Andriamanitra Tia anao

21. Rasiligaoma ( 28/12/2006 14:53)
dia aza asiana effort ny anao fa vakivakio sy tatatatao fotsiny e..

tsy adala akory ny olona manao ilay hoe "fandalinam-pinoana".

amin'ny andavanandronao hoa io fa tsy amin'izay.

ny ahy ry prime efa noraisiko izy de ao anatiko sy iainako fa tsy tavela ao anatin'ny baiboliko an
22. xxx ( 28/12/2006 22:06)
hoy i rasiligaoma>>

ny ahy ry prime efa noraisiko izy de ao anatiko sy iainako fa tsy tavela ao anatin'ny baiboliko an


raha tsy mila mamaky baiboly ary ialahy, dia lazao kely ahy hoe eny @ rivotra sy ny bozaka aman-ahitra ve ahitako teny toy izao:

" Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra."

Raha ny hitako @ fianana manodidina ahy amin'izao fotoana indrindra ny aty ivelany dia zavatra "normal" ireo. Ny tsy manao ireo zavatra voatanisa ireo aza no toa adala sy vendrana eo amin'ny fiaraha-monina.

Tsy haiko aloha fa dia betsaka ireo mitsipaka ny Baiboly ho tenin'Andriamanitra @ izao vanin'andro hiainantsika izao ka mihevitra fa mbola handova ny fanjakan'Andrimanitra ihany na dia manao zavatara hita aza fa efa mivaona @ sitrapon'Andriamanitra.









23. xxx ( 28/12/2006 22:10)
ho anareo izay mamaky ankoatra ireo izay efa manamafy ny fony fa tsy tenin'Andrimanitra ny Baiboly, dia tsotra: aza mety ho fitahina..

"Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara" Marka 1:15
24. ikaretsaka ( 28/12/2006 22:22)
raha tsy mila mamaky baiboly ary ialahy, dia lazao kely ahy hoe eny @ rivotra sy ny bozaka aman-ahitra ve ahitako teny toy izao:

" Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra."

Raha ny hitako @ fianana manodidina ahy amin'izao fotoana indrindra ny aty ivelany dia zavatra "normal" ireo. Ny tsy manao ireo zavatra voatanisa ireo aza no toa adala sy vendrana eo amin'ny fiaraha-monina.


Ao anaty fanahiko sy meditation-ko sy fi vavako lalina ao mbola mahita teny lalina noho io rehefa ao anatiko ao koa ny fanahin'andriamanitra . ary mandrara ahy hanao ireo "tsy fahamarinana ireo"

Tsy haiko aloha fa dia betsaka ireo mitsipaka ny Baiboly ho tenin'Andriamanitra @ izao vanin'andro hiainantsika izao ka mihevitra fa mbola handova ny fanjakan'Andrimanitra ihany na dia manao zavatara hita aza fa efa mivaona @ sitrapon'Andriamanitra.
samy manaiky an'io daholo anie e..


Ilay mitsipaka aloha dia azy ny azy iny....

Fa ilay miteny hoe io baiboly io AMPIANA ny tenin'andriamanitra sy ny bitsika azonao amin'ny alalan'ny fanahy masina miteny aminao manokana isa-tsegondra amin'ny conscience nao sy manome signe manodidina anao hahatonga anao handinika ny tokony atao sy ny atao...

io koa mandova ny fanjakan'andriamanitra...minoa ahy ianao!
25. LazaDaddy ( 29/12/2006 03:05)
ikaretsaka> ahoana no ahafantarana fa tsara na ratsy ilay conscience raha tsy ny Tenin'Andriamanitra no atao fefy?

Ohatra:
Misy misionera iray migadra atsy Nepal satria voaendrikendrika. Ny conscience-nao tena mandrimandry mihitsy miteny hoe "andeha anaovako tsolotra io misionera io hamoahana azy ao am-pigadrana", satria tsy meloka izy. Kanefa ny Tenin'Andriamanitra dia mitsipaka ny fanaovana tsolotra.

fehiny: Tsy misy afa-miala amin'ny Tenin'Andriamanitra raha mbola Kristianina fa tsy "sandoka"

Prime> ohatrinona izao ny "concordance" @ teny Malagasy?
26. ikaretsaka ( 29/12/2006 04:02)
ikaretsaka> ahoana no ahafantarana fa tsara na ratsy ilay conscience raha tsy ny Tenin'Andriamanitra no atao fefy?


ny fanahy masina ao anatinao noraisinao sy ny komonio ...
=fefy mafy lavitra ... ny tenin'andriamanitra fefy ankavia de ireo fefy ankavanana!


