ody tava,tsy mandaitra ny odi-panda,hanalana ny tasy

1. niryna ( 17/12/2006 23:22)
Mety mahalala fanafody fanadiovana tarehy ve ianareo.Efa nandramana daholo izao rehetra izao fa sady tsy mitombo no tsy mihena,na ny odi-panda aza tsy nampihotsina azy,lany vola rakalakely mitety dokotera fa dia tsy misy vokany.Vokatry ny masoandro hono kanefa ny sasany milaza fa vokatry ny aty na ny vavony.Tsy dia mainty toy ny olona voan'ny panda ireny ilay izy fa maloto ny tavany.Misy gasy mijery azy dia hoe mbola aiza izany voan'ny panda.
novalian'i rvm ny 04/11/2014 23:30
2. soanja ( 18/12/2006 01:16)
Masonjoany aky handramana fa mampadio tarehy be mihitsy saingy elabe vao mandaitra. Zany hoe isaky ny hatory isanandro dia manao azy , adiny roa eo de sasana. Betsaka ny namako manao an'io any Dago fa malefaka tsara ny tarehy sady madio be.
3. loula ( 18/12/2006 12:05)
Manaova gommage ary masque argile verte e! dia misotroa ranobe foana, fa hadio io. Mba andramo kely e!
4. xxx ( 20/12/2006 11:58)
ka hono hoa .za zao vo avy niteraka efa ho 1ans ny zanako izao ,ary voany panda ny tarehako ,sao mba mahalala ny fanafodiny ianareo.ra-masonjoany aloha za mampiasa azy io hatramin'izay nahakely ahy ,pandalo koa ,mba vonjeo re fa tena mahamenatra be lay izy,teneniny doko fa hoe tasy de grosesse kanefa panda no falalako azy ,any amerika zany hono misy fanafody manala azy ,asa ianareo ze any raha mba mahalala azy io (soanja oh) de manatena valiny mahafampo e
5. soanja ( 20/12/2006 20:14)
xxx:

ka hono hoa .za zao vo avy niteraka efa ho 1ans ny zanako izao ,ary voany panda ny tarehako ,sao mba mahalala ny fanafodiny ianareo.ra-masonjoany aloha za mampiasa azy io hatramin'izay nahakely ahy ,pandalo koa ,mba vonjeo re fa tena mahamenatra be lay izy,teneniny doko fa hoe tasy de grosesse kanefa panda no falalako azy ,any amerika zany hono misy fanafody manala azy ,asa ianareo ze any raha mba mahalala azy io (soanja oh) de manatena valiny mahafampo e


Raha tsy mandefa sarin'ilay zavatra misy eo amin'ny tarehinao aho dia tsy misy azoko anampiana anao satria izay ihany no azoko atao hoe mitondra le sary amin'ny mpikarkara tarehy dia izy hilaza amiko hoe inona ilay fanafody. Alefaso ao amin'ny mail ny sary mazava dia jereko le izy raha afaka manampy aho na tsia. Afaka mitondra anle izy any aho e. Ny hividy aza angamba mety tsy hahavidy aho fa azo jerena ao amin'ny Internet raha afaka mividy online ianao. Matetika aloha de lafo be ny fanafody tarehy aty an.



6. Zina ( 21/12/2006 21:14)
botox angamba izany kle, sady manatanora tarehy no manala ny point noir rehetra hihihih
7. niryna ( 24/12/2006 05:24)
Tsy mandaitra daholo ny fanafody fa efa nanandrana aho, ny vola foana no lany ary betsaka dokotera mpisandoka.Io mampiasa gommage io ilana tarehy fotsiny $175 no nalainy avy eo mbola manao ny ilany koa, omeny fanafody ho vidiana ny tena hay ilay izy tsy mila prescription akory dia afaka mividy.Misotro rano 8 kopy isan\'andro aho fa hoy ilay dokotera iray hoe mbola kely mihitsy isika dia tokony nanao fiarovana masoandro, ary misy marary hono any anaty( vavony io) ka io no mila tsaboina,
8. xxx ( 27/12/2006 09:56)
Toa izay tokoa ilay izy, taratry ny ao anaty ny tarehy , ka sao mety misy tsy en forme ianao : vavony na aty ohatra . Misy namako izay izao ny azy nanana pbm fibrome izy dia feno tasy be ny tarehiny, dia rehefa notsaboina ilay fibrome dia niha afaka tsikelikely ilay tasy

Izany hoe mety manampy manafaingana ny fahadiovan'ny tarehy angamba ny fampiasana produit hafa , fa tsara kokoa raha jerena koa ny ao anaty
9. rvm ( 04/11/2014 23:30)
Misy manala panda @tarehy ve ?efa nampiasa fanafody sy misotro rano nefa tsy mety afaka !inona no mety atao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0843