Mifanohitra ve ireto sa misy fifandraisany

1. niryna ( 12/01/2007 20:14)
Misy ny fifaliana sy ny fandriampahalemana aty amiko, sy ny hoe aza matahotra fa homba anao mandrakariva aho.Raha ohatra isika ka manankina sy miaraka amin'i jesosy.Kanefa indray hoy izy tsy tonga hanao fandriam-pahalemana aho fa ...ny zanaka hankahala ny ray, ny firenena hiady.
Toa mifanohitra ilay teny
novalian'i prime ny 24/01/2007 12:59
2. xxx ( 13/01/2007 07:11)
Toa mifanohitra satria toy ny fomba mahazatra, dia raisina mitsitapatapaka ny baiboly. Vakio Matio 10 fa Confessing and rejecting Christ no resahiny ao, alohan'ny hitenenany mikasika ny not peace, but a sword.
3. kally ( 13/01/2007 11:54)
Ny fahazoako azy tsy Izy no hanao pôlisy handamina ny firenena, ireo toetra misy fankahalana sy ny sisa ireo efa amintsika, fa anjaratsika no manatona sy manao fandavan-tena hoe hanaraka sy haka fandriam-pahalemana any @ Jesosy aho.Izany hoe Izy eo foana fa anjaran'izay mila fandriam-pahalemana no manatona Azy fa tsy Izy no handamina antsika. Asa kosa anefa??
4. diamondra27 ( 13/01/2007 16:39)
ny fantako dia hoe:
hanome fiadanana ho ahy ny Tompo.Izay ny promesse nomeny.

Rehefa manolo-tena sy manara-dia Azy anefa dia hisy ny fitsapàna, ho halan'ny olona ianareo hoy izy. Anisan'izany olona izany ny RAD -nao, ny mpiray tampo aminao.
Tsara hohamarinina anefa dia izao: rehefa tena tafiditra lalina @ le fivavahana ianao, dia hitan'ny olona ny fiovànao, ny fomba fihetsikao sns, dia ireo no mitarika azy hankahala anao satria ao ilay devoly miezaka ny handripaka sy hanao izay hampiverin-dalana anao.
Noho izany dia tsy hisy ny fandriampahalemana raha izay no tianao.

Izay maharitra hatr@ farany anefa no hovonjena.

5. diamondra27 ( 13/01/2007 16:45)
Tsy mifanohitra ireo teny ireo fa rehefa niainanao sy narahanao ny tenin'Atra dia ho tsapanao ny fahamarinany fa Andriamanitra dia manome fiadanana.Anjaranao ny mifikitra Aminy ;na dia ao anatin'ny mangidy aza ianao dia tadidio ny toky izay nomeny anao fa tsy hamela anao irery Izy. Matoa ianao nahatsapa fa tsy niadana taminy dia tsy tonga lafatra ny firaisanao taminy. Raha manaiky Azy tanteraka ianao dia ho lavorary ny dianao.

Mety tsy ho tia anao ny RAD -nao satria nanolotena ho an'i Tompo ianao, eo no miseho ilay hoe: ady
dia tahaka izany koa ilay @ firenena mamely firenena.

Tantara lavabe fa mety tsy voazava eto.
Miala tsiny raha tsy mazava.
6. Fiffi ( 13/01/2007 21:51)
niryna:
Kanefa indray hoy izy tsy tonga hanao fandriam-pahalemana aho fa ...ny zanaka hankahala ny ray, ny firenena hiady.
io ve de tsy fantatr'i niryna ny nahatonga an'i Jesoa niteny an'io ? :-w:-w na ny antony ? :roll:

7. Lek ( 15/01/2007 05:38)

Tsy mifanohitra ireo teny ireo fa misy fampianarana ao anatiny:
-Tsimainsty misy ny ady nohon'ny fanarahanao dia an'i Jesosy eny fa na dia samy milaza ho mpivavaka aza dia mifanohitra sy miady hatrany noho izany takian'ny Tompo ianao hanantanteraka ny baikony sy ny teniny hoe raha mpianatro ianareo dia mahay mifankatia, mifamela heloka ary aoka samy ahay anetry tena sy halemy fanamany avy, tiava na ny fahavalonao sns
- Dia raha mahantanteraka ireo dia misy ny fandriampahalemana sy fiadanana sady madio ny fonao @ olona rehetra
8. prime ( 15/01/2007 09:56)
niryna:
Misy ny fifaliana sy ny fandriampahalemana aty amiko, sy ny hoe aza matahotra fa homba anao mandrakariva aho.Raha ohatra isika ka manankina sy miaraka amin'i jesosy.Kanefa indray hoy izy tsy tonga hanao fandriam-pahalemana aho fa ...ny zanaka hankahala ny ray, ny firenena hiady.
Toa mifanohitra ilay teny
... toa mifanohitra ilay izy satria atambatrao fotsiny ilay hevitra fa tsy raisinao t@ tranga nilazàn'ny Tompo azy...

