hembona sy hanina (dadah&charles)
1. ratonga
(
23/12/2006 12:41)
http://www.dailymotion.com/flash/flvplayer.swf?rev=1166152697&url=http%3A%2F%2Fwww.dailymotion.com%2Fget%2F8%2F320x240%2Fflv%2F443032.flv%3Fkey%3Db6b847b96ac46faf446c7db0d27e25de128d7ee%26log%3D1%26log_blog_key%3D44sa8mxhE4waS1RfG%26log_referer%3Dhttp%253A%252F%252Ffr.f278.mail.yahoo.com%252Fym%252FShowLetter%253FMsgId%253D4376_7337576_79888_1282_967_0_823_2796_1432061587%2526Idx%253D0%2526YY%253D34361%2526inc%253D25%2526order%253Ddown%2526sort%253Ddate%2526pos%253D0%2526view%253Da%2526head%253Db%2526box%253DInbox&previewURL=http%3A%2F%2Fstatic.dailymotion.com%2Fdyn%2Fpreview%2F320x240%2F443032.jpg%3F20061013121606&autoStart=0&playerURL=http%3A%2F%2Fwww.dailymotion.com%2Fvideo%2Fx9hug_mahaleo-embona-sy-hanina-dadah-char&estatEnabled=1&estatClient=players_dm&estatSection=blog
mlay ko io an!=D=D=D
mlay ko io an!=D=D=D
novalian'i cutie ny 16/01/2007 00:03
3. cutie
(
23/12/2006 20:32)
ary tsy nampoiziko le hira tiako no nandeha tao:lol::lol::lol:
merci ratonga:*
merci ratonga:*
4. ratonga
(
15/01/2007 14:13)
ity ny toniny, mlay an!:*
Embona sy hanina
embona sy hanina
tsiahy mahafanina
ngoly ny fo mamelovelo
madisadisan'alahelo
ny havoana tazanina
tsy hita hodinganina
fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
ny aina marary ny fo maratra
fa ny antsoko ny akony no mitapody
mba nihika mafy ihany aho fa tsy tody
izay jereko manjavozavo
tako-drahona sy vohitra avo
fa mahery sy masiaka ny onja
tsisy lakana mety afaka hitondra
ny maso no alefa maminany
hibanjina anao any ho any
alahelo sy toloko
raha vao injay tsaroko
fa noho ny hasoparan'ny tany
izaho aty ianao alavitra any
tsy zao iadiana ny anjara
izay angamba no heveriny ho tsara
f'izaho tsy ho kivy tsy ho ketraka
na dia mangidy mavesatra
fa ny ahy dia fitia tena marina
na anaty onaona aza ho tafarina
na alevina mety handifitr'olona
hiposaka haniry hamololona
ny hany hafatro dia ny hoe mahatokia
izaho tsy hitsahatra ny ho tia
tsy ny halavitana sy ny taona
no hahasakana ny fotsika tsy hiaona
Embona sy hanina
embona sy hanina
tsiahy mahafanina
ngoly ny fo mamelovelo
madisadisan'alahelo
ny havoana tazanina
tsy hita hodinganina
fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
ny aina marary ny fo maratra
fa ny antsoko ny akony no mitapody
mba nihika mafy ihany aho fa tsy tody
izay jereko manjavozavo
tako-drahona sy vohitra avo
fa mahery sy masiaka ny onja
tsisy lakana mety afaka hitondra
ny maso no alefa maminany
hibanjina anao any ho any
alahelo sy toloko
raha vao injay tsaroko
fa noho ny hasoparan'ny tany
izaho aty ianao alavitra any
tsy zao iadiana ny anjara
izay angamba no heveriny ho tsara
f'izaho tsy ho kivy tsy ho ketraka
na dia mangidy mavesatra
fa ny ahy dia fitia tena marina
na anaty onaona aza ho tafarina
na alevina mety handifitr'olona
hiposaka haniry hamololona
ny hany hafatro dia ny hoe mahatokia
izaho tsy hitsahatra ny ho tia
tsy ny halavitana sy ny taona
no hahasakana ny fotsika tsy hiaona
