fanaovam-beloma an'i Fort-Duphin (Taolagnaro)
21. xxx
(
19/01/2007 06:10)
:arrow:anjaran'ny mpitondra izany'adidiny)ka io anié ilay hoe:tsy mahay mitondra vahoaka e ratsy mitsinjo ny tombon-tsoa ny vahoaka nandany azy e!ny ady amin'ny fahantrana iany ko mbola adididy izay no maha-filoha azy:toy ny ray aman-dreny mitondra tokan-trano io adididin'izy ireo ny ankohonany:?:
22. Fiffi
(
19/01/2007 06:44)
LazaDaddy:izay indrindra manko.....
tsy marina kosa izany ry Solitika ah! @ fitrandrahana harena ankibon'ny tane rehetra eto Madagasikara dia i QMM no nandalina sy manao "rehabilitation" manara-penitra indrindra.:) Na izany aza ekeko fa misy ny zava-manan'aina tsy ho voaaro. Kanefa ny olona maty naona aloha no vonjena alohan'ny gidro ka! :)
Fa nitady "source" momba an'io aho fa tena tsy nahita an ! :roll:
23. Solitikabe
(
19/01/2007 19:54)
Tsy sarotra ry Fiffi ny mitady source amin'io an. Jereo fotsiny ny hoe ilmenite, africa, Australia. Dia betsaka ao.
Fa ny nampihomehy tamin'ity dia tany ampihandohana ny WWF dia tena nanankiana an'io QMM io mihintsy, ary dia nisy fitoriana natao mihintsy aza tany Australia no natao ny fitsarana. Saingy voaroaka moa ilay lehiben'ny WWF tamin'izay dia mody nolazaina fotsiny hoe hafindra toerana. Vahiny io an
Dia niresaka teo koa ny COnservation International, saingy nahazo vola tamin'ny QMM tamin'ny fanaovana fitiliana dia nangiana teo iny fa azony ny vola
Dia ny azafady sisa no miady irery aho.
Toa tena tsy hain'ny olona, ary tsy ampahafantarina azy ny ho aviny amin'io fitrandrahana io. Ny olona mantsy mihevitra fa mbola afaka miverina eny rehefa afaka taona maromaro nefa indrisy, hoy ilay tapa-tsosisy. Fa tsy notsakoina, fa nataony an-telomoka.

24. Tenio
(
20/01/2007 09:07)
marina fa radioactif ny ilménite fa tsy maninona zany io, raha tsy zany ve tsy efa maty za!!!
25. Fiffi
(
20/01/2007 09:28)
Solitikabe: ka mba nitady hiany ange zah fa tena tsy nahita an ! tsy hoe tsy mino ny zavatra lazainao akory zah fa mba tiako vakiana sy fahantarina zay voalaza momba an'io .
26. Solitikabe
(
24/01/2007 02:39)
Fiffi, mampalahelo ianao, aleo fa hitadiavako rohy amin'ny zavatra iasako dia lazaiko an
Tenio. marina fa raha mbola ilay fasika mainty iny dia tsy maninona, satria ny ilmenite sy ny titanium ao aminy dia manana tanjaka ny hamono ny taratra omen'ny monazite sy ny UrOksida. Io moa ilay hoe equilibre energetique amin'ny thermo.
Saingy raha vao sarahina ireo dia tsy misy miaro an'io taratra io intsony. Ao Taolagnaro ihany anefa no atao io fanasarahana io, ary averina aparitaka amin'ny fasika avy nosivanina ireo singa mamoaka taratra ireo. Tsy hoe alevina na fonosina karbona akory an. Fa dia ny fanondrahana ny toerana avy notrandrahana no atao mba tsy hampitroatra ny taratra rehefa main'andro.
Saingy rehefa lasa ny QMM dia iza no anondraka ireo toerana ireo intsony?

27. Solitikabe
(
24/01/2007 02:48)
Ity ry Fiffi misy tatitra iray an, dia jereo any ambany any mikasika ny hoe Radioactivite. Misy amin'ny teny anglisy sy teny frantsay ity, saingy tsy misy amin'ny teny gasy
http://www.eldis.org/fulltext/qmmcireview.doc