... ny voalazanao voalohany dia manambara ny Teny fikasàna lehibe nomen'i Jesosy ny mpino Azy mba hahatoky hatramin'y farany fa efa eo am-pelatanany ny fiainan'ny mpino ka tokony hitokiana Azy na inona miseho na inona miseho...

... ity faharoa indray dia mampiseho ny zavatra hiseho any am-parany rehefa mihamanatona ny andro farany... ka handrovi-tsihy ilay rain'ny haizina ka hampirafy eny na dia ny olona iray rà ao anatin'ny fianakaviana aza... izany hoe maneho famantarana mba hiambenan'ny mpino fa hihasarotra ny andro...

Ka tsy mifanohitra izany fa mifameno aza satria Jesosy mihitsy no nilaza :
"Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao." Jaona 12:47
9. namanao ( 18/01/2007 10:19)

hihihi: Andao atao hoe ny ifandraisany dia ny fifanoherany!!
somonga iny !!

Rehefa manana an'i Kristy ianao dia tokony hahita lay fifaliana anaty ary ho tonga amin'ny fandriampahalemana fara-tampony (fiainina mandrakizay any andanitra) Na dia izany aza anefa dia ho tojo mpanenjika ianao (miteraka tsy fifaliana, tsy fandriampahalemana amin'ny fiarahanao miaina amin'ny manodidina) kanefa ao anatinao dia afaka tony tsara noho ny amin'ny Kristy.

Azo lazaina ihany koa fa Kristy dia mitondra fandriampahalemana ara-panahy na inona na inona tranga ara-nofo miseho.

:wink:
10. prime ( 18/01/2007 11:17)
niryna> hanampiana ireo voalazan'ny namana ireo dia azo ambara hoe tsy mifanohitra velively izany hevitra voambaranao izany fa mampiorina indrindra ny finoan'ny mpino aza mba hiaina sahady ialy fiadanana dia eny mbola ety an-tany...
11. tywa68 ( 18/01/2007 12:05)
prime : zay mihitsy ! =D
12. besoiiin ( 18/01/2007 16:56)
izay ilay lazaina matetika eto we aza dia raisina isan'andininy sy ambolony ny baiboly fa mba fakafakao tsara, raha izany hatrany no fomba handraisana ny voalaza ao dia ho vakiloha sy hiasa saina eo ianao.
13. niryna ( 20/01/2007 05:49)
kally:

Ny fahazoako azy tsy Izy no hanao pôlisy handamina ny firenena, ireo toetra misy fankahalana sy ny sisa ireo efa amintsika, fa anjaratsika no manatona sy manao fandavan-tena hoe hanaraka sy haka fandriam-pahalemana any @ Jesosy aho.Izany hoe Izy eo foana fa anjaran'izay mila fandriam-pahalemana no manatona Azy fa tsy Izy no handamina antsika. Asa kosa anefa??

Misaotra anao aho ry kally=D=D

14. niryna ( 20/01/2007 05:51)
diamondra27:

ny fantako dia hoe:
hanome fiadanana ho ahy ny Tompo.Izay ny promesse nomeny.

Rehefa manolo-tena sy manara-dia Azy anefa dia hisy ny fitsapàna, ho halan'ny olona ianareo hoy izy. Anisan'izany olona izany ny RAD -nao, ny mpiray tampo aminao.
Tsara hohamarinina anefa dia izao: rehefa tena tafiditra lalina @ le fivavahana ianao, dia hitan'ny olona ny fiovànao, ny fomba fihetsikao sns, dia ireo no mitarika azy hankahala anao satria ao ilay devoly miezaka ny handripaka sy hanao izay hampiverin-dalana anao.
Noho izany dia tsy hisy ny fandriampahalemana raha izay no tianao.

Izay maharitra hatr@ farany anefa no hovonjena.

