AIZAAANYASSURNSANYZANAKOTOOOMPOKOCDAROO...???????

1. lemenakely ( 17/12/2006 10:18)
AIZAAANYASSURANSANYZANAKOOOTOMPOKOCDAROOOOO....mbola feno soratsoatr'io rangahy io ve ao ANTANANARIVO ao sa tsy misy intsony?
Tadidiko mantsy fa erak'Antananarivo (AMBOHIMANARINA ANTANIMENA, ANDRAHARO, ANDRANOMENA ,ANOSISOA...)dia feno an'io soratsoratra io .

Nataon'ingahy FRANCIS TURBO t@ fampisehoany moa izy io ary nihomehy tokoa ny olona vao nahita io soratra io!...
novalian'i sitlo ny 09/01/2007 04:17
2. Fiffi ( 17/12/2006 17:02)
feno an'io soratra io erak'Antaninarivo ? :roll:
3. chipie1 ( 17/12/2006 17:39)
lemenakely > hihihi tam 2 taona za tany toa tsy nahita aloha fa tsy aiko na niverina na tsia :-D
4. chipie1 ( 17/12/2006 17:40)
fiffi > misy rangahy manoratra anio soratra io eraky ny tambohanolona , (AMBOHIMANARINA ? ALAROBIA sns... lalana makany Ivato iny )
5. bazylou ( 18/12/2006 22:10)
mbola any tokoa ve iny rangahy iny ?, dia mba nanao ahoana ny zanany hita ihany ve???
6. enteme ( 19/12/2006 17:17)
AHOANANYZANAKO NO....
tena izay tokoa no zavatra nosoratan'lery taloha an
fa de any anaty elakelantrano aza dia nahitana an'zany
7. booboo ( 19/12/2006 17:41)
fa nataon'ny sasany aiza kosa ny assurancen'izao zanany zao ?
8. sitlo ( 09/01/2007 04:17)
Tsy nareo marina kosa no teo amin'ny toerany fa mety hivika hoazy koa ianareo.
Tsy dia ahitana an'io soratra io intsony izao. Tsy haiko ny antony fa ny tantara henoko dia izao.
Taloha mbola bus daholo fa tsy taxi be. Dia ny zanany receveur ligne 5. Analakely-Ambohibao.
Dia tamin'izany moa ilay mikiraviravy be ireny ny bus. Dia ny receveur no ivelany indrindra. Kanjo nandona olona mpandeha an-tongotra ivelany ilay izy ivelany iny dia nianjera. Ary ilay bus niasany ihany no nanitsaka azy dia maty izy(tsy haiko na teo noho eo na taty aoriana kely), fa maty izy no henoko. Fa izy nialan'ny assurancen'ilay bus nampiasa azy no nampivika ny dadany.
Ny zokiko nahita ilay loza fa ilay hoe zanak'ilay rangahy iny ilay izy no tsaho nihely ka tsy sure aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2112