Mpanohitra sy mpanohana ,fa iza no neutre?

1. ronaldo09 ( 13/12/2006 10:03)
Tsapako fa toa ny mpanohitra sy mpanohana daholo ny ato ,ny tenako aloha dia lohalaharana ,tsy hadino koa ry namana mahafatra-po toa an-dry bazylou sy ry sareraka,tezitra akama2006 sns...Eo ny mpanohana toa an-dry fiffi ,zokibe fijo ,hery,mandrndra sns....Fa hoy aho hoe fa aiza aloha ny manelanelana e! Zany hoe ny tsy momba ny atsy sy ny aroa?Nanantena manko aho fa ny webmaster mba olona neutre hay kay Ra8ista 100% .Ary ny tena mampalahelo dia voavely tehamaina mihitsy zahay mpanohitra eto avy any am'leiry ,fafana ny hevitra soratanay fa izahay hono avy eny andranomanalina nefa anie ny tena ka avy any Toliara e!
Mba miangavy aho hoe :mba atsangano ny vondrona tsy momba ny atsy sy ny aroa satria manko tena maharary mihitsy ny ompa reny sy anabavy atao anay eto ary tonga hatrany amin'ny hafatro manokana moa izany (za tsy hiteny hoe iza).
Amiko aloha za tsy matahotra fanaratsiana sy ompa raha varatra ny mpanohana dia ny aty vatolampy ampy handihizana ka tsy misy miala eo.
Tsoriko fa raha tsy tia ahy i hery (ary tena tsy tia mpanohitra mihitsy ledala ) dia tsy misy miala eo ary na hesoriny aza dia manova anarana hafa indray dia tafiditra,miala ronaldo miditra i robinho....
Amaranako azy dia mba aiza ny neutre hampilamina ny raharaha fa tsy ny hevitra intsony fa tena ny olona izao no miady ary mifamono lolo na ray aman-dreny na koa ny mpivady ,ny mpirahalahy izao mitsitokotoko tsy mifandray tanana ,manafangaro ny resaka antoko ny resam-pihavanana...
Dia miandry aho zany!!!!!(Tsy i Paul an!)
répondu par fijo le 15/12/2006 21:14
2. hery ( 13/12/2006 10:52)
Na mpanohana na neutre na mpanohitra... rehefa tsy manaja olona dia tsy ok foana.

Ohatran'ny tianareo tenenina hoe rehefa mpanohitra dia jiolahimboto? Simbainareo ny image-n'ny mpanohitra.

Misy olona, na mpanohitra na mpanohana, miresaka tsara, manaja ny olona tsy mitovy hevitra aminy. Na dia feno fahatezerana aza izy dia tsy manalika olona mihitsy.

Ny resaka serasera dia tsy idiran'izay maha mpanohitra na mpanohana. Rehefa tsy manaraka ny fitsipiky ny fifanajana dia voaendaka :-) Na iza io na iza (na Ravalo aza)

Farany: Dia gaga aho raha olona mianatra sy mahita fianarana "ambony" toa an'i ronaldo09 no miteny hoe "Ny olona izao no miady". Ianao angamba no mifamono lolo sy mamono lolo olona. Ny anay eto dia ny hevitra ihany no miady...
3. fiderana ( 13/12/2006 11:23)
aza mbola miady izany fa efa hoavy dadabe noely hizara fitiavana indray:lol:,na mpanohitra na mpanohana, na mpanelanelana, mihavàna sy mifankativa fatratra raha azo hatao, fa isika tsy ho resin'ireny izay hevitra miady any:lol::lol::lol:
4. Imahaka ( 13/12/2006 11:31)
hery:

Farany: Dia gaga aho raha olona mianatra sy mahita fianarana "ambony" toa an'i ronaldo09 no miteny hoe "Ny olona izao no miady". Ianao angamba no mifamono lolo sy mamono lolo olona. Ny anay eto dia ny hevitra ihany no miady...



iaho koa agnie mbo gaga. asa ia loatra tian laiaka hiadivagna zany. :^):^)
5. kitjo ( 13/12/2006 14:46)
ronaldo> za mpanohana neutre! :lol:

Taiza no nisy nanompa reny sns anareo izany ka tsy nofafaina?

asa aloha izay tena tsy manaja ato e..humm

Efa hatrizay no nisy ny serasera mbola tsy teo akory aza i ravalo angamba....nilamina foana ny tato ary mbola milamina hatrany...satria manaraka fitsipika dol ny namana..izay tonga mandoto rano dia esorina fts satria tsy manaja anay!

Tsy hoe akory hoe tonga ny fifidianan dia nantsangana vonjimaika ny tranokala!

za ry ronaldo mpanohana fa akamako dol reo milaza azy ho mpanohitra ato ireo...afa-tsy ianao tsy mety ho akamanay mihitsy na resaka hafa aza!
6. xxx ( 13/12/2006 14:57)
Manao dahalo ihany no hainy e ! tsy mba mahazo vady hono mantsy ry zala avy any toliary raha tsy manao dahalo kely aloha
7. fijo ( 13/12/2006 21:21)
ireto misy ps tsy momba ny atsy sy ary;
mandrindra"io tsy momba nizaniza "
lapino,le jim.ireo tsy manohana fa manaraka fotsinyizay resaka eto fa dinio tsara.
za koa momba,saingy za tsy fanatika ravalo.
za koa na dia momba andravalo aza,tsy miady amin'izay tsy tia azy.bazykely izao tsy misy olan aamiko,akama tsy miadty amiko,ronaldo izao tsy ataoko fahavalo.amiko dia hevitra no tsy nitovy,fa isika eto namana daholo.
za ohatra raha mahafantatra izany olona manompa an'i ronaldo izany dia izay olona izay no tsy tiako,satria tsy mahazaka resaka.
8. patrick2002 ( 14/12/2006 02:21)
amiko aloha dia ianareo anti-ravalo no tena maheri setra ato.
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m457138029f775
io fotsiny no santionany, iza taminay no niorakoraka nandritra izay fandreseny ra -8 izay ,na nanao heso sy latsa taminareo, anti-ravalo ireo.
9. Fiffi ( 14/12/2006 09:16)
zah kosa aloha de tena nahazo mihintsy an :( fa tsy miteny sady hitondra aiza anefa moa zany eh !
10. fijo ( 14/12/2006 22:55)
ka tsy itako izay antony hifanenjehana eto.samy tsy misy mahazo zavatra eto.hevitra no mba aroso sy ampiadiana ,de izay.
11. rabaradaka ( 15/12/2006 06:30)
Tiako be ny hevtra navoakan'i hery ary misaotra. Fa ny Frantsay no tena manisy an'io hoe centriste io fa raha ny marina dia tsy msiy izany centriste izany fa manana ny heviny avokoa ny olona ary izay famoahana hevitra izay dia efa fironana etsy na eroa. Mba araho ange ny tantaran'ny politika eto amintsika e
12. fijo ( 15/12/2006 21:14)
ny frantsay ani emanao izay tsy hampandroso ny gasy mihintsy e,efa hain'ny rehetra io,ary efa fantany koa,fa efa takatry ny gasy izay fikany izay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0471