lakalaka tokoa

1. bazylou ( 10/12/2006 21:26)
n fifidianan ka 52% sisa ilay 70% tamin'ny voalohany!! efa ambivitra izany an!!
novalian'i fijo ny 12/12/2006 22:13
2. bazylou ( 10/12/2006 21:27)
aza adino ny manamarina an'io etsy amin'ny loha hevitra fifidianana etsy ambany
3. rabejo ( 11/12/2006 10:27)
Tsara ho fantatra aloha fa na inona na inona dia ny vokatra avy @ chefs-lieux de provinces no tena ahitana taratra ny tena safidy malalaka e. Indrindra ny eto Antananarivo izay ambohipihaonan'ny lafivalon'ny nosy. Aoka izay hazava.
Tsy milaza aho hoe tsy misy antony ny voka-pifidianana any @ sisiny fa angamba isika mahalala fa ny tena manjaka any dia izay atolotry ny mpanao politika to-teny any ihany fa tsy izay fahitana ny asa vitany. Aleoko dia tsorina fa eo ihany koa ny hoe "io ny avy aty amintsika". Na hoe "io no atolotry ny avy aty amintsika". Dia izay.
Firy isan-jaton'ny gazety misy (na am-bava, na an-tsary na an-tsoratra moa no ao Antananarivo ? Ary moa ve ho gaga isika raha tsy mora voarebireby intsony ny olona ao ? Misy vokany ange io fitangoronana isa-maraina eny @ mpivaro-gazety io na dia hamaky ny loha-teny lehibe fotsiny ihany aza e.
Raha tianareo ho fantatra ny hevitro dia jereo ny vokatra teto Antananarivo Renivohitra fa io no lafivalon'ny nosy.
Ny mampalahelo fotsiny dia ny ataon'ny mpanao politikatsika : vao tsy miandoha akory ny fifidianana dia manomana ny korontana aorian'ny latsa-bato no ataon'ny ankamaroany. Dia na handetika ny firenena anatin'ny aizim-pito aza dia tsy raharahiana fa ny ahazo fitondrana hinanana no mahamaika. Raha tsy izany ve ho 13 be izao no milaza fa mpanohitra nefa tsy mahita marimaritra iraisana ? Mba mahagaga ihany...
Miala tsiny raha misy tezitra fa izay no fahitako azy e.
4. fijo ( 12/12/2006 22:13)
indrisy rabejo,fa mbola izay no misy any
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0759