mamofopofona be

21. Robert ( 09/12/2006 23:46)
Eto amin-tsika ny fifidianana izany de resaka fihetsiketsehana fotsiny, programme zéro..

akama2006> Inona tokoa no tokony ovaina @ code électorale? Mba hazavao tsara2 kokoa fa betsaka ny tsy mahazo ilay izy...

22. xxx ( 10/12/2006 00:49)
Mimenomenona eo foana fa hoaran'ny sasany vao gaga! Hoe ahoana ianareo no manana,
Miasa dia ny hatsembohanao no hampanankarena anao fa aza be menomenona
23. BloodTitan ( 10/12/2006 09:24)
xxx>>> marina mintsy lesy zany kle

Tsika anarany mba Nosy LEHIBE eto am ranomasimbe Indiana nefa isika no lehibe indrindra am fahantrana, ny antony dia tsotra be loatra ny adilahy politika eto de tsy misy fampandrosoana vanona, ny olona miezaka mampandroso ndray de enjehina sy haratsiana fa minana harena fotsiny hany ka minia mikipy am asa mba vitany. Matoa ny olona tsy nanala an Ra8 eo amin'io toerana io de itany fa mba nisy nataony tao ra ampitahaina am lasa. Aleo izy hanohy ny asany fa refa itan'olona nge oe tsy mamely tsony mintsy de hain'ny vahoaka foana ny manao azy e!!
24. papounette ( 10/12/2006 11:27)
xxx:

Papounette>
Ianao io ve lo aty Dago? Raha zany mantsy dia mety mba maharaka ny vao2 tena marina ianao fa tsy HIARO BE FAHANTANY AN'I LEVALO!
Sa mety ianao mintsy ilay mpanolotsaina hoe


Ie aty Mada a.Maharaka tsara ny zava-misy.Tsy miaro n'iza n'iza.Ary fantatro tsara ny zavtr nataon'i Mr PETY tany @ ambanivolonay,masoko zao no nahita:cry::cry:.
Que la justice soit faite,et que chacun paie pour tous les maux qu'ils ont fait.
25. Imahaka ( 10/12/2006 11:56)
akama2006> ny MAP efa vita ka prgm inona indray e? na iza na iza ange ny filoha lany teo dia ny MAP no programa e! sa 'nareo AVI saika mbola hanano raha vaovao? soa ihany hihihi

papounette> marina ny anao fa gaigy be ilay Mr Pety iny!

Amin-dry zalahy sasany ireo angamba dia refa mpanao politika ka antoko mpanohitra dia mahazo manao dahalo sy jiolahy ary tsy azo enjehina!
26. akama2006 ( 10/12/2006 12:06)
robert> lava be ny mikasika ny code electorale fa ny azo amintinana azy dia ny hoe fametrahana ny buleta tokana,mba hialana aminy hosoka sy hitovizany rehetra,ny resaka caution sy ny vola ampiasaina mandritra ny fifidianana,ny fepetra raisina manoloana ny fampiasana fitaovampanjakana na olompanjakana manao asa ho ana antoko iray ,ny lalana efa misy fa mijanona ho lalana fa tsy misy mampiatra,fametrahana lalana mifehy ny antoko politika sy ny famaritana ny maha kandida ny atao hoe kandida fa tsy izay olona bodo sy adala rehetra ka manana caution dia hilatsaka!etc.....!fa raha liana i robert mikasika io dia ity misy lien any kmf cnoe mikasika ny soskevitra ny hanamboarana ilay code electorale izao!

