Nisy tao MADAGASIKARA ny fanamelohana ho faty !
1. lemenakely
(
30/12/2006 16:52)
Nisy tao MADAGASIKARA tokoa ny fanamelohana ho faty nandritra ny vanim-potoana faha mpanjaka :tao ny fanapahan-doha ,tao ny fampihinanana hoditr'akoho manta ,tao ny fampisotroana tangena,tao ny fanjerana velona teny ambonin'AMPAHAMARINANA ...Ary tsy nisangisangy mihintsy ireo mpanjàka fahiny t@ izany fa izay meloka dia tsaraina eny @ tany malàlaka na teny AMPAHAMARINANA .Asa aloha raha nahatsara zavatra izany fomba izany taloha ?
Ny mpanjanaka frantsay no nanafoana azy io àry raha tsy lany ao @ assemblée nationale sy ny sénat ny lalàna famerenenana azy io dia tsy mihàtra .
Ny tena olana mantsy raha mandinika aho i ndrindra ao MADAGASIKARA ao dia misy tsy rariny ihany ny fampiharana ny lalàna ankehitrio satria raha mpanankarena iray tratra nanodikodim-bola 1.000.000.000 mety hanome tsolotra ny magistrats sy ny mpitsara dia afaka madiodio fa raha mahantra iray no tratra nangalatra akoho mety 5 taona eny ANTANIMORA ary miandry ela dia ela tokoa vao voatsara.
Amiko manokana raha misy io fanamelohana faty io ao MADAGASIKARA mety ahatsara zavatra angamba !

novalian'i Fiffi ny 07/01/2007 13:29
2. lapino
(
30/12/2006 16:58)
Ny frantsay ve no nanafoana an'io ? aaaa e!! :wink:
Mbola misy ao amin'ny lalàna gasy io hatramin'izao fotoana izao, fa efa tamin'ny 1958 ny famonoana farany. (mbola zanatany tamin'izany)
Vao tsy ela akory izay nisy fanamelohana ho faty olona miisa 11, dahalo izy ireo, namono fianakaviana iray tamin'ny habibiana. Tamin'ny herintaona izy iny raha tsy diso aho. Ny didim-pitsarana no re hoe nivoaka, fa mbola tsy henoko aloha hatramin'izao hoe efa novonoina ireo olona ireo.

3. lapino
(
30/12/2006 17:00)
ps: Ampamarinana ilay hantsana be io fa tsy Ampahamarinana (satria navarina tany an-kady tany izay voaheloka)
4. soanja
(
30/12/2006 17:26)
Mbola misy ny fanamelohana ho faty ao Mada ka. Rha tsy diso aho dia ireo voampang afa namono tamin'ny habibiana an'i US Peace Corps Volunteer Nancy Couto no nahazo izany tao Mada asa na 6 taona lasa izay fitsarana izay.
5. zakilinina
(
30/12/2006 19:42)
Toa nisy voaheloka ho faty koa tami'ny raharaha Randria Be na raharaha hafa tamin'ireny vanim-potoana ireny.
7. caprio
(
31/12/2006 11:43)
tsy misy marina daholo ireo voalaza ireo fa @zao fotoana izao dia tsy misy intsony zany fnamelohana ho faty zany ao dago,ary ny Amerikanina no tena tompon-evitra t@io fanamelohana ho faty io fa mody fanina fotsiny
8. soanja
(
31/12/2006 15:54)
caprio:
tsy misy marina daholo ireo voalaza ireo fa @zao fotoana izao dia tsy misy intsony zany fnamelohana ho faty zany ao dago,ary ny Amerikanina no tena tompon-evitra t@io fanamelohana ho faty io fa mody fanina fotsiny
Ka maty ireo olona ireo sa tsia? Taty US ve ry zareo no novonoina?
Nancy Couto dia namako. Nony maty izy dia nalehelo be zah. Fa zah Gasy aza nanana azy nalahelo, tsy normal ve raha ny mpiray tanindrazana aminy hanan-kevitra ny momba izany.
9. xxx
(
04/01/2007 08:45)
soanja:

Raha tsy diso aho dia tsaraina araky ny lalàna eo @ ilay firenena nitrangan'ny crime ny mpamono olona. Raha tany @ firenena hafa izy no nanao ny crime dia afaka mangataka ny fireneny hoe averina mody izy hotsaraina, fa tsy mety ny hoe gasy namono amerikana tany M/car dia halefa any Amerika hotsaraina , na ny Amerikana no hitsara azy.
Misy incident diplomatique fotsiny
10. xxx
(
04/01/2007 08:54)
tsy misy itsony ny fanamelohana hofaty ao dago fa ny asa anterivozona mandrapahafaty no mbola misy ao e