fa nankaiza marina ny AVI no tsy andrenesam peo ?

1. ravatorano ( 29/12/2006 05:55)
Ao amin 'ny gazety mivoaka isan'andro dia milaza sy miantso aary misy aza mikikiaka mihitsy amin ny fahanginan'Antoko AVI
Avia amizay mou e mba lazao ny hevitrareo ??? !!!
Mahazendana tokoa fa tsy nandrenesam peo mihitsy ry zareo , ny tv ravinala aza mou d ny mitatitra ny resaky ny mpitondra sy ny mpanohitra sisa no adiny fa raha ny hoe matoan dahateny amin ny vaovao ka amin ny anaran ny antoko AVI dia mbola tsy re mihitsy.Ingahy Raliarison Jean Victor izay manana fandaharana ao amin 'io tv io no hitako nanolotra ny fiarahabana ny filoha vao lany farany teo dia izay !
Silmence totale
Silence complete
Mety lasa nanao vacance avokoa ireo mpikatroka vaventy ,itsakotsako ny fahavoazana lehibe tamin iny fifidianana iny izay neverin-dry zareo fa tokony ho tafiditra faharoa izy fara faharatsiny .Tsizay nefa ny safidy niseho teo dia naelon dry zareo nangina e
:wink:
novalian'i exdadabe ny 01/01/2007 09:54
2. naritsimba ( 29/12/2006 07:03)
ravatorano> tsy fanakianana be fahatany akory fa raha mamaky ny zavatra soratan'i zoky aho dia mahita fa: tena tsy manaraka tsipelina mihitsy ny teny malagasy soratan'drazoky, mba miangavy ihany raha azo atao mba iezaho ny tsy manisy diso eo @ tsipelin-teny.
Dia mirary anao ho tratry ny taona vaovao 2007.
NARITSIMBA
3. jentilisa ( 29/12/2006 07:40)
Mba maika hanoratra kosa izy dia manjary misy diso tsipelina e!
4. lapino ( 29/12/2006 08:21)
Izay mangina volamena :wink:
tsy aleo ve izay toy izay hitabataba korontana ohatra an'ilay iraika lahy iny?
5. pissoa ( 29/12/2006 09:17)
Hitako hoe ny ataony no mety. Hadalan'izay mbola mitady azy hitabataba sy hikorontana indray :lol:
6. manantsoa ( 29/12/2006 17:43)
Henjana be anie ry zalahy izany hoe diso fanantenana izany e. Ambonin' izay dia ny teto amin' ny tanàna izay nantenaina fa ahazoana vato betsaka no tena tsy araka ny noeritreritina.
Vao nanomboka ny propagande dia lohateny mivandravandra amin' ny gazety . Antananarivo : duel entre Ra8 et Mpahay lalàna ......Vokatra : 70% contre 10 % .

Aleo koa ry zalahy aloha hangina , ary hamerimberina ireny teny sy fihetsika natao tamin' ny propagande ireny .
Aoka hazava tokoa ny resaka razoky a!
7. salopard ( 29/12/2006 17:44)
mivoatra ny politika ravatorano, sy ry pissoa

ainga 1: ny asa vita no ifampitsarana :ratsirahonana

ainga 2: nilatsaka ho fidina (ratsitakonana), dia ny vava vita no ifampitsarana , tabataba no be

ainga 3:ny vava tsy hita no ifampitsodana, ratsira-homana (mba sao raisina hiara homana indray e!)

tsy ampy dôzy aloha papa a! sniff sniff...
8. lapino ( 29/12/2006 18:05)
Mbola tsy mandeha ngah le hoe : AVI AVI ra-orana ô :?:
9. salopard ( 29/12/2006 20:43)
mandeha iny rehefa misy ny ranonorana, amin'izay
NY SASA (sasa palitao havadika) VITA NO IFAMPITSARANA @ ravalo HOY I RATSARA-HOMANA
10. exdadabe ( 01/01/2007 09:54)
:?::?::roll::roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4144