Ohatra:
Misy misionera iray migadra atsy Nepal satria voaendrikendrika. Ny conscience-nao tena mandrimandry mihitsy miteny hoe "andeha anaovako tsolotra io misionera io hamoahana azy ao am-pigadrana", satria tsy meloka izy. Kanefa ny Tenin'Andriamanitra dia mitsipaka ny fanaovana tsolotra.


dia raha tena ny fanahy masina marina koa ve no miteny ao aminao @ conscience dia hanaiky tsolotra ianao? hmmmm?:wink:
27. prime ( 29/12/2006 07:46)
LD> ny hitako farany t@ voalohan\'ity taona ity dia teo @ 250.000 fmg na 50.000 ar. eo ho eo fa andraso aloha hanontany ao amin\'ny antso sy mampiely baiboly indray fa sao efa niova...
28. LazaDaddy ( 29/12/2006 12:46)
prime> misaotra mialoha.
29. prime ( 02/01/2007 14:02)
Tena mbola io ihany no vidiny fa efa manomboka ho lany ilay izy raha ny filazan'ireo tompon'andraikitra ka mety miandry ny nouvelle édition indray raha sanatria lany... dia mety hiova kely koa ny vidiny @ izay...
30. Fiffi ( 02/01/2007 17:42)
J'ai vu ta peine, ta souffrance, tes larmes, ton découragement, tes épreuves multiples, les injustices et les rejets dont tu as été l'objet.
Fa tsy nojerenao fotsiny aho....noho ny finoako dia nahazo hery mba hitodiana hatrany any aminao......
31. prime ( 04/01/2007 11:35)
Dia mahereza fiffi a...
32. prime ( 05/01/2007 09:28)
ikaretsaka:
ny fanahy masina ao anatinao noraisinao sy ny komonio ...
=fefy mafy lavitra ... ny tenin'andriamanitra fefy ankavia de ireo fefy ankavanana!
... mba hazavao hoe ny mahafefy ny komonio ambaranao azafady... ny fanahy masina azo raisina ihany fa mbola adihevitra hafa io satria aiza no fefy amantaranao indray fa fanahin'Andriamanitra io lazainao fanahy masina io?
ikaretsaka:
dia raha tena ny fanahy masina marina koa ve no miteny ao aminao @ conscience
... ahoana no amantaranao fa tena ilay fanahy masin'Andriamanitra no ao anatinao?
33. Rasiligaoma ( 05/01/2007 09:47)
satria raha efa nandray azy raha mino ilay lazany ao amin'ny jaona 14:16-18
jaona 14:26

nandray azy ireo nandray ny sakramenta satria ny sakramenta dia avy amin'ny fanahy masina

vody fanjaitra be io ry prime ary sarotra alalainina be (joany 14:17) mila mivoaka ivelan'ny preservatif ianao vao mahazo an'io

Fa biblika be manadala io anefa fa tandremo ! I Jesosy mihitsy no nilaza azy

34. prime ( 08/01/2007 12:54)
rasiligaoma> misaotra anao nanoro ireo Tenin\'Andriamanitra ireo... fa asa na azonao ilay fanontaniana na tsia... (ho an\'Ikaretsaka rahateo ilay izy sa iray ihany nareo?)
aho:
... mba hazavao hoe ny mahafefy ny komonio ambaranao azafady... ny fanahy masina azo raisina ihany fa mbola adihevitra hafa io satria aiza no fefy amantaranao indray fa fanahin\'Andriamanitra io lazainao fanahy masina io?
... raha apetraka amin\'ny fomba hafa dia hoe, raha mandray komonio ve ianao dia mahafehy anao tsy hanao ratsy izany? ary ny manaraka dia hoe, ahoana no amantaranao fa fanahin\'Andriamanitra no noraisinao na raisinao? fa alohan\'ny andraisanao ny Jaona 14:16 dia vakio aloha ny Jaona 14:15 manao toy izao amin\'ny anaran\'ny Jesosy : \"Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.\" Jaona 14:15... dia vakio tsara amin\'izay ilay fanontaniana...

