ahoana indray io expulsion

1. bazylou ( 30/12/2006 10:37)
mba hisy hanampy io olona io ve????? jereo tribune
novalian'i Fiffi ny 11/01/2007 14:36
2. xxx ( 30/12/2006 14:20)
hum! mampalahelo ny niseho! dia aôna zao ny iafaran'io zaza io? satria rehefa explusé toa interdit de séjour! donc tsy afaka hiverina aty ny reniny zany! faly ve i sarko hono zao??? ary efa mba nahare ve ianareo hoe i fatima voaroaka teto frantsa fa tsisy ttsy? tsy mbola anhare aloha izaho e!
3. xxx ( 30/12/2006 19:44)
iza koa zany fatima , tavany ve zany
4. bazylou ( 30/12/2006 20:13)
ny ahy ry zalahy ny tena mahaga ahy dia ny tsy firaharahian'ny gasy ny mpiray tanindrazana aminy!! tsy nisy gasy na iray aza nanampy azy na hoe ampiantrano ilay zaza akory aza !!mampalahelo sy mampieritreritra ihany ilay izy!!
Lasa any amin'ny dass sy ny assistante social miandry famille d'accueil ilay zaza izao hoy ny polisy nanontaniako anikeo!!
Isika rehetra dia faly mifanozona eto fotsiny nefa tsy misy na iray aza mifampizara sy manampy ny mpiray firenena aminy!!
Nefa jereo ny tavany, ny sinoa, ny afrikanina eny fa na dia ny komorianina aza manana ny communautény matanjaka tsara!!! Ny an'ny gasy lany andro amin'ny bal sy soirée fatritrany foana!! Tys misy hafa tsy io sy ny milivra no mba hain'ny gasy!!
5. Fiffi ( 30/12/2006 21:10)
ny tsy firaharahian'ny gasy ny mpiray tanindrazana aminy!! tsy nisy gasy na iray aza nanampy azy na hoe ampiantrano ilay zaza akory aza !!mampalahelo sy mampieritreritra ihany ilay izy!!
aza tonga de mitsara kosa enao ry bazylou an ! misy lalana mifehy an'io ange fa tsy hoe andeha hatao an'zao de zao eh ! misy association nikarakara an'io saingy hita zao fa tsy nisy zavatra azony natao ka aza ny olona no omena tsiny hoe tsy miraharaha sns...
Lasa any amin'ny dass sy ny assistante social miandry famille d'accueil ilay zaza izao
marina zany hoe lasa any @ dass ilay zaza eo am-piandrasana ny famille d'accueil ary eo am-piandrasana koh raha misy fianakavian'io olona io mitolon-tena mba ahazahoany mandray an'io zaza io fa raha ohatra ka tsy misy de voatery hapetraka @ io famille io le zaza...
Isika rehetra dia faly mifanozona eto fotsiny nefa tsy misy na iray aza mifampizara sy manampy ny mpiray firenena aminy!!
:roll::roll: aiza zany ? iza zany mifanozona zany ry bazylou ?
Ny an'ny gasy lany andro amin'ny bal sy soirée fatritrany foana!! Tys misy hafa tsy io sy ny milivra no mba hain'ny gasy!!
ary bazylou nga tsy mba mandeha bal mihintsy ? aza hafangaro kosa ny zavatra @ fiainana rehetra eh ! de aza variana mitsikera koh fa shhh !!!
6. caprio ( 31/12/2006 12:01)
bazylou:betsaka kosa anie ny gasy tsy mbola manana papsa ka sarotra ny miditra @ raharaha tahaka ireny e
7. kally ( 31/12/2006 12:27)
Ny ahy izao dia noheveriko fa ho mba hoe ho avy teto i Bazylou hilaza hoe mandra-piandry izay ho avy dia noraisiko aloha ilay zaza ry namana isany.
Toa mpanome lesona fotsiny i Bazylou fa ny fampiharana tsy hitako. Ianao izao no nandre voalohany an'io vaovao io, ka raha nihetsika tokoa ianao mety nisy zava-bita ihany an! sa ahoana ry bazylou?:-P
8. xxx ( 31/12/2006 12:37)
xxx:

iza koa zany fatima , tavany ve zany

ohatra nomeko fotsiny io hilazako fa tsy mbola nahare tavaratra voaroaka teto aho fa na maizina na gasy no reko matetika.

bazylou: tokony noraisinao io zaza io fa tsy eo no b morale eo hoe ny gasy izao na ny gasy izao! ianao angaha tsy gasy? sa sao dia tavaratra ianao

