Vokatra ny voankazo isan-karazany izao nefa........

21. simplex ( 20/12/2006 12:13)

ka izay le hoe mila fanabeazana, ovay ny toetsaina. Henoy tsara le tenin'i soanja hoe misy fanombohany ny zava-drehetra. ra i Achia zao no tsy manary fako eraky ny tanety sy mipipi eny @ gazon eny Ambohijatovo, d efa fanombohana izay sady modely hoan'ze olona mitady hanao fitondra-tena mandoto ny tanana.
Izay no mahatsara kokoa ny mihinana hena, fa na ny taolana aza mbola azo fihana. Tsisy very na ny kely aza.
22. soanja ( 20/12/2006 20:28)
Hoy i Simpy hoe: "Izay no mahatsara kokoa ny mihinana hena, fa na ny taolana aza mbola azo fihana. Tsisy very na ny kely aza."

zany ka resaka ambony latabatra. Te ho tapa-nify eo, zay ve hoe maty aho dokoteram-bavako!
Tsy misy tsara toy ilay tsisy taolana kambony. :D:D:D betsaka no lasa rivotra ary izay ambiny zezika tsara ho an'izay ampaniriana indray. :-*:-*:-*:-*
23. soanja ( 21/12/2006 00:06)
simplex:

zay aloha marina fa saingy hoe mandrapaha lasa fiarahamonina modely antsika d aleo atao izay hahamora ny tsy hanarian'ny ol fako etsy sy eroa e. Satria tsy maintsy misy maningana foana eo ary any @ tany mafiloha no betsaka, d ny maningana ndray no normal fa tsy le manao ny tokony ho izy. D aleo zarina otran'ny zana-tsaka vao mianatra manao maloto, atao eo akaikiny fasika izy d tsy mamely eran'ny trano :°)



=D=D=D

Ary atao ahoana ireny plastika ireny? Misy fika hitadiavana hevitra anireny ve any Mada?



24. simplex ( 21/12/2006 11:11)

ka ilay tsisy taolana anie anarany fotsiny fa ny atsasany tsin fako doly e :-P:°):-*

soanja:
Ary atao ahoana ireny plastika ireny? Misy fika hitadiavana hevitra anireny ve any Mada?


* Any @ tany mandroso aloha asiana tax manokana hoan'ny plastika (sachet sy ny tavoangy), noho izay d tsy maintsy vidiana doly ny plastika. Iny izany somary mampihena ny fividianana sachet be loatra. Misy effet ihany io @ ankapobeny fa @ mpivarotra sasany anefa dia nataony inclus ao anatin'ny vidin'ny entana ny vidin'ny sachet d lasa omena fotsiny avy eo ka tsy dia hitan'ny mpanjifa loatra ilay izy. Somary indirect indray eo ny effet-ny satria mazava hoazy fa somary avo kokoa izany ny vidin'ny entana ao @ io mpivarotra io ohatra, d lasa mihena ny mpividy...

* Na izany na tsy izany, ilaina ihany ny plasitika ary ny tax tsy hahafoana ny fampiasana azy akory. @ fomba moderna moa dia tsy dia atao compost (tsy haiko fa eritreretiko fotsiny) loatra fa somary ela io vao tena lasa zezika tanteraka. Ny fako anefa aman-tonina isan'andro, moa koa eo ilay hoe ny plastika tsy ho lasa zezika compost izany. Ny fomba tsotra sady mahomby aloha dia ny fandorana azy ireny dia ilay lavenona iny no lasa zezika, refa avo tsara ny temperature na ny plastika aza levona.

Ny tena olana izany dia ny mba tokony ho conscient ny olona hoe tokony ariana any @ lava-pako ny fako fa tsy eny @ arabe sy tatatra akory. D refa avy ny orana d miakatra ny rano satria feno fako sy plastika ny lalan-drano. D eo @ zay fa voan'ny tazo sy marary kibo ny betsaka.

