Ny hazo no vanon-ko lakana eh....

1. tommykyle ( 11/12/2006 09:43)
Manao ahoana daholo tompoko! izaho manoratra eto dia mpino ny Ray Zanaka ary Fanahy Masina. Tsy tiako tsindriana be loatra ny fiangonako satria sao ho lasa sakana ho anao ny hamaky izay ho lazaiko sy mba tiako ho dinihintsika tsirairay avy!
Sendra nampirehitra télé Ravinala vao maraina aho ;indray Alahady, ary nisy io fandaharana io hoe: Ny hazo no vanon-ko lakana"io Gaga dia gaga tokoa ny tenako ary nanaitra ahy tamin'ny torimasoko mihintsy ny zavatra reko tao satria sambany aho nahare emission évangelique, tsy nitarika ny olona hafa hiala ny fiangonana efa misy azy, fa kosa aza namporisika bebe kokoa ny mba hiverina indray any ampiangonana nisy azy mba hampirehitra ny finoana ao!Tena zavatra mahagaga ahy tokoa ilay fandaharana ka tonga mpanaraka tsy tapaka aho ny Mardi sy Vendredi matin @ 5h ary ny alahady 6h du matin; alohan'ny handehanako hivavaka any am-piangonako izay notazomiko tokoa hatramin'izao! Tsy ny anaram-piangonana tokoa kay no ho entiko hidirana sy handovako ny lanitra, izay aho vao tonga saina! Ny tiako hiaviana dia tsotra fotsiny, misy tokoa ny secte izay mitsipaka tanteraka ny fampianarana ao amin'ny baiboly. Misy ireo nofohazin'ny Fanahin'Andriamanitra (zanaky ny fiangonana) tsy mpanohitra akory fa manohana tanteraka ary manampy amin'ny mba hahatanteraka ny tanjona iray: ny ahatonga ny olona rehetra ho voavonjy! sy handray tanteraka an'I kristy! koa raha ito fandaharana ito kosa aloha dia, amiko manokana dia ho entiko am-bavaka mba hizara sy hitondra ny famonjena ho ao an-tokantrano Malagasy sy ny any ivelany koa aza! ka ahoana ny hevitrao? tsy tokony ho entin-tsika am-bavaka ve ny hangatahan-tsika amin'Andriamanitra mba hisy sy hitohy ny asa fanompoana toa izany? misaotra tompoko...
novalian'i tommykyle ny 17/12/2006 14:25
2. Fiffi ( 11/12/2006 09:59)
tommykyle:
tsy tokony ho entin-tsika am-bavaka ve ny hangatahan-tsika amin'Andriamanitra mba hisy sy hitohy ny asa fanompoana toa izany?
zay fangatahana atao @ Andriamanitra ve moa tsy hatao am-bavaka daholo ?
suivez-moi , je vous ferai des pêcheurs d'hommes


3. vale ( 11/12/2006 11:50)
tommykyle: tsara izany fandaharana izany! fa dia ho tsaroana rehefa mivavaka izany fa aza manahy!!!:)
4. xxx ( 11/12/2006 12:35)
ekena eh! za koa aza mba efa nanaraka io fandaharana io ary efa nahazo fahasoavana bdb mintsy aho sy ny ankohonako nohon'ny fampiasan'Andriamanitra ireo mpanompony ireo ka dia tsy dia hitako loatra ny hoe secte! sady zah tena hifonako fa taloha raha vao hoe tsy amin'ny fiangonan-dehibe dia secte zay! hay Andriamanitra rehefa te-hiteny amin'ny zanany, dia amin'ny fomba rehetra tsy maintsy vitany ka angamba ianao koa mety mbola anisan'izany? jereo tsara dia henoy izay hambarany fa sady tsy mitarika anao sy zah hiala ny fiangonana izy ireo fa kosa mba hampiorona ny finoanao an'i Kristy! hoy ilay ra-namana teo hoe: misy fotoana ao amin'ny palais des sports @23 dec dia any zany mihaona koa ehhh! tahin'Andriamanitra isika rehetra fa matoa Izy tsy mbola mangina dia mbola ao foana ilay fitiavany!
5. Lejim ( 11/12/2006 15:16)
Mahafinaritra be izany. Na zah aza mba te-hanaraka raha mba nahavita!
6. landr ( 12/12/2006 12:09)
fantatro zany emission resahanareo ato zany,tsy fiangonana angamba reny fa toa tsy hitako mihintsyu hoe aiza no mety misy anreny.
sady za koa tsy hiala amn fiangonako mihintsy.
Tsara ny fampianarana ataonzareo reny, 2 lahy moa izy? sady sambako mahita olona tsy avy amin'ny ffkm nefa tsy manaratsy fiangonana hafa, no tsy milaza ihany koa fa aty no tena marina na zao no tena izy. zany hoe tsy manao pub e!!!!!!
Zao e! tsara Andriamanitra, zay tsy mahalala de mijereva tv ravinala rehefa dimanche maraina amn 6 d mba lazao zay hitanao mba ho seraseraintsika ato.sa karakory? eoah basy e!!!!
7. dailynews ( 12/12/2006 17:49)
tommykyle> marina izany kah. ny fitarihana ny olona dia ho any andanitra fa tsy ny fitarihana ny olona hivavaka ho any @ fiangonana misy anao. raha tsy ampy fotsiny ny sakafompanahy ao @ ilay fiangonana misy ny olona iray dia tokony izy haka any ankafa, ary rehefa matanjaka izy dia miverina mapahatanjaka ny ao antrano izany hoe ao @ ilay misy azy.

ny olona mantsy saro piaro be @ fiangonany foana fa ny tena marina araka ny lazaiko foana dia rehefa tonga any andanitra Jesoa tsy hanontany mihitsy hoe: etsy avaratra ny fjkm, etsy atsimo ny loterana, etsy andrefana ny .... sns..ny lazainy dia hoe ry mpanompo tsara sy soa, midira @ fifalian ny Tomponao....

8. prime ( 13/12/2006 14:24)
tommykyle> mahaliana dia mahaliana tokoa ny fandaharan'izy mirahalahy ireny... fa dia @ 23 desambra ho avy izao no fotoana ao @ palais des sports...

Andavanandro (isanandro isaky ny @ 6ora maraina ka hatr@ 8ora) ry zareo ireny dia eo Mahamasina avaratra eo amboniny'ny sekoly "sainte famille" eo no mitarika fotoana sy manao asa fankaherezana...
9. dailynews ( 13/12/2006 16:45)
prime> sambatra nareo izany ho any. :D tandremo ny orana fa toa orambe foana rehefa akaiky noely tahaka izao an.
10. Fiffi ( 13/12/2006 19:44)
de mba alefaso aty koh zany mba henohinay eh ! :)
11. prime ( 15/12/2006 13:34)
Sur station TV Ravinala akia ry zareo no miasa ka mety sarotsarotra ihany no andefàna azy a...
12. tommykyle ( 17/12/2006 14:25)
dailynews:

prime> sambatra nareo izany ho any. :D tandremo ny orana fa toa orambe foana rehefa akaiky noely tahaka izao an.


euh!tsisy olana tompoko fa eny antoerana misy invitation gratos ho anao izay te-hanatrika. Ny ahy manokana dia nalaiko tetsy @ station galana antsakaviro! ndao mba hiaraka eh!
God bless you!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5512