Aorian'ny 23 decembre

1. ronaldo09 ( 20/12/2006 09:28)
Dia raikitra moa izany fa havoaka @fomba ofisialy amin'io daty eo ambony io ny voka-pifidianana,ary hitodika eny Ambohidahy (HCC) ny mason'ny Malagasy rehetra !
Mpanohitra ny tenako nefa demokraty ary manaiky zay mivoaka eo marina fa hoe azo iadian-kevitra ny zava-nisy ary tsy mazava!
Fantatra koa fa tsy maintsy ilery no ho lany eo stria efa vita talohan'ny fifidianana ny valim-pifidianana .
Inona nefa no hitranga aorian'ny 23 dec izao?
Amiko aloha hizotra am-pilaminana ny fianana zany hoe tsy hisy ny gidraka !Tsara aloha izay !
Fa ny tiako ho lazaina dia ity :Ny ho endrikin'ny Governemanta? Ho hita ao avokoa ve ny antoko rehetra zany hoe TIM mazava ho azy,LEADER Fanilo ,RPSD,TAMBATRA sy ny avy amin'ny pro Lahiniriko sa ny ao amin'ny TIM irery ihany no hibodo toerana ao!
Ary ny praiminisitra dia mbola ho le teo aloha ihany ve sa mba misy gasy mahavita mitazona io toerana io ,ary manina moa raha atao toy ny any France t@ fotoanan-dry Mitterand izay nannendry an'i Chirac Mpanohitra t@ izay fotoana izay ary i Chirac nanendry an'i Jospin mpifanandrina aminy.
Dia hoy aho hoe tendreo i Rolland Ratsiraka ho PM na i Herizo na i Lahiniriko raha mafy e!Dia ho hita eo hoe demokraty ny TIM.

2. kitjo ( 20/12/2006 11:00)
ko raha tsy ity izy ty tendritendrena fts oh zany ko!

zay mahavita azy ihany io na TIM na inona, na samy TIM aza betsaka ny miady seza fa tsy mahazo satria tsy mahavita!

Dia maninona izao no hoe ny an'i Frantsa no alain-tahaka? odoyeeee.....

fa ngah Sylla tsy gasy?

Pronostic amiko dia ny Ministry ny Finance Benjamina io no mety ho ataondry zareo eo...

Fahitako azy io fa raha ny tiako dia aleo SYlla ihany!
3. jefra ( 20/12/2006 11:22)
Nanendry an'i Chirac i Mitterand satria resy tam legislatif (Ny RPR no nahazo majoritE).
Nanendry an'i Jospin i Chirac satria ny PS indray no nahazo majoritE.

Raha mandresy am legislatif ny iray am antoko resahinao, dia tsy hanana safidy izay filoha eo fa TSY MAINTSY manendry ny olona atolotr'izay be an'isa eo.

Fa mety hisy handresy ny TIM ve hoy nareo... Azo atao ny manonofy na mangataka am "Pety" papa noel!
4. hery ( 20/12/2006 12:38)
Ny zavatra tokony hataon'ny mpanohitra amin'izao fotoana izao dia mandresy lahatra ny malagasy hahazoany toerana maro ao amin'ny Antenimiera sy ny Loholona. Raha manana deputé betsaka noho ny TIM sy ny mouvance présidentielle dia mety hivadika ny tantara.

Tsy misy fomba hahafahana manala an-dRavalo afatsy amin'ny resaka politika ihany. Tsy vita izany tamin'ny fifidianana teo satria SAMY TE HO LOHANY... dia lesona iny ho an'ny fifidianana depiote.

5. zakilinina ( 20/12/2006 13:50)
Marina ny an'i Hery.
Antenimieram-bahoaka sy Antenimieran-doholona angamba no tiany lazaina eto. Ity faharoa dia mety ho foanana fa mandany vola hono.
Marina tokoa fa izay mitambatra vato. Toy ny fasika anefa ny mpanohitra tamin'ny fifidianana filoham-pirenena. Nisy mihitsy aza ny nahazo 0%. Tantara izany !
6. fijo ( 20/12/2006 21:35)
tsy misy logika demokratika izany ronaldo an;
regime inona no tian'i ronaldo resahina eto?????raha parlementera toa ny aty izy,dia izay mahazo toerana betsaka ao amin'ny solombavam bahoaka no mitondra ny governementa.ka raha te hitondra ny mpanohitra dia izay ahazoana toerana betsaka ao no tokony himasoana izao,fa tsy ady.
tsy mitombina mihintsy izany hoe hanendry olona tsy mankasitraka ny politikanao izany .
7. madera2 ( 21/12/2006 17:32)
zay zany ka miandry fampandrosoana haingana avy @ r8 isika satria lany izy @ io daty 23/12/06 io ka handroso ny malagasy ka ho samy hahazo 4l daholo ny retraretra
8. fijo ( 21/12/2006 22:46)
ny zavatra tokony hoataon'ny mpanohitra wa izao dia mivory ary manendry mpitarika tokana.dia io no tohanana amin'ny fomba aradalana,ary mihezaka manao asa koa hotsapan'ny vahoaka,fa tsy eo aza efa mahavita,maika fa tonga eo.
9. BloodTitan ( 23/12/2006 13:57)
Oka zay le resabe eeeeeeeeeeeeee!!! fety ndray zao atrehina!!! Fetin i ra Zezo !!!

Jereo eto
Jereo eto
Jereo eto
Jereo eto
Jereo eto
Jereo eto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.067