Marina tanteraka io,ny ratsy tsy kely lalana ary ny mpaminany tsy masina an-tanininy8)
15. niryna ( 20/01/2007 05:52)
diamondra27:

Tsy mifanohitra ireo teny ireo fa rehefa niainanao sy narahanao ny tenin'Atra dia ho tsapanao ny fahamarinany fa Andriamanitra dia manome fiadanana.Anjaranao ny mifikitra Aminy ;na dia ao anatin'ny mangidy aza ianao dia tadidio ny toky izay nomeny anao fa tsy hamela anao irery Izy. Matoa ianao nahatsapa fa tsy niadana taminy dia tsy tonga lafatra ny firaisanao taminy. Raha manaiky Azy tanteraka ianao dia ho lavorary ny dianao.

Mety tsy ho tia anao ny RAD -nao satria nanolotena ho an'i Tompo ianao, eo no miseho ilay hoe: ady
dia tahaka izany koa ilay @ firenena mamely firenena.

Tantara lavabe fa mety tsy voazava eto.
Miala tsiny raha tsy mazava.

Tena kely sisa dia lasa pasitera ianao raha izao no mitohy,misaotra betsaka amin'ny teny rehetra(l):P
16. niryna ( 20/01/2007 05:54)
Fiffi:

niryna:
Kanefa indray hoy izy tsy tonga hanao fandriam-pahalemana aho fa ...ny zanaka hankahala ny ray, ny firenena hiady.
io ve de tsy fantatr'i niryna ny nahatonga an'i Jesoa niteny an'io ? :-w:-w na ny antony ? :roll:

Koa miandry andry akia izaho hamaly azy fa tsy fantako a ;-);-)

17. niryna ( 20/01/2007 05:56)
Lek:

Tsy mifanohitra ireo teny ireo fa misy fampianarana ao anatiny:
-Tsimainsty misy ny ady nohon'ny fanarahanao dia an'i Jesosy eny fa na dia samy milaza ho mpivavaka aza dia mifanohitra sy miady hatrany noho izany takian'ny Tompo ianao hanantanteraka ny baikony sy ny teniny hoe raha mpianatro ianareo dia mahay mifankatia, mifamela heloka ary aoka samy ahay anetry tena sy halemy fanamany avy, tiava na ny fahavalonao sns
- Dia raha mahantanteraka ireo dia misy ny fandriampahalemana sy fiadanana sady madio ny fonao @ olona rehetra

=D=D=D^:^^:^

18. niryna ( 20/01/2007 05:58)
prime:

niryna:
Misy ny fifaliana sy ny fandriampahalemana aty amiko, sy ny hoe aza matahotra fa homba anao mandrakariva aho.Raha ohatra isika ka manankina sy miaraka amin'i jesosy.Kanefa indray hoy izy tsy tonga hanao fandriam-pahalemana aho fa ...ny zanaka hankahala ny ray, ny firenena hiady.
Toa mifanohitra ilay teny
... toa mifanohitra ilay izy satria atambatrao fotsiny ilay hevitra fa tsy raisinao t@ tranga nilazàn'ny Tompo azy...

... ny voalazanao voalohany dia manambara ny Teny fikasàna lehibe nomen'i Jesosy ny mpino Azy mba hahatoky hatramin'y farany fa efa eo am-pelatanany ny fiainan'ny mpino ka tokony hitokiana Azy na inona miseho na inona miseho...

... ity faharoa indray dia mampiseho ny zavatra hiseho any am-parany rehefa mihamanatona ny andro farany... ka handrovi-tsihy ilay rain'ny haizina ka hampirafy eny na dia ny olona iray rà ao anatin'ny fianakaviana aza... izany hoe maneho famantarana mba hiambenan'ny mpino fa hihasarotra ny andro...

Ka tsy mifanohitra izany fa mifameno aza satria Jesosy mihitsy no nilaza :
"Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao." Jaona 12:47

Misaotra ry prime a :):)
19. niryna ( 20/01/2007 06:04)
[quote=namanao]
Bravo fa manana namana nanoro-hevitra izahay.Betsaka tokoa ny mpankahala sy mpanenjika,misy manompo ary tsy atao ahakivy.Fanomezana hery ho antsika rehetra.Tadidio ny alika no manenjika fa tsy enjehina,toy izany koa ny fahavalo,izy no manenjika antsika fa isika no hieritreretiny ho manenjika azy
20. prime ( 24/01/2007 12:15)
Io no fototry ny fampianaran'i Kristy mikasika ny fahasambarana teo an-tendrombohitra raha tsaroana vetivety...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0892