Hoy ny gazety frantsay ...

1. lapino ( 30/12/2006 10:12)
... rehefa miresaka momba an'i Saddam hoe:
Tribonaly irakiana fa eo ambanin'ny baikon'ny amerikana.

Kanefa moa tsy izany va no nataon-dry zareo koa sy mbola iezahan-dry zareo atao ny fitondrana sy ny ekonomia amin'ny firenentsika hatramin'izay ka hatramin'izao ?
novalian'i Fiffi ny 09/01/2007 06:30
2. soanja ( 30/12/2006 11:13)
lapino:

... rehefa miresaka momba an'i Saddam hoe:
Tribonaly irakiana fa eo ambanin'ny baikon'ny amerikana.

Kanefa moa tsy izany va no nataon-dry zareo koa sy mbola iezahan-dry zareo atao ny fitondrana sy ny ekonomia amin'ny firenentsika hatramin'izay ka hatramin'izao ?


De ho katramin'izao kosa ve ry Lapino. Asa anefa.
Io ambony io aloha dia marina be fa ny izy hoe mitovy koa amin'ny an'ny GASY/FRANTSAY no mampisalasala ahy.
Tsara kokoa ny antsika ny fahitako azy.


3. lapino ( 30/12/2006 17:08)
soanja > za manahy hoe mbola hatramin'izao io

Raha tsy izany i bazylou ve hiteny fa tsy ho afa-miala amin'i Lafrantsa mandrakizay i Madagasikara ? http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m458cb788b781c#m458cdb61672d2 :wink:
4. soanja ( 30/12/2006 17:53)
lapino:

soanja > za manahy hoe mbola hatramin'izao io

Raha tsy izany i bazylou ve hiteny fa tsy ho afa-miala amin'i Lafrantsa mandrakizay i Madagasikara ? http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m458cb788b781c#m458cdb61672d2 :wink:


Voa be zany tsika ry Lapino nefa anie isika tsy nanao izay mba nataon'i Irak. Atao ahoana e. Izay ve no anjarantsika.


5. lapino ( 30/12/2006 18:02)
Anjarantsika ahoana àry ?!!

Isika ve dia hijanona ho tsy manan-tsafidy fehizay eo ?
6. soanja ( 30/12/2006 18:29)
Fanontaniana mipetraka io ka. Anjarantsika Malagasy ny manala an'io lahatra ratsy io na tsia. Ataoko iznay fa efa ela isika no nianjadian'io dia nahoan ano miafy eo. Manaiky izany isika matoa tsy manao hialana amin'io.
7. lapino ( 31/12/2006 08:44)
Dia mbola hanaiky foana ve isika ? :roll:
8. Fiffi ( 31/12/2006 09:05)
nefa ve azo hatao koa ny mandaha an'io ? de inona no vokany avy eo ?
Ary matoa ange ka mbola hohatran'zao isika de ao zany ny fanekena sa ahoana ozy nareo ?
9. soanja ( 31/12/2006 15:17)
lapino:

Dia mbola hanaiky foana ve isika ? :roll:


Ny valiny avy aty amiko de TSIA. Atao ahoana anefa ny hanombohana ny fialana amin'izany?
Eritreritrany ahy hoe ahoana ny nahatonga ny firenena Japs tafavoaka? sao misy modely tsara jerena ao? Toy izany koa izao i Inde sns maro?
Isika ve de ho ambakan'ireo raha atidoha?:wink:


10. vahiny2004 ( 03/01/2007 09:47)
Na te hanao TSIA aza ny sarababem-bahoaka, toa ny mpanao politika no mifidy an'ilay izy, ary rizareo mahazo tombony matériellement dia hadinony izay tena mahasoa ny rehetra

Tsy ambakain'ny Japoney isika fa mifanambaka an-toerana : ambakain'ny politiciens-ntsika ihany
11. Fiffi ( 03/01/2007 09:53)
ka possible ve aloha nyhanaovana an'io TSIA ?
12. soanja ( 03/01/2007 16:21)
Fiffi:

ka possible ve aloha nyhanaovana an'io TSIA ?



Valiako miaraka i Fiffi sy Vahiny an> YES possible io raha manomboka any amin'i "education" ny rehetra. Tsy vita ao anatin'ny 10 taona anefa izany fa ezaka maharitra nefa afaka miova tsikelikely , zany hoe ny toetsaina no hitondra anao hanova firenena.
Ohatra fanontaniana azo apetraka ho fanombohany education : "te hanova zavatra aho, inona no andraikitra miandry ahy raha fantatro ny zavatra tiako hovana. Vonona ve aho?"


13. dongadonga ( 03/01/2007 20:39)
tena tsy hazoko mahintsiny zany resaka zany :roll:
14. Fiffi ( 09/01/2007 06:30)
dongadonga: harao moramora ao akia an ! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0975