hangataka hira

1. pavazah ( 16/01/2007 04:13)
manao ahoan daholo o mba mangataka ny tonokiran'i MELKY PAZZAPA ianao no tiako misaotra mialoha
2. tsanga ( 17/01/2007 07:58)
za koa aza mba miandry ze manana fa tsara kosa aloha le hira e mampitomany mihintsy
3. Fiffi ( 17/01/2007 08:09)
mba nitady hiany fa tsy nahita......
4. cmbolatiana ( 18/01/2007 10:31)
Inty aloha misy fa corriger-o fa paroles nalain'ny ankizivavikely eto akaikiko eto e
Dia ankafizo ary e

IANAO NO TIAKO

Izaho dia ahita anao
Izaho dia ahita anao
Te ho any
Te ho any aho raha azoko atao
Dia ny hiaraka aminao
Zaho te ho any aminao
Zaho te ho any aminao
Fa izao dieny izao aho
Raha sitrakao
Dia ho eo anilanao

Fa tsy ho zakako intsony
raha kobonina ao am-poko
F’izaho tena tia
Izaho ny ho avy foana aloha
Dia na tsy sahy aho nilaza
Sao voafitaka ny fo
Nefa mafy tena mafy raha sanatria
Ho sangisangim-pitia
Tsy ho tanty
tsy ho tanty sao sanatria
Ianao mody tia

Mba ilazao dieny izao
Mba ilazao dieny izao
Ilay fitiavanao sao sangisangim-pitia
Izay rehetra am-ponao ao
Izaho hilaza aminao
Izaho hilaza aminao
Fa ny tena sitrako raha mbola azo atao
Dia ianao no tena tiako

Fa tsy ho zakako intsony
Raha kobonina ao am-poko
F’izaho tena tia
Izaho ny ho avy foana aloha
Dia na tsy sahy aho nilaza
Tsy sahy ho nilaza
Nefa mafy tena mafy raha sanatria
Ho sangisangim-pitia
Tsy ho tanty tsy ho tanty sao sanatria
Ianao mody tia

MELKY

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0468