???

1. kelly13 ( 17/12/2006 13:59)
tsy haiko aiza no tokony handefasako an'ity fa d ato alou an!!

hono oa ry zareo inn ny végétarien d inn ny végétalien?
novalian'i soanja ny 18/12/2006 14:31
2. soanja ( 17/12/2006 14:43)
Tsy arako le vegetalien io fa ny vegetarian dia ny fihinanana sakafo nalaina tamin'ny zavamaniry nefa sady mihinana atody sy ronono ihany satrai io no arapahasalamana.
Ny Vegan indray de fandraisana andraikitra mba hiarovana amin'ny tsy rariny ataontsika olombelona amin'ny biby. Ka ny zavatra atao voalohany dia ny fanamborana ny sakafo ho hanina mba tsy hisy ifandraisana amin'ny fampijaly an'ireny. Zany hoe fiarovana ny biby no antony voalohany ary ny asa atao manoloana an'izany. Ny vegan dia tsy mihinana rehefa hoe zavatra manan'aina mihitsy na zavatra avy aminy.
3. diamondra27 ( 17/12/2006 14:54)
ny végetalien dia tsy mihinana trondro sy hena
4. diamondra27 ( 17/12/2006 15:00)
REGIME VEGETALIEN

C'est le régime végétarien poussé à l'extrème. Il interdit les oeufs, les produits laitiers et le miel. Les protéines sont fournies par les légumineuses, les fruits oléagineux, les céréales et les graines. L'hypertension, la polyarthrite rhumatoide et l'asthme sont améliorés par le végétalisme mais il peut donner des carences graves en protéines et acides aminés en vitamine B12 , en fer et en calcium. Les protéines contenues dans les végétaux sont en effet incomplètes, il faut associer céréales et légumineuses pour qu'elles soient complètes et que les acides aminés essentiels soient réunis. Ce régime peut être dangereux et doit être suivi avec beaucoup de précautions. Il est interdit pour les enfants en bas âge, les adolescents et les femmes enceintes.

http://www.naturamedic.com/regimes.htm
5. soanja ( 17/12/2006 15:45)
Mety mitovy ihany zany ny Vegan sy ny Vegetalien saingy nytsy hitako voalaza ao dia ny fomba fisainana nahatonga azy ho toy izany na mety resaka fahasalamana fotsiny koa.
Ny vegan mantsy dia base mihitsy amin'ny fotom-pisainana hoe arovy ny biby ary raha mbola azo atao dia hovana mihitsy ny fomba fiaina n'olombelona iray hialana amin'ny fampijaliana ny bib, izay matetika miteraka tsy fahasalamana ho antsika olomeblona raha ohanina izany biby izany.
6. ikaretsaka ( 17/12/2006 16:43)
ny vegetarien mihinana trondro sy hena sy zavatra vita @ ronono
ny vegetalieen dia vegetaly fotsiny

Ny ahy tsy hoe ny hiaro ny biby no tsy hihinanako azy.. fa ny tsy fitiavako azy
7. Zina ( 17/12/2006 17:15)
vegan teny anglisy ny vegetalien
8. kelly13 ( 17/12/2006 20:40)
soanja>inn no nahatonga anao ho vegetarianina kay? azonao lazaina v? d ankoatra ny légumes isankarazany sy ny ronono sy atody d inn no hohaninao?

ikaretsaka>misy antony manokana v no tsy nitiavanao hena? na trondro zany d tsy hohaninao v?

tsy lasa malemilemy v ry reto zany tsy mihinana hena izany? :)
9. soanja ( 17/12/2006 21:07)
kelly13:

soanja>inn no nahatonga anao ho vegetarianina kay? azonao lazaina v? d ankoatra ny légumes isankarazany sy ny ronono sy atody d inn no hohaninao?

ikaretsaka>misy antony manokana v no tsy nitiavanao hena? na trondro zany d tsy hohaninao v?

tsy lasa malemilemy v ry reto zany tsy mihinana hena izany? :)


