fisainana Malagasy

1. bazylou ( 13/12/2006 00:47)
Sarotra atoro
Tsy creatif
Mpanara-drenirano ihany
Be siasia
Mahana hatrany sao hamitaka ilay vady na ilay akama gasy na koa ilay orinasa gasy anaovana zavatra.
Tsy dia mba manana zavatra ambara be loatra fa ny an'ny olona ihany no tiany.
Ny vola ihany no asesiny.
Tsy mahita alavitra

Asa, vokatrin'ny fiainana ve ireo ??

novalian'i dadie ny 01/03/2007 13:58
2. sitlo ( 13/12/2006 01:20)
tsetsatsetsa: vokatry ny fiainana fa tsy vokatrin'ny fiainana

Sarotra atoro - arakarak'ilay olona fa tsy ny rehetra, ary ny vazaha koa misy ohatra izany ihany
Tsy creatif - diso tanteraka
Mpanara-drenirano ihany - marina ihany
Be siasia - marina
Mahana - tsy olana
Tsy dia mba manana zavatra ambara be loatra fa ny an'ny olona ihany no tiany. Efa voalaza teo ny mpanara-drenirano
Ny vola ihany - diso tanteraka
Tsy mahita alavitra - diso tanteraka

3/10 ny naoty
mila ezaka





3. ikaretsaka ( 13/12/2006 01:35)
bazylou:

Sarotra atoro

tsy sarotra atoro ny gasy fa:
-Na ilay "manoro" tsy mahay manoro ..
-na ny zavatra "atoron" ilay manoro aza tsy hainy akory!

bazylou:

Tsy creatif


creatif ny gasy .. oadray.. anisan'ny mahita systeme D, firifiry ny inventions eva vitan'ny gasy? ary porofo voalohany dia eto @ zavatra no creevan'ny gasy no misy anao io surfevanao io izao ankehitriny:twisted: (sao adino)

bazylou:

Mahana hatrany sao hamitaka ilay vady na ilay akama gasy na koa ilay orinasa gasy anaovana zavatra.

Arakaraky ny fahamatoran'ilay zavatra na ilay orinasa no ahazoana ny fon'ny gasy... ary tsy ny gasy ihany io fa izay investisseurs rehetra, ary andrianampoinimerina aza no niteny hoe rehefa ny business dia tsy anana-kavana...
"on s'associe avec la competnce" zany e

bazylou:

Tsy dia mba manana zavatra ambara be loatra fa ny an'ny olona ihany no tiany.


Arakaraky ny fahamatoran'ilay zavatra io, misy ohabolana amerikanina izay manao hoe "if you can't beat them, join them" izany heo rehefa tsy resinao izy, de iaraho... miaraka @ ilay "an'olona" aloha ny gasy mandra pa satria tsy mbola afaka maharesy.. fa avy eo izy matetika misintaka @ izay, ary izany daholo izao ny ataon'ireo tanora vao misandratra bedebe manao projet raha tsy hitanisa ny efa mandeha ato fotsiny aho.

bazylou:
Ny vola ihany no asesiny.

na gasy na vazaha na zapone na komorianina na afrikanina na amerikanina, tsy misy resa-bola @ zavatra tsy mitombina na zavatra tsy marim-pototra na vision milay be aza ny arosonao, fa mila fantany foana hoe ahoana de @ fomba ahoana .. ankoatran'ilay hoe inona...

bazylou:
Tsy mahita alavitra


Mahita alavitra de mahita alavitra tokoa ny ankamaroan'ny gasy.. ary izy aza tsy manidintsidim-poana fa apetrany @ tany ny tongony... alefany tsikelikely ny azy , tsy manenjika bitro 2 sy revingadra (mangetotra ambonin'ny fitombenanay) fa izay tratrany ihany matetika no ataony

Hoy ilay mompera gasy malaza izay hoe "samy mahita ange hoe io ny lanitra fa ny fanaovanao zana-tohatra iray isan'andro no handehananao any fa tsy ny fitenenanao heo ho any aho e"

Ny an'ny ankizy gasy @ zao efa hitany daholo ny vision, de hitany hoe ity no matotra sy tsara de mankeo izy, de avy eo izy mahita hoe eto indray no matotra sy tsara de mankeo izy....
(jereo ireo zanak'i Bira fotsiny ohatra..ao @ forum manokana ao)

tsy aleo ve izay toy izay dingan-dava be de avy eo potraka?
4. soanja ( 13/12/2006 03:10)
bazylou:

Sarotra atoro
Tsy creatif
Mpanara-drenirano ihany
Be siasia
Mahana hatrany sao hamitaka ilay vady na ilay akama gasy na koa ilay orinasa gasy anaovana zavatra.
Tsy dia mba manana zavatra ambara be loatra fa ny an'ny olona ihany no tiany.
Ny vola ihany no asesiny.
Tsy mahita alavitra

Asa, vokatrin'ny fiainana ve ireo ??




Ok Bazylou, efa hita ity ny lesoka fa mba azonao omena koa ve ny mahatsara ny toetsaintsika Malagasy sao mba io no ahafahantsika manao jery mifandanja? ary io no entina exploiter-na hanatsara an'ireo eo ambony ireo.
Mino aho fa ao ny mahamanja antsika Malagasy ka mahatonga antsika mbola miray serasera eto.


