Fa maninona kay ry neny no.....

1. niryna ( 17/12/2006 12:58)
Fahiny dia voafehifehy daholo ny zavatra rehetra ary ny rar dia tsy mba mampianatra na manoro zavatra firy ny zanany.Tsy ampy ny fahalalany angamba na misy tahotra ao.Ahoana no hevitra, moa ve tsara atoro ny marina ny ankizy raha manontany zavatra? Efa notenina izy dia ny mbola kely hoe rehefa misy fanontaniana dia aza menatra ny manontany.Tsy aleon'ny tena ve izy manantona toy izay any ivelany no maka hevitra.Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy fantany ihany ny marina.Mitovy hevitra amiko ve ianao sa mahita hevitra hafa
novalian'i soanja ny 23/12/2006 16:41
2. Fiffi ( 17/12/2006 13:08)
niryna:
Fahiny dia voafehifehy daholo ny zavatra rehetra ary ny rar dia tsy mba mampianatra na manoro zavatra firy ny zanany.Tsy ampy ny fahalalany angamba na misy tahotra ao.
Tsy ampy fahalalana ? misy tahotra ? fa tahotra @ inona ?
Io kosa aloha de miankina @ RAD tsirairay an ! Misy ny RAD , indrindra fa ny reny tena nanoro ny zanany ! heu.....Miankina @ le éducation'ny ankizy koh io an !
Indrindra fa raha hoe manan-janaka vavy de ny reny tena manao complicité @ zanany mihintsy ka manoro azy ny lalam-piainana..........


3. ikaretsaka ( 17/12/2006 13:45)
arakarak'ilay ray amandreny io.. ny ahnay aloha nanoro tsara sy nananatra rehefa nanontaniana hoe fa maninona kay neny na fa maninona kay dada no...
4. Fiffi ( 17/12/2006 17:37)
ikaretsaka: zay manko no nahagaga ahy an !
5. soanja ( 17/12/2006 17:41)
niryna:

Fahiny dia voafehifehy daholo ny zavatra rehetra ary ny rar dia tsy mba mampianatra na manoro zavatra firy ny zanany.Tsy ampy ny fahalalany angamba na misy tahotra ao.Ahoana no hevitra, moa ve tsara atoro ny marina ny ankizy raha manontany zavatra? Efa notenina izy dia ny mbola kely hoe rehefa misy fanontaniana dia aza menatra ny manontany.Tsy aleon'ny tena ve izy manantona toy izay any ivelany no maka hevitra.Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy fantany ihany ny marina.Mitovy hevitra amiko ve ianao sa mahita hevitra hafa


Ie mitovy hevitra aminao aho en general raha momba izany . kanefa kosa misy ny atao Developmental milestones ny zaza iray. Miala tsiny fa tsy haiko ny mandika an'io fa raha tsotsorina dia misy stades na fahafahana ny atidohan'ny zaza iray afaka mandray information omenao sy mi-capter azy tsara ary miankina amin'ny taonany io. Izay no antony anasian'ny kilalaon'ireny zaza ireny hoe izao taona, teen sns na ny films hoe rated PG na PG 13 na Family sns. Satria raha tsy izany koa mantsy dia mety hanimba ilay zaza ny fahalalana omenao azy.
fa raha fanontaniana general ohatra hoe inona ity ry dada sady manondro ny filahin'ilay dadany izy dia lazao azy hoe io no filahiana ohatra. Tsy arahina fihomehezana ary tsy arahina hoe fa maninona no antonanianao sns satria lasa mametra-panontaniana indray izy hoe nahoana no misy fanontaniana tafaran'ny fanontaniako.




6. niryna ( 17/12/2006 19:56)
Izay anie no mahatonga ahy hiteny anio e.Ny toetsain-tsika gasy anie ka mbola manahirana e.Ny ankizy tsy sahy manontany, ny lehibe sasany koa manao vali-boraingina fotsiny
7. ikaretsaka ( 17/12/2006 20:30)
izay ilay tsy mety..
fa rehefa mamaly ilay zaza dia famaliana mifandraika @ ilay taonanay sy ny fahazoany azy no atao fa tsy atao boraingina..

vokatr'izay ... tsy sahy manontany ny ankizy dia tsy tia karokaroka, tsy creatif, tsy misy culture, fa dia lasa izay atolotra azy ihany no jereny de mifefy @ izay fa tsy mivelatra mihitsy
8. Fiffi ( 18/12/2006 16:39)
niryna:
Izay anie no mahatonga ahy hiteny anio e.Ny toetsain-tsika gasy anie ka mbola manahirana e.Ny ankizy tsy sahy manontany, ny lehibe sasany koa manao vali-boraingina fotsiny
zah aloha tsy dakoro @ io an ! efa taloha be zany !
Taloha de sady tsy sahy manontany ny ankizy no ny RAD koh tsy de miteny loatra .......(zah aloha de sady be fanontaniana no ...)
Fa @ zao fotoana zao kosa efa niova be zany zavatra zany eh !