http://www.ong-madagascar.org/salon800/page2d.asp?CAT=-1&STAND=1060&PROC=3&PAGE=471
27. piste ( 10/12/2006 12:57)
Izay aho vao mba nahita olona tsy fanatika fa misaina ary mandinika t@ ity forum ity. Ny sisan'izay dia fanatika tsy manan-kevitra afa-tsy ny haneso fotsiny.
Izaho koa aloha miombon-kevitra @ ilay hoe tsy mamely ny fanaovana pòlitika aty @ tany afrikana, ary isan'izany isika. I Senegal sy Afrika du Sud ihany angamba no singaniko. Ankoatr'izay dia na hala-bato no manjaka eo na fanonganam-panjakana.
Ka ny fahitako anio dia ny fampianarana ny olona mba ho responsable @ fiainam-pirenena no azo atao. Amin'izay dia tsy ambakain'ireo mpanao pòlitika intsony ny vahoaka. Raha tsy izany dia vahoaka atao fitaovana fotsiny no eto. Ampijaliana mandritry ny mandat dia rehefa ho avy ny fifidianana dia tambazana kely indray. Dia izay foana.
28. Robert ( 10/12/2006 15:22)
akama2006>Misaotra @ ilay site...

Mikasika ilay code électrorale, hitako mety tsara io fanovana lazainao io. Fa tiako ampiana kely...
Ny caution tokony esorina, fa fanangonana sonia no tokony atao.


Ary ireo kandida nahazo nihoatra ny 10%, tokony mamorona ny antoko mpanohitra, satria hita fa mba misy lanjany eo @ sehatra politika ry zareo.hovitsivitsy @ izay ny olona mandray anjana @ débat politika. ka mino za fa hiova ny endrik'ilay resaka politika (tsy hofanaratsiana ny hafa, fa resaka programme).

Amin'izao tokony hivondrona hanampy an'i Lahiniriko sy Rolland daholo ny antoko rehetra izay tsy mitovy fijery @ IMMR. Hanomana sahady ny électrion parlementaire, mba ahafahana mitsikera ny mpitondra (vrai débat) sy manolotra volavola-dalana momba @ ilay resaka code électorale sy zavatra hafa satria raha mbola TIM foana ny maro an'isa ao @ Assemblée de tsy hiova mintsy io.

Lany aloha Ra-8 izao. Arahabaina izy fa mbola nomen'ny vahoaka fahefana indray...

29. manantsoa ( 10/12/2006 15:54)

Izahay aloha dia mpomba an-dra8 e!
Ny vaha-olana ho an' ny firenena dia izao :
- Mila misy antoko mpanohitra matanjaka manara-dalàna ary miasa mampandroso ny firenena fa tsy mamingana ny fitondrana misy na mandrava ny efa mitsangana ( Toy izay nisy tatsy amin' ny nosy Maorisy ...). Rehefa crédible ny opposition dia mandeha ho azy ny rehetra : fanatsarana ny lalam-panorenana, sns..
- Mila mihaiky ny mpitondra fa toerana ifandimbiasana io toerana io .Ka izay tsy mahavita ny andraikitra nankinina taminy dia miala . Aiza ve dia izay rehetra noesorina tamin' ny toerany ( minisitra , PDS ,conseiller,sns ... dia midongy ary lasa mpanohitra extrémiste mihitsy .
- Mila miasa amin' ny ara-dalàna ny rehetra fa tsy hanantena ny risoriso sy hotoloram-potsiny .
30. akama2006 ( 10/12/2006 17:39)
robert> marina iznay ka, fa ireo tompon'andraikitra voakasika mivantana ve anefa vonona hiroso amin'izay resaka izay!ary indrindra2 ny mpitondra ve hanaraka izay lalao demokratika izay? izay fotsiny ny vato misakana tsy ahatonga ilay fanombohany!satria mbola lava ny lalakombana vao ho toa ny firenena mandroso!
31. rabejo ( 11/12/2006 11:45)
mpanota:

Ka zay mihitsy ny aty EH
zAY TSY MANOHANA DIA FAHAVALO
Tsy haiko hoe tsy azo atao ve ny fifampidinihana alohan'ny fisamborana
maty mba manana ny antony anaovany Acte iray ny olona iray fa tsy tokony ho tonga dia ho samborona na hidirana an-trano fotsiny izao
Zao anie zay tsy manaraka an-dra8 dia enjehina daholo eh
Tsy haiko izao izay anenjehana an'Monja @ izao fotoana izao
Manahy mihitsy ny tenako fa Didin'olona iray tsy maintsy tanterahan'ny eo ambaniny izao eh
:twisted:

Rehefa tsy te-ho enjehina dia manaova politika madio fa aza zatra ny lalan-dririnina. Efa zatra ny hoe rehefa mpanao politika dia sarotsaronana foana eny ny "tay an-tsalaka" (miala tsiny fa fomba fiteny malagasy io) satria samy manao. Dia tsy maty manota mihitsy rehefa mahay milalao @ politika. Na migadra aza dia fantatra fa tsy maintsy hahazo famotsoran-keloka sy toerana hanambatambazana rehefa miova ny fihetsika. Dia lazaina foana fa tsy rariny satria tetika politika maizina no anenjehina. Fa iza ianao no dia amoronana "dossier" fotsiny eo ? Satria ve nahazo vato 2,..% t@ fifidianana ka manahirana ?
Fantatra ireo olona enjehina ireo ralahy a. Efa hay ny toetrany f'aza mody adala.
Tsy mpanao famotorana ianao k'aza milaza avy hatrany hoe "tsy rariny"

32. akama2006 ( 12/12/2006 17:59)
rabejo> marina tkoa izany fa tokony ampiharina ny lalana fa nahona no atao mitongilana ary ilay lalana!ohatra iray:

nolazaina fa nisy fanodikodinambola tao aminy positra,isany ilay consul any marseille,nahona no tsy nahzo fampidirana aponja toa ny rehetra fa nolazainy sefonareo hoe rehefa miverina ny vola dia tsy misy olana!dia nanohy ny asany ilay rangahy! fa izy angah no mpanao lalana sa izy no mpitsara? iray fotsiny io fa betsaka tsy tambo isaina ny tsy ara dalana!

ka tsar ilay hoe manao rasty tsy maty manota raha miditra aponja raha nanao ny sty mety fa mba ataovy equitable e!ny tsapa aloha dia raha tsy tratra ambodiomby misy porofo sy lasa resabe tsy azo hilana vao tsy mainsty mody manao ilay izy ! izy koa ve moa hampigarda ny tenany!ka raha izany dia aleo tsorina aminy rehetra ny resaka hoe: izahay izao no eto aminy fitondrana ka raha vao misy mandika alalan ankoatranay dia baoro! dia mba mazava !fa amin'izay fotoana izay dia tokony ahatanty ny valiny koa izany!:roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll:
33. fijo ( 12/12/2006 23:05)
raha lalana aloha no resahana momba an dravalo,dia manohana 90% an'i akama mihintsy aho.be no azo resahana momba io,
fa rah apolitika kosa ,dia manohana andravalo aho.
34. bazylou ( 15/12/2006 01:23)
lalana lehibe principal ihany no nataony , fa aiza ilay lalan -kely isan-karazany??
Mba manao dia ny eo ihany noeo fa tsy misy zavatra vaovao ary ny teo aza 1 na 2 voie raha betsaka , dia ny camion'ny tikoihany no mandeha eo!!
Ilay fibre optika aza nafenina tery fa tsy zaka kefa ny maorisianna manana ny azy!! tssssssss
35. jigs ( 15/12/2006 05:21)
ny tsara angamba mody aty Mada mihitsy aloha i Bazylou io fa tsssiiiiii iiiii, tsy mahita ny zavatra aty ny masonao dia toa miteni² foana, tsy ohatra ny t@ andron'i Deba intsoiny aty @ izao, diso daholo ny alazainao ireo fa mba diniho ihany alou
36. bazylou ( 15/12/2006 16:56)
ah bon:!! omeo auto route ary hoe raha misy....
Izay lalana kely 1 voie ve letsy dia fiovana be mankaiza!! deba 1 koa anie ry tsamy nahavita lalana tamin'ny 75-76 e!!!
37. fijo ( 15/12/2006 21:23)
bazy an,marina letsy fa tsy tia an dravalo elahy,fa jereo kosa ny fiovana misy ao tana izao rah aio resaka lalana io.aza minia mikipy letsy fa ratsy noho ny jamba anie izay e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1612