Inona tokony no mahatonga ahy eto an-tany?

21. niryna ( 15/01/2007 05:03)
Tsy misy tongatonga foana teto isika raha tsy avy amin'Atra namorona sy nifidy ny ho rar-tsika.
Toa nataony koa isika ho fiasana eo amin'ny teniny.
Nataony ho iray fa tsy misy olona mitovy amitsika.
Ny fiainantsika tsirairay avy dia misy mitarika ,mibaikoa ary mitondra.
Ao ny olana, ny fangejana,tahotra,tsy finoana izay mety hitarika antsika.Mety maro noho ireo ihany koa no mitarika ny fiainantsika toy:
1- Ny fahotana na fahadisoana:misy olona izany dia manenjika azy io ary mandositra sy manafona an'io izy mandritry ny taona maro ka mitamberina ao aminy,tsy mamela ny lasa ary ny tenany ihany no ratrainy ka tsy manaiky ny handresy izy.Ahoana hoy izy ny hafalian'ireo voavela ny helony!
2-Fahatezerana:mitazona ny efa lasa ka tsy mety mamela ny tenany ka io dia mety andratra na ara-pahasalamana ary tsy ahitana voka-tsoa ny mihazona izany.Avela ny lasa homban'ny lasa.
3-ny tahotra: io no manalavitra antsika an'Atra satria tsy manana finoana azy izy ka lasa mangeja antsika io.Mila miala isika satria ny apingan'ny finoana dia ny fitiavana.Tahotra ny rar ho faty, tahotra ny olona hitsara, tahotra ny fiainana.
4-Ny zavatra ara-nofo no matetika tanjona ato anatin-tsika.Mitady hatrany,tsy manana fihononana,ary mitady fifaliana lalandava amin'io ara-nofo io kanefa mety tsy mahita.Ny tena zavatra mateza ary mahatonga antsika eto an-tany dia ny fifandraisana amin'Atra"our relationship with God."
Raha tsy misy an'ATra dia toa tsy misy ny antony ny fiainana ,ary raha tsy misy ny antony mahatonga ahy eto dia tsy misy dikany ny fiainana.Ka raha tsy misy dikany ny fiainana dia tsy ho hisy ny fanantenana.
Azo atao koa hoe "without God,life has no purpose,and without purpose,life has no meaning.Without meaning,life has no hope."8)8).
Soavadia daholo ary aoka isika andray an'iJesosy ao am-potsika tsirairay avy ^:^^:^^:^
22. prime ( 17/01/2007 14:48)
Fitiavan'Andriamanitra no nahariany ny olona ary ny hiadana miaraka Aminy no tanjom-pisiana nahariany azy...
23. niryna ( 20/01/2007 02:26)
prime:

Fitiavan'Andriamanitra no nahariany ny olona ary ny hiadana miaraka Aminy no tanjom-pisiana nahariany azy...



=D=D=D^:^
24. prime ( 25/01/2007 13:29)
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany...^:^^:^^:^^:^^:^^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1287