rasiligaoma:
vody fanjaitra be io ry prime ary sarotra alalainina be (joany 14:17) mila mivoaka ivelan\'ny preservatif ianao vao mahazo an\'io
... :-D dia tsy haiko aloha izay tianao lazaina amin\'ny hoe vodifanjaitra be no sady tsy haiko raha fantatrao koa izay lazainao (mikasika ny vodifanjaitra) fa ny teny notsongainao dia Teny fitahiana tokoa saingy asa raha azonao ny fototra ijoroan\'ny mahaizao tontolo izao... fa raha azonao izany dia tsy sarotra alalinina araka ny voalazanao fa tonga dia mampiharihary avy hatrany ny asan\'ny mazava manoloana ny asan\'ny maizina... eo indrindra mantsy no mahazava-doza ny tsy fizahàna toetra izay fanahy miasa fa lazaina ho fanahy masina avokoa...
35. niryna ( 12/01/2007 16:40)
Father\'sloveletter.com jerena sy vakio ahitanao ny fitiavan\'Atra antsika .Hita ao daholo ny teny rehetra miaraka ny video sy teny maro.Mahereza aza.
Tia anao Izy: nomeny ny zanany ho mpanavotra anao
mbola nomeny tombon\'andro koa ianao
nasehony anao ny voninahiny
manitsy anao hiverina aminy
mampahatsiahy anao ny marina
manome hery anao hijoro ho zanany
Fitiavana lehibe tsy voavidy vola ny fitiavany antsika koa aza misalasala ny manantona azy ary mifona sy mangataka famelan-keloka aminy fa tsy ho fantatra izay avoaky ny ampitso.8)8)8)
Ho azy irery ihany anie ny voninahitra.Tsy misy fanaleme-tsaina ao na mitanisa ny ao anaty baiboly,izay fahasoavana no zaraina.Niryna:lol:^:^^:^
36. rrgmt ( 13/01/2007 03:13)
Hay tena mahalala fivavahana daholo ireto olona ireto fa mba ahoana ny fisehon'ny fiaiana ny finoana amin'ny andavan'andro mba zarao aminay hoe : tsy mahazo mampirafy izany ? tsy mahazo mandainga ve ....? Dia ahoana koa ?:x
37. niryna ( 13/01/2007 03:30)
rrgmt:

Hay tena mahalala fivavahana daholo ireto olona ireto fa mba ahoana ny fisehon'ny fiaiana ny finoana amin'ny andavan'andro mba zarao aminay hoe : tsy mahazo mampirafy izany ? tsy mahazo mandainga ve ....? Dia ahoana koa ?:x

Tsy misy iray milaza fa tsy mpanota izy saingy raha mahafantatra ianao fa ratsy ilay izy dia aza atao.:oops:Nomeny fahalalana daholo isika ka anjarantsika no misafidy.:!:Tsy tokony hampirafy na mitsiriritra aza dia efa tsy tokony.Ny mandainga moa dia efa fantatrao hoe :evil:

38. prime ( 15/01/2007 08:48)
rrgmt> Hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ilay Velona sy Masina manan-kery avy any Nazareta :

"Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra." Jakoba 2:10

Betsaka no endriky ny fiainana ny finoana amin'ny fiainana andavandro fa ny fahitàko azy dia tsy misy tsara afatsy ny fiainam-bavaka amin'ny fotoana rehetra, amin'ny atao rehetra, amin'ny toerana rehetra ary ny firaisana feno amin'i Kristy amin'ny alalan'ny fankatoavana ny Teniny sy ny sitrapony...
39. prime ( 22/01/2007 11:11)
rrgmt> ianao angaha te-hanao ireo tanisainao ireo?...:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1775