9. soleil ( 19/12/2006 05:34)

Ny ahy ny ankizy dia efa ela no natoroko sy nampianariko mora ²izay zavatra tokony ho hainy , nanampy ahy koa ny lesona sasany nataony tany am-pianarany

tadidiko tsara mihitsy bevohoka ny zanako faharoa aho 2 taona sy tapany teo le zokiny ta@ zay de nanontany ahy izy hoe fa aiza ry Neny no mivoaka ny zazakely de novaliana soa aman-tsara

ny ahy na tsy mbola nanontany ary ny ankizy de refa misy occasion de araraotiko ampitaina sy ampidirina eny zay tokony ho lazaina fa zà tena tsaroako ta@ mbola kely tsy de nanoro sy niteny zavatra ho anay loatra ny RAD -nay fa de hay ho azy teny
10. Rasiligaoma ( 22/12/2006 17:03)
izay mihitsy..
manjary mahazo fampianarana tsy izy any an-dalana izy dia mampiatra an íny tampoka

izay ianao vao ho ganta fa ataovy
11. soanja ( 22/12/2006 18:52)
soleil:


Ny ahy ny ankizy dia efa ela no natoroko sy nampianariko mora ²izay zavatra tokony ho hainy , nanampy ahy koa ny lesona sasany nataony tany am-pianarany

tadidiko tsara mihitsy bevohoka ny zanako faharoa aho 2 taona sy tapany teo le zokiny ta@ zay de nanontany ahy izy hoe fa aiza ry Neny no mivoaka ny zazakely de novaliana soa aman-tsara

ny ahy na tsy mbola nanontany ary ny ankizy de refa misy occasion de araraotiko ampitaina sy ampidirina eny zay tokony ho lazaina fa zà tena tsaroako ta@ mbola kely tsy de nanoro sy niteny zavatra ho anay loatra ny RAD -nay fa de hay ho azy teny


Amin'ilay zavatra tokony ho hainy eo angamba no tsara hotsipihina dahoLo hoe inona avy ary firy taona le zaza.
Ny tiako resahina dia manomboka firy taona ny zaza iray ohatra mahalala ny concept ny atao hoe vola ohatra. Firy taona ny zaza iray no hazavaina momba ny Andriamanitra ohatra ary firy taona ny zaza iray no hanazavanao fa lasa miady any Irak ny dadany ary tsy fantatra hoe oviana vao hiverina. Hitanareo?

Betsaka dia betsaka ny RAD tsy mahafantatra an'io limite io ary betsaka koa ny manafina noho ny tahotra sy zavatra maro isan-karazany sy ny tsy fahalalana. Tsy tokony raisina ho bamba iray le reska mantsy fa mora amintsika miteny azy eto saingy complique be mihitsy io atidohan-jaza io. Eo no tokony hisy foana ny hoe raha izao taona ny zaza iray dia inona ny zakan'ny atidohany.

Anareo indray.


12. ikaretsaka ( 23/12/2006 04:09)
tsy anaovana theory be anie fa azavaina araka izay takatry ny sainy ihany e

fa tsy tokony asian alimite izany io
tsy tabou intsony io @ izao vanim-potoanantsika izao
13. soanja ( 23/12/2006 16:41)
ikaretsaka:

tsy anaovana theory be anie fa azavaina araka izay takatry ny sainy ihany e

fa tsy tokony asian alimite izany io
tsy tabou intsony io @ izao vanim-potoanantsika izao

Ka izay takatry ny sainy izay no betsaka no tsy mahalala hoe hatraiza. Io hatraiza io no antsoiko hoe limite.
Fa ny hoe tokoa hoe FADY ny miresaka n'izao marina. Tsy tokony hisy ny fady fa dia vao maika tokoa ary ny zaza te hahalala be be kokoa ny afeninao.
Bref, Mila voalanjalanja ny info mankany amin'ny ankizy miankina amin'ny taonany fa ny valim-panontaniany kosa dia tokony hisy valiny foana fa tsy hoe "tsy azo resahina izany"


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1444