ny olana ao mada

1. fijo ( 20/12/2006 22:17)
mahatsikaritra aho,fa isika eto,dia tsy mahay mifankahazo.ny tiako lazaina dia tsy hafaka maka ny toeran'ny iray ny andaniny.
ny anton'io moa dia noho isika tsy dia nifangaro loatra."izany hoe ny avy ao ampovoany dia variana tao foana,ary ny avy any amin'ny sisiny dia somokitra tany"raha jerena nefa ny olona "nifangaro"izany hoe efa niara nipetraka tamin'ny hafa dia tsy ahitana olana be toa ny eto.
ka ny tsaratsara ngamba dia ny mba mifampiezaka ny hifankahalala aloha vao mifanome tsiny.
tsikaritra tokoa matsy eto,fa vao misy resaka avyao ampovoany,dia mirona miaro an'iny daholo ny ao;ary raha vao resaka hoe sisiny dia manohitra daholo ny avy any.
ka izay no tiako mba hifankahalalana tsara aloha .
novalian'i madera2 ny 23/12/2006 18:11
2. Fiffi ( 20/12/2006 22:30)
tsara be le hevitr'i fijo saingy hisy hanao an'io tokoa ve ? ohatra fotsiny ry...:roll:
3. Zina ( 20/12/2006 22:32)
hummmmm:-w
4. Fiffi ( 20/12/2006 22:36)
:-w:-w
5. fijo ( 21/12/2006 05:21)
ka tsy isika namana eto ihnay no mila an'io,fa ny gasy rehetra mihintsy.zavatra niainako io,ka izay no ahafahako milaza azy eto
6. ravatorano ( 21/12/2006 05:40)
fijo< hihihihih
zay marina an
za zany reefa mandeha midina amin nydezaka ireny injinja fa any amin ny sisiny dia tsy mbola nahatsiaro tena hoe avy aty ampovoany mihitsy satria tsapako aza fa ireo izay manana fahaizana nandrato fianarana no manafangaro loatra ilay fidsamihafana ao anatin ny maha tokana an i gasikara ary izay izy io ka ny olona any ambanivola na any ambala any tsy d andairan ilay fotokevitra hoe toihanana rehefa avy aty amitsika na hironana kokoa ...
:wink:
7. fijo ( 21/12/2006 05:48)
ie,ny any ambany vohitra be tsy ahitana io olana io.tany ambato boeny sy madirovalo sy kandreo ireny ohatra tsy ahitana izany.fa le miakatra fivondronana efa be nianatra izay,tena tsy hay izay asiana ny tena.tao mahajanga izao ny tenako dia sady tsy merina no tsy tanindrana.ny merina avy ao tana tsy de tia nifandray taminay,ny tsimihety tao antanan koa tsy nanaiky hiaraka taminay.
8. tezitra ( 22/12/2006 17:24)
ny anao aza mbola izany ra fijo, fa ny akamakeliko dia miteny hoe : tsy omeko intsony ela raha mbola tsy tia andra8, de tsy nahazo aho depuis 2001
9. fijo ( 22/12/2006 22:25)
ela kosa izany adala ko,de mbola miaritra ao ve letsy.tsy efa virja koa ialahy izany izao???avy aty amin'ny club e:-D
10. fijo ( 22/12/2006 22:31)
za letsy ry tezitra efa niharan'io resaka fiaviana io an,
toa izao no nahazo ahy.
za dia merina;tsy safidy io.
lehibe tany mahajanga aho.afaka bac aho no niala tany.(izany hoe efa mba nianatra 3 taona tao andohalo ihany)fa nody mahajanga avy eo.
ny hafaka bac aho,dia mba te hianatra taty andafy ary nangataka vatsim pianarana.(mbola nisy ny CSR tamin'izany)
teo ny olana.
nanantona ny CSR avy any mahajanga aho,di atsotra ny valiny :"tsy aty enao no tokony mandeha fa any amin'ny razakaboana,satria izy no mikarakara ny ankizy merina.??????
tany amindrazakaboana aho:"tsy aty ise no tokony handeha ,fa efa misy misahana anareo avy any mahajnga ato."
:zaho anie wa avy any aminy no nalefany taty aminao e;
de nanizingizina ingahy razakaboana,fa tsy isan'ny avy ao tana aho,moa ilay iray tsy manaiky ahy ho avy any mahajanga.dia teo no nijanona le resaka.
11. pakopako ( 22/12/2006 22:57)
gidraka io ra fijo a! za koa mba voan'io sady tsy ary no tsy atsy
Tsara io hevitrao io raha ekeny hafa,fa ny olana koa d na ny toe-tsaintsika eto @ serasera aza d ampy handrefesana ny toetsain'ny gasy anefa mba olo mahalala daholo ny eto .
12. fijo ( 23/12/2006 05:32)
izay mihintsy no nandefasako azyteto.satria mitarazoka io totsaina io atramin'izao.
13. madera2 ( 23/12/2006 18:11)
efa tantara hatramin' ny ela io , ka mbola maro ny sasany mbola mitazona izany , na dia any afovoany aza dia tena tsy manisy sira ny avy @ sisiny koa nefa zany efa nilaozan' ny toetr' andro ny tena mampalahelo dia ny olona tena milaza fa mino andriamanitra sasantsasany tsy matahotra izany fanavakavahana izany , ka tokony hahitsy izy ireny fa mampiady ny malagasy na dia tsy ady hita mivaingana fa miady am_po , entano ny namana fa tokony mifankatia ny eto mada , ary ny avy any ambanivolo dia tokony omena vatsimpianarana mankany ivelany koa fa toa ho an' izay mahitahita foana ny boursse , ary ny tambanivolo tsy mahalala firy olona ambonimbony ao @ zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2111