Kelly 13> Resaka bitro no niantombohany. Tamzah nipetraka tany ambanivohitra be ao amin'ny www.blaogy.com by Soanja dia niompy bitro be dia be. De iny no zaraiko amin'ny tantsaha tsy ampy hena na protein ny sakafony. Dia ry zareo koa mampitombo an'iny eo. De mivarotra. Toy izany koa ny akoho.
Indray mandeha izay nisy batemy taminizay tanana 8 km miala teo de zah renin'izay zaza izay tamin'i batemy. Tsy nanana sakafo anefa ny RAD n'ilay zaza hamahanan ny vahiny dia nangataka tamiko ry zareo raha vonona hanome bitro sy akoho ve aho. Dia ok hoiy aho fa ireo alaivo eo daholo izay tadiavinareo.
Nony vita ny anefa ny lamesa ka mbola sahirana niresadresaka tamin'ny mopera teo zah de maheno kapoka mafy be sady mitabataba avy any ambadika any. Mbola mitazona an'ilay zaza aho amin'io eny antanako. Nanarangarana aho mijery hoe inona no mitabataba eto zany. kay le akoho novonoina tsy matsy tsara dia efa misy ho 3 miodikondina eraky ny tanana nenjehina sady tapa-doha dia mitabtaba noho io ny ankizy sady faly manjenika. Nangataka azafady kely teo amin'i mopera zah de saika hiteny ny ankizy hoe sambory haingana fa aza lalaovina tahak'io. Kay ny ankizy sasany tao ambadika mikapoka ny lohan'ny bitro rehetra tsy misy antra mihisty. saika tapaka ny lalandrako moa le zaza teny antanako saika nenjera fa maika handrara ny ankizy hanao izany aho. Dia niteny ny olondehibe hoe izao mihitsy ny fanaovana azy fa aza manahy. zah tamin'io mbola tsy nihinana bitro teo an-tanana fa efa nihinana pate na bitro teny ambony sambo de matsiro be.
Niala teo haingana fa tsy zakako ilay famonoana tsy misy antra. Tsy nahinan-kanina aho tamnin'izay fa dia vary de voky.
Nony afaka iray volana koa dia maty ilay zaza zanako tamin'i Batemy. De nifangaro teo ny alaheloko fa zavatra tsy nisy dikany ny nahafaty azy. Hadinon-dry zareo ny nanala ny bodifotsy teo amin'ny tarehiny tamin'ny natory de sempotra tao. Kivy be zah satria afangaroko ny zava-drehetra.
Nanapakevitra aho fa ahenako ny fihinanako biby satria cruel loatra le anaovantsika olombelona azy. Nony tonga taty moa zah dia nanao visit ireny famonoana omby sy vorintsiloza ireny (Tao Nebraska) ary ny fiompiana azy dia vao maika tapakevitra ampy izay. Na ny mahantra tsy mahalala izay sivilizasion ny fandrosoana any ambanivohitra be na ny manakarena efa mivoatra be dia samy tsy manaja izany aina izany daholo.
Ramirebaka ihany no ahy. Hoy aho anakampo. nefa anie de mandoa koa aho raha io no sakafoko lava,
Ny tena sakafoko dia voamaina matetika ary manana isan-karazany aty. Tsy lany mihitsy. Mihinana vary mena matetika aho ka io laniko tsy misy laoka. Misotro ronono soja ary solona hena ny Tofu vita amin'ny soja ihany. Salama tsara ho sady milamina tsara lavitra ny famonoana isan-karazany. Misaotra.


10. kelly13 ( 18/12/2006 10:53)
soanja>za kou tsy tia mahita biby vonoina izany alou e! io no mbola mampagaga ahy @ ireto oul tia "féria" sy "torero" ireto! reportage momba ny biby mifamono aza mou tsy tiako kou :) ms n'empeche za mihinana hena alou, pas bcp ms mihinana za, tsy eritreretiko hoe ahona ny namonoana ity biby ity! misy ny milaza hoe lalanan'ny natiora hono io (ny olona mamono biby hohanina na ny biby sy ny biby mifamono). fa mafy izany tatara nahazo anao izany alou e! mi comprendre aho raha tsy t hinana biby intsony ianao! :)
11. soanja ( 18/12/2006 14:31)
Fa zah indray kosa ry Kelly dia mihinana ihany biby rehefa izaho mihitsy ny mandray antanana ny fikarakarana (famonoana) azy. Misy purpose na antony tokoa mantsy ny nanamboaran'Andriamanitra an'ireny saingy ny fomba hikirakirantsika olombelona azy no tsy ekeko. Any Dago ohatra dia tiako ny mihinana akoho raha izaho no mamano azy ( Ny akoho malalaka tsara ny toerana hiompina azy satria afaka mirenireny eran'io toa antsika olombelona ihany) Vetivetika sady milamina ary arahi-mbavaka ho fisaoarana an'Andriamanitra. Aty ohatra ny trondro sns dia vitako tsara ny mikarkara an'ireny ary ampitivana.
Fa ny omby sy ny kisoa aloha de tsy vitako e. Miala tsiny fa goavana loatra dia aleoko tsy mihinana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1842