Embona (Dadah & Charles)
1. gasy4ever
(
12/12/2006 23:17)
Mba mitady ny tononkira embona dia misaotra mialoha
novalian'i gasy4ever ny 13/12/2006 13:39
2. kitjo
(
13/12/2006 05:56)
wow...tiako be koa!
Ao @ tononkia misy ooo
ilay video no ananako!
http://www.dailymotion.com/visited/tag/Mahaleo/search/malagasy/video/x9hug_mahaleo-embona-sy-hanina-dadah-char
Ao @ tononkia misy ooo
ilay video no ananako!
http://www.dailymotion.com/visited/tag/Mahaleo/search/malagasy/video/x9hug_mahaleo-embona-sy-hanina-dadah-char
3. gasy4ever
(
13/12/2006 09:32)
Tao @ klipgasy.com no nahitako ny clip. Fa io lien omenao io be clip gasy milay an.
'Zay manana ny toniny re mba omeo azafady eh !
'Zay manana ny toniny re mba omeo azafady eh !
4. kitjo
(
13/12/2006 10:03)
Embona sy hanina, tsiahy maha-fahanginana
Ngoly ny fo mamelovelo, madisadisan'alahelo
Ny avĂ´na tazanina,tsy hita ho dinganina
Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
Ny aina marary, ny fo maratra
Fa ny antsoko, ny ankony mitampody
Mba mihika mafy anie aho nefa tsy tody
Izay jereko manjavozavo
Tako-drahona sy vohitra avo
Fa mahery sy masiaka ny onja
Tsisy lakana mety afaka hitondra
Ny maso no alefa maminany
Mibanjina anao any ho any.
Alahelo sy toloko, raha vao injay tsaroako
Fa noho ny hasomparan'ny tany
Izaho aty, ianao lavitra any
Tsy azo hiadiana ny anjara
'Zay angamba no heveriny ho tsara
Izaho tsy kivy tsy ho ketraka
Na dia mangidy mavesatra
Fa ny ahy dia fitia tena marina
Na anaty honahona tsy ho tafarina
Na halevina mety handifitr'olona
Hiposaka amin'ny hamololona
Ny any hafatro dia ny hoe matokia
Fa izaho tsy hitsahatra ny hitia
Tsy ny halavitana, ny tsy hita maso
No hahasakana antsika tsy hihaona
Jereo oa ao @ Tononkira Serasera...io an-kavia io!!!
Ngoly ny fo mamelovelo, madisadisan'alahelo
Ny avĂ´na tazanina,tsy hita ho dinganina
Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
Ny aina marary, ny fo maratra
Fa ny antsoko, ny ankony mitampody
Mba mihika mafy anie aho nefa tsy tody
Izay jereko manjavozavo
Tako-drahona sy vohitra avo
Fa mahery sy masiaka ny onja
Tsisy lakana mety afaka hitondra
Ny maso no alefa maminany
Mibanjina anao any ho any.
Alahelo sy toloko, raha vao injay tsaroako
Fa noho ny hasomparan'ny tany
Izaho aty, ianao lavitra any
Tsy azo hiadiana ny anjara
'Zay angamba no heveriny ho tsara
Izaho tsy kivy tsy ho ketraka
Na dia mangidy mavesatra
Fa ny ahy dia fitia tena marina
Na anaty honahona tsy ho tafarina
Na halevina mety handifitr'olona
Hiposaka amin'ny hamololona
Ny any hafatro dia ny hoe matokia
Fa izaho tsy hitsahatra ny hitia
Tsy ny halavitana, ny tsy hita maso
No hahasakana antsika tsy hihaona
Jereo oa ao @ Tononkira Serasera...io an-kavia io!!!
