manina anao aho

1. popoly ( 02/01/2007 12:58)
arahaba daholo:P mitady ny tonon'ilay hiran'i lalatiana hoe manina anao aho, sendra misy manana io ianareo :?:
misaotra mialoha
novalian'i maresaka ny 02/01/2007 17:18
2. maresaka ( 02/01/2007 17:18)
Sao dia mba ity,ao anatin'ny raki-kira farany Tsotra ihany.

Te hitomany, toa lasa vinany aho,
Eto an- davarangana...
Ny lohataona,
Toa babangoana misento,
Fa maizim-bolo ny foko
Manina anao aho, maniry anao aho
Tsisy afa-tsy ny sarinao
Izay efa rovitra, satria mangovitra aho
Rehefa mitazona anao:
Tsisy toa anao!
Toa omeko tsiny,ireo vahiny tonga
Mitondra hafaliana tsy ho ahy
Ny loha-pandriana
Natokako ho anao ry tiana
Misy anaranao eo, mampanonofy ahy
Manina anao aho, maniry anao aho
Tsisy afa-tsy ny alina
Iraisan-tsika, tena antsika
Satria eo no hihaona soa...
Ny fanahintsika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3032