Tena mila ezaka mafy izany ilay fanasiana fanariam-pako matetiteka eny @ toerana poblika. Any @ tany mandroso koa efa manana ny fasiany fako avy ny isan-tokatrano, d rehefa @ maraina avoaka eo antoko-tany ilay boite d iny fotsiny no alain'ny camion, ny fako ao anatiny fa tsy ilay boite akory. Tsy haiko mety ho sarotra kokoa aloha ny manao an'izay any amitsika, asa anefa... tsara jerena ihany koa ny toy izany.
25. lapino ( 21/12/2006 12:42)
Ny fakon'ny gasy amin'ny ankapobeny mbola fako biolojika daholo, raha tsy izany mineraly (vovoka, lavenona, ...). Fa mbola vitsy ny fako plastika, fa mbola tsy aman-taonina ohatra ny amin'ny tany mandroso. Asa raha misy afaka manome ny taharon'ny fako eny amin'ny bennes à ordures ireny ho porofo ara-marika.

Ny tokony ho priorité izany dia ny fomba hanadiovana an'ireo fako organika ireo. Mety ho filière ekonomika iray mihitsy anefa io, mila etude manokana koa. Raha misy projet privé momba an'io, mino aho fa hotohanan'ny fanjakana. Sady mety hahatonga saina ny olona kokoa raha sandaina vola ny fanadiovana an !
26. soanja ( 21/12/2006 17:29)
MIsaotra an'i Simplex nanao amin'ny andinindininy ny fanazvana mombany tsarahikarkarana ny plastika.

Ilay fanabeazana manomboka any an-trano no azo atomboka tsara dia hita raha manaraka koa ny fanjakana hanome ireny fanariam-pako amin'ny karazany ireny: Recycled papers sy baoritra, recycled plastika, ary ny fako biodegradable. Ny fako misy hena dia tsy tsara raha atambatra amin'ny fako tsy misy hena na avy amin'ny zavamaniry. Indrindra raha compost satria ny menak'omby na kisoa na biby hafa dia tsy mampanjary ilay compost.

De milamitady hevitra indray izany ny manandoha mierietraritra ny tontolo iainana hoe inona no atao hakana tombony amin'ilay fako plastika.
Aty aminay moa izany dia toa miezka mamadika azy ho zavatra hafa ry zareo: pneu ve izy iny sa inona fa zavatra ilaina andavanandro ihany. Saingy lafo be le cout hanaovana izany dia mila famatsiana avy amin'ny fanjakana izany. Zany hoe miditra perte izany ny fanjakana saingy madio ny tontolo iainana.
Aloe anontaniako any tokoa hoe ahoana ny fika sao mba misy mazoto hamatsy ihany mpanambola ao Dago sy ireo izay mandala ny TI.
F ana izany na tsy izany dia ny fanombohana ny tsy fanariana le fako eran'io dia vitan'ny retretra.
27. soanja ( 22/12/2006 08:52)
lapino:

Ny fakon'ny gasy amin'ny ankapobeny mbola fako biolojika daholo, raha tsy izany mineraly (vovoka, lavenona, ...). Fa mbola vitsy ny fako plastika, fa mbola tsy aman-taonina ohatra ny amin'ny tany mandroso. Asa raha misy afaka manome ny taharon'ny fako eny amin'ny bennes à ordures ireny ho porofo ara-marika.

Ny tokony ho priorité izany dia ny fomba hanadiovana an'ireo fako organika ireo. Mety ho filière ekonomika iray mihitsy anefa io, mila etude manokana koa. Raha misy projet privé momba an'io, mino aho fa hotohanan'ny fanjakana. Sady mety hahatonga saina ny olona kokoa raha sandaina vola ny fanadiovana an !


Ekena Lapino a.


28. ikaretsaka ( 23/12/2006 02:31)
soanja sy lapino> efa manomboka ny fako plastika ka
ef amanombokafeno sachets ny tanana
jereo analakely vao maraina @ 6 iny fa harona sachets fotsiny
29. soanja ( 23/12/2006 15:56)
ikaretsaka:

soanja sy lapino> efa manomboka ny fako plastika ka
ef amanombokafeno sachets ny tanana
jereo analakely vao maraina @ 6 iny fa harona sachets fotsiny


Isika tokoa aloha de ho tototra an'io tsy ho ela fa dieny izao no tokony hitadiavana solution. Ny fanjakana mihitsy no tokony handray andraikitra hanome funds izay olona vonona hikaroka ny solution dieny izao ary ny hanantaterahana azy.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2233