Lamban'Akoho ny fanambadiana

1. soanja ( 12/12/2006 00:00)
Hoy ny Ntaolo "Lamban'akoho ny fanambadiana ka faty no isarahana"
Mbola mitombina ve io hatramin'izao sa efa miala tsimoramoroa amin'io ny Gasy. Indrindra moa raha ka mijaly ampanambadiana ve dia mbola hitokona ao foana. Misaotra amin'ny hevitrao.
2. cutie ( 12/12/2006 00:36)
mbola mitombona :lol:
3. Bakobako2 ( 12/12/2006 02:14)
a a a, za alou de efa tsy isany , fa io samy manana ny safidiny sy ny fahasahiany ,
" fa tsy farafaty iny akory ka hitomaniko ampiakarana"
4. Zina ( 12/12/2006 03:00)
Indrindra moa raha ka mijaly ampanambadiana ve dia mbola hitokona ao foana

indrindra raha hoe mamono
raha misy io dia tsy mitombona intsony ilay ohabolana.
5. cutie ( 12/12/2006 04:54)
mbola mitombona io satria matetika koa ny sasany mbola mihafy eo ihany na mijaly aza noho ny fiarahamonina sy ny zaza, fa de efa tsy fitiavana tsony moa ny iarahana fa hena-maso eo @fiaraha-monina.
6. miarina ( 12/12/2006 09:09)
Raha tena fitiavana no niarahana fa tsisy zavatra hafa tao aoriana dia mbola mitombona.
7. booboo ( 12/12/2006 10:57)
"Lamban'akoho ny fanambadiana ka faty no isarahana"


Idealy io amiko. Ny hoe mbola mitombona ve @ zao fotoana zao, tahaka ny t@ andron'ny Ntaolo ihany kah : t@ zany defa nisy ny vhv nisintaka na lhl nisaotra ny vadiny. Donky amiko ilay hoe miala tsimoramora @ io ny malagasy no tsy mitombona loatra:°)

8. anare ( 12/12/2006 11:09)
Za aloha efa nisarapanambadiana e. Tsy hoe sitrapo fa refa tsy zaka sy misy effet negatif be loatra ho anao sy ny nzanakao dia ialao. Zany anefa tsy atao rah atsy efa nahatsiaro ho afapo afanenina enao tamin'izzay rehatra azo natao. Avy eo dia miala refa tena tsy hety fa aza mi-insiste eo fa reraka eo foana enao, ny andronao lany, ny tenananao tsy nahatsiaro ho nivelatra tamin'ny tokatranao , na dia ho afihafiana aza ny tokatrano, dia tsy famonoana tena akory.
9. chipie1 ( 12/12/2006 17:55)
koungà tsy oe toy ny lambanakoho ny fitiavambady :lol:
10. mirana5 ( 12/12/2006 18:26)
Ho aiza ny efa nanaiky no tsy hirakotra ny lambany é:cry::snif::snif::snif:
11. soleil ( 13/12/2006 05:42)
Marina tokoa fa misy io ohabolana io , tsy safidy anie ny hisaram-panambadiana fa iny ilay hoe na ho soa na ho ratsy nefa koa misy fotoana sy trangan-javatra tsy heverinao akory sy tsy azonao leferina mihitsy de mahatonga ny fisarahana

fa na izany ary rehefa tena tsy zaka sy tsy ahitana vaha-olana intsony de aleo misaraka ihany , na ho anao na ho an'ny ankizy
12. Fiffi ( 13/12/2006 05:46)
tongasoa indray aloha soleil:):-*:-*:-*:-*
13. soleil ( 14/12/2006 05:01)
Fiffi > merci e zà anie eo ihany fa ndray ² tsy mandray anjara fotsiny e
14. xxx ( 15/12/2006 09:56)
Tsy firariana fotsiny ve io e (souhaît) fa tsy voatery ho tanteraka
15. soanja ( 16/12/2006 06:27)
Ny nahatomga io fitenenana io koa no mahavariana ahy satria tsy azoko mihitsy. Tsy maty ve zany ny akoho iray raha tsy volosana sa hoe nanao akanjo volon'ankoho ny Ntaolo taloha sa ahoana? mba azavao anie sao misy afaka manome hevitra ahy momba an'io . Misaotra
16. naritsimba ( 19/12/2006 09:58)
soanja> Ny dikan'ny hoe: Toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana dia izao, ny lamban'ny akoho dia iny volony iny, jereo tsara ange fa rehefa ho vonoina ny akoho izay vao miala aminy tanteraka ny volon'ilay akoho izay ataontsika hoe: lamban'akoho.
Ny atao hoe miongo-bolo dia mbola misy ny volo tavela fa tsy miala tanteraka ta io haka ny akoho volosana.

izay no nahatonga io fitenenana io.
17. cutie ( 22/12/2006 21:32)
misaotra an'i naritsimba :lol::lol::lol:
18. soanja ( 23/12/2006 23:36)
naritsimba:

soanja> Ny dikan'ny hoe: Toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana dia izao, ny lamban'ny akoho dia iny volony iny, jereo tsara ange fa rehefa ho vonoina ny akoho izay vao miala aminy tanteraka ny volon'ilay akoho izay ataontsika hoe: lamban'akoho.
Ny atao hoe miongo-bolo dia mbola misy ny volo tavela fa tsy miala tanteraka ta io haka ny akoho volosana.

izay no nahatonga io fitenenana io.


Merci Naritsimba. Zah anefa efa nahita akoho tsy nisy volony na ny iray nefa mbola velona ihany. Fa marina tokoa io fanazavanao io ka. misaotra betsaka.:-*:-*:-*


19. naritsimba ( 27/12/2006 09:19)
lol, fa saingy mbola misy ny foto-bolo fa tsy mitsiry ho an'ny akoho velona io izany hoe toy ny sola.
20. soanja ( 27/12/2006 09:50)
naritsimba:

lol, fa saingy mbola misy ny foto-bolo fa tsy mitsiry ho an'ny akoho velona io izany hoe toy ny sola.


Ia:-*:-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4654