Tonin-kira sy feony

1. Mitah ( 10/01/2007 04:09)
Sao dia mba misy manana ny tonin'ny hiram-pirenena Malagasy andininy rehetra miaraka amin'ny feony ,azafady indrindra.Mba omeo aho. Misaotra mialoha.
" Ry Tanindrazanay Malala o!"...
novalian'i Fiffi ny 10/01/2007 19:36
2. Fiffi ( 10/01/2007 06:16)
Ry Tanindrazanay malala ô
Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.

Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay

Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
'zay sarobidy sy mendrika tokoa

Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao,
Ka Ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao.

Io aloha ny tonony , raha hihaino ny feony indray de jereo eto , ery somary ambany ery , na koa toa azo henohina ao @ radio vazo gasy io raha tsy diso aho.
http://www.zomare.com/mada3.html#ancre_paroleshymne
3. Mitah ( 10/01/2007 18:34)
Misaotra betsaka indrindra Fiffi amin'ny fanampiana.Tena afa-po mihitsy aho manana anao. Mino aho fa toy izany koa ny hafa rehetra. Izay no maha mpinamana e!
4. Fiffi ( 10/01/2007 19:36)
:) zany no mampi-namana an ! de vonona foana ny aty hanampy raha toa ka mbola azo hatao ...:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0485