ao anaty baiboly ve izany ary tsy misy hoe: manipy andraikitra izany fa izay no zava-nisy t@ izany ary voasoratra koa io .
... Tsia, ny ozona mahazo ny olombelona dia avy amin\'ny fahotàn\'ny olombelona ihany fa tsy miainga avy amin\'Andriamanitra izany...
xxx:
Tsy misy milaza hoe :manome tsiny an\'Andriamanitra fa ny tokony ho fantatrareo dia tsy azo ato eto @ ity tany ity izany fahamarinana sy fahendrena ary ny fahasambarana fa manjary tsy hita ny voninahitr\'Andriamanitra
... Tena mifanohitra mihitsy amin\'ny fampianaran\'i Kristy izany fa ny fahamarinana, sy ny fahendrena ary ny fahasambarana (ireo ihany moa aloha no notsongainao) dia tena fototr\'ilay fiainana ao amin\'i Jesosy Kristy mihitsy...
xxx:
Tonga dia lasa miebohebo sy mizesta ary mirehereha avy hatrany ny olombelona dia vao maika ho loza no hiafarany .satria samy hidoka tena daholo ho manao ny marina sy mahitsy .
... izany tokoa no fomban\'izao tontolo izao fa ny tena kristiana dia Kristy ihany no reherehany...
xxx:
Toy ny hoe :maninona no nasiana ny satana sy ny devoly fa tsy navela hiaina finaritra ny olombelona araka ny eritreretinareo ...
... aza adino fa anjely ireo tononinao ireo, fa safidy ny azy ny te-hitovy amin\'Andriamanitra ka nahatonga azy nanohitra... Izay ilay ambarako hoe aza atsipy any amin\'Andriamanitra izay fahalemena tsy nahatoherana ny ratsy sy ny fakam-panahy fa sao manao blasfemia eo ny farany...
xxx:
tsy izao fiainana izao no filamatra fa izao no efa fiainana voaozona iainan\'ny olombelona .Tsy maintsy misy ny ratsy sy ny tsara ,ary tsy maintsy manao ny ratsy foana ianao isan\'andro na dia miezaka ny hanao ny tsara aza ao an-tsainao ao,fa efa izay ilay film iainana .
... hatreo aloha dia mitombina satria mitafy nofo ny olombelona rehetra...
xxx:
Ary andramo ary hoe lona marina daholo ,hono ,no iarahana miaina ,dia olona hendry daholo koa ,hono , dia olona manara-dalana daholo koa ,hono, dia olona tsy mitsikera koa ,hono, dia olona tsy misy mahantra koa ,hono, dia olona tsy maditra sy tsy mamo lava sy tsy mpanamoly sy tsy misy mpangalatra sy mpandainga ,tsy misy mpiteny ratsy ,tsy misy mpamosavy ,tsy misy manao vetaveta ,tsy misy mpisoloky ,tsy misy mpialona ,sns ......,fa tonga dia very tanteraka Andriamanitra ary sahan\'ny olombelona ny mi-défie an\'Andriamanitra sy manbao an\'Andriamanitra tsy misy @ izay fotoana izay dia izay vao ho loza @ atambo .
... Lasa mifanohitra ny ambaranao sy ny hevitra lazainao ka mila averinao dinihina tsara aloha vao milaza...
xxx:
Ary tsarovy koa fa raha vao misy ny lalana mipetraka dia misy izay ny tsy manara-dalana .
... :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.765