9. fasaly ( 31/12/2006 13:32)
:°)alefaso ty amiko zao zaza zao ry basylou! ho taizéko a!:wink:
10. andry08 ( 31/12/2006 15:10)
ny mahagaga ahy aminao ry bazilou dia ny hoe tokony noraisin'ny gasy ilay zaza. Fa angaha misoratra eny @ tapik'andrina hoe tsy misy paps ity reniny ka tokony halaina ny zanany? Efa voaroakan'ny polisy vao heno ilay resaka koa inona no azo hatao? Ary ianao aza tokony hahafantatra mihoatra ny olona hoe iza no azo hampiana na tsia fa tsy hanome tsiny ny hafa foana!
11. fasaly ( 31/12/2006 15:38)
mora ny miteny sy manome tsiny fa saritra ny mandray anjara sy mandray andraikitr:°)
12. bazylou ( 31/12/2006 17:01)
ilay izy anie ry zareo dia nokobonina tany fotsiny fa tsy navoakan'ny vazaha raha tsy efa vita ilay action e!!
Ka na dia hitolo batana aza aho hoe alaiko ilay zaza na omeko an'i fasaly dia hanaiky an'izany ve ry mena sofina??? Izaho anie ry zareo efa mba nanao ny demanden'io kanefa toe kely ihany ny chance satria efa komberaka hatrany am-boalohany ilay izy ary misy vazaha mitady zaza atsangana vrala be efa miaodiaody ao!!
Raha izay fikambanana aloha no andrasana dia mandrasa eo ianareo fa tsy ho avy mihitsy izany!!

Izaho aloha tsy handeha ary tsy mandeha amin'izany soirée sy bal gasy izany e!! tsy mamely ilay izy!!!
13. Fiffi ( 31/12/2006 17:39)
ilay izy anie ry zareo dia nokobonina tany fotsiny fa tsy navoakan'ny vazaha raha tsy efa vita ilay action e!!
ka misy lalana mifehy an'io fa tsy ho lazaina avy hatrany na avoaka eo no eo zany zavatra zany satria le vhv voatana teny @ rétention pro!
kanefa toe kely ihany ny chance satria efa komberaka hatrany am-boalohany ilay izy ary misy vazaha mitady zaza atsangana vrala be efa miaodiaody ao!!
tsy hisy chance mihintsy raha azo lazaina raha tsy hoe fianakavian'le vhv ianao ! ary tsy misy an'zany hoe andeha hatsangana zany io zaza io fa hapetraka eny @ famille d'accueil fotsiny , mety aharitra , mety ho aingana koa fa miankina @ zay fianakaviana mitonon-tena io.
Raha izay fikambanana aloha no andrasana dia mandrasa eo ianareo fa tsy ho avy mihitsy izany!!
misy de misy ny fikambanana na association saingy inona nefa no azo hatao eo anoloan'ny lalana ?
Izaho aloha tsy handeha ary tsy mandeha amin'izany soirée sy bal gasy izany e!! tsy mamely ilay izy!!!
nga bazylou tsy gasy ? Ny zavatra tsy azoko de enao mimenomenona hoe zao sy zao ....tsy nisy nanao an'zao sy zao nefa gasy....hay ianao koh nefa tsy tia sy manaratsy ny fety gasy ...aiza re zany eh ?
14. vahiny2004 ( 03/01/2007 13:00)
Fa angaha tsy azon'ny reniny angatahina aterina any aminy ny zaza ? Tsy zo-ny tanteraka ve izany satria io zaza koa anie tsy vazaha fa gasy e ?
15. bazylou ( 03/01/2007 18:00)
vahiny marina ianao ry 2004!! tsy azonao io zaza io raha tsy miverina sy miady aty ny reniny !! miaraka mainn'ny taratasy mazava ho azy!!
16. Fiffi ( 03/01/2007 18:13)
misy possibilité hiany hoa ahazahoany io zaza io raha ohatra ka misy fianakavian'le vhv mipetraka aty , en règle ny paps , miasa sns....Fa raha tsy zany aloha de marina io lazainao ry bazylou fa ho henjana ny ady ahazahoan'reniny ny zanany.....
17. vahiny2004 ( 04/01/2007 08:28)
Ka tsy afaka mangataka @ alalan'ny fanjakana gasy angaha ilay ramatoa ? Ny fanjakana izany no miresaka

Izaho aloha tsy mahay lalàna fa zavatra tokony hety izany raha ny logique -ko badobado ity
18. bazylou ( 06/01/2007 01:32)
dia iza ary no fianakams ilay renin'io zaza io hirotsaka eto !!! toa tsary misy gasy hanao izany kano!!!!
19. Fiffi ( 07/01/2007 13:29)
tsy hoe tsy misy gasy hanao an'zany ry bazyl fa ny tena fianakaviany aloha no prioritaire....fa nga raha mitonon-tena fotsiny hoe zah fianakavian'io de ahazo an'io zaza io ? tsy maintsy mbola hisy ny enkety hoe tena fianakaviany marina ve io na tsia ?
20. rurik ( 09/01/2007 08:31)
Ary hono wa mba misy fikambanana gasy ve any France any?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2022