5. Fiffi ( 13/12/2006 12:20)
bazylou:

Sarotra atoro
Tsy creatif
Mpanara-drenirano ihany
Be siasia
Mahana hatrany sao hamitaka ilay vady na ilay akama gasy na koa ilay orinasa gasy anaovana zavatra.
Tsy dia mba manana zavatra ambara be loatra fa ny an'ny olona ihany no tiany.
Ny vola ihany no asesiny.
Tsy mahita alavitra

Asa, vokatrin'ny fiainana ve ireo ??
heu.....zah kosa aloha tsy d'akoro @ zao eh ! raha nisy olona fantatr'i bazylou ohatran'zany ny fisainany , tsy midika mihintsy zany hoe fisainana Malagasy kosa eh ! fa mba ataovy hoe "misy".....


6. fasaly ( 13/12/2006 12:35)
:°)
7. xxx ( 13/12/2006 14:41)
Ry bazilo ireny ve hoy nareo de mba mora hatoro , :-D:-D mandana makany @ politika ahitanao azy fa na efa olona 100 aza mikontre azy ny azy ny azy foana :°)
8. xxx ( 14/12/2006 01:21)
Misy fahamarinany kosa ireo lazain i bazylou reo e.
Zaho aloha mahita fa tsy creatifs sy sarotra atoro mihitsy ny maro mba tsy hilazana hoe ny rehetra e.

Raha mora atoro ary dia ndao mba ampiana ny dinika sera fa raha vao zavatra mivoaka ireo dia voatery mandeha ao @ eritreritra mandalo foana. Ohatra: boky. Mahita dinika sera tsy gasy aho, efa ho zato angamba ny karazana dinika ao.
9. Ruby ( 14/12/2006 01:25)
ilay fomban'ikaretsaka izao mihitsy ilay tena sarotra atoro:-D:-D:-D:-D
10. xxx ( 14/12/2006 01:54)
le dinika sera tsy gasy resahiko etsy ambony io dia 374 ny dinika sera ao anatiny ny andry zareo vao nojereko vao teo. Ny antsika 35. :snif::snif:
11. bazylou ( 14/12/2006 03:24)
Andao tairina ry xxx a!! Asiana ny boky,bricolazy , hahatongaantsika creatif kokoa, Bricolazy maharitra io fa tsy ilay mirefotra afaka adin'ny 1 an!!
KA izany no izy ko!!
Ka hita fa tsy azo atoro ka inona indray!
12. sitlo ( 14/12/2006 20:00)
:miam:
13. papounette ( 15/12/2006 14:58)
soanja:bazylou tsy mahita afa tsy lafiratsiny ny gasy,ary raha hanao critik tsy misy alaolana de voalohany.:evil:
14. papounette ( 15/12/2006 15:07)
[quote=xxx]
le dinika sera tsy gasy resahiko etsy ambony io dia 374 ny dinika sera ao anatiny ny andry zareo vao nojereko vao teo. Ny antsika 35. :snif::snif:
[/quote ]

Ko maninn raha mijanona any @ dinika le sera hitanao fa intérréssant fa tsy mandany andro eto na mamorona dinika e (innn ny olana)fa tsy mikritk eo fotsn?:twisted:
15. soanja ( 16/12/2006 03:55)
papounette:

soanja:bazylou tsy mahita afa tsy lafiratsiny ny gasy,ary raha hanao critik tsy misy alaolana de voalohany.:evil:



Raha ny fiaingany izao aloha de izay tokoa ry Papounette. Nefa de fantany tsara anie ny antony mahaeto azy e dia ny fitiavany serasera tsy amin'iza fa amile gasy petaka ihany.:D


16. ikaretsaka ( 16/12/2006 05:00)
izao ny sokajin'olona mpanao critique araka ny voamarika tary ambadika tary


Misy karazany 3 ny critiques azonao ato :
1)Ny avy amin'ny olona mitovy @ zavatra ataonao ny ataony
2)Ny avy amin'olona manao zavatra mifanohitra @ ny ataonao
3)Ny avy amin'olona tsy manao na inona na inona


Dia nampian'ilay olona hoe

Ny betsaka indrindra sy ny mahasosotra indrindra dia ilay fahatelo
17. dadie ( 01/03/2007 13:42)


mampme ny valin'ny naoty nataon'i stilo an ih ih ih






18. dadie ( 01/03/2007 13:58)

Bazylou tsara ny nametrahanao io sujet io ahafantaranao fa sika gasy nohon'ny tsy fanana d ny eo ampelatanana iany no ampiasaina oatra ra simba ny radiateur d aty en generale arina nefa any amitsika diovina ,ny pneu arina am ankapobeny an ,nefa any amitsika tsetsemana ra simba ,jereo ny mpitondra taxi ny rézervaoa an jareo(sasany) eo am vitesse ,ny vaza v mahay zany donc ny tiko lazaina zany d am zavatra kely ananantsika d maro ny zavatra vita


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6313