Mana nilatsaka avy any an-danitra

1. niryna ( 09/12/2006 06:21)
Mino sy matoky isika fa mamaly vavaka Andriamanitra amin\'ny fotoana izay tiany sy izay mahasoa antsika.
Misy anefa ny mailaka na urgent.Nisy amintsika ireo ve sendra zava-doza, olon-dratsy, nifanena olona adala, aretina am-bavahaona,loza mihantona sns.. no niantso vonjy isika ary dia namaly tsy nisy fisalasalana teo amin\'io fotoana nahaporitra na nampatahotra antsika io ka nahatsapantsika fa teo Andriamanitra ?Ny hany navalintsika dia misaotra Tompo o!
novalian'i dailynews ny 15/12/2006 16:47
2. Fiffi ( 09/12/2006 06:27)
niryna:
teo amin\'io fotoana nahaporitra na nampatahotra antsika io ka nahatsapantsika fa teo Andriamanitra ?
de noho io hoe nahaporitra sy nampatahotra io fotsiny ve no hatsapahana fa teo Andriamanitra ?
Teo foana Andriamanitra na inona niseho na inona...ary tena tsapa zany.....


3. bonnechance ( 09/12/2006 09:23)
Andriamanitra dia tena eo foana mihitsy fa isika no tsy mahatsapa ny fisiany indraindray satria ny zavatra zay heverintsika ho interetsntsika ihany no ainintsika. Nefa @ fotoana tsy ampoizina izy vao mahatsapa isika hoe eo izy. Miasa izy ary miasa @ fianantsika isan'andro. Ary ny finoana no ahatsapana izany.
4. mpanota ( 09/12/2006 10:34)
Samy manana ny finoany koa io fa aza atao hoe ISIKA eh:twisted:
5. Fiffi ( 09/12/2006 10:38)
:roll:
6. salmo ( 09/12/2006 10:55)
:-D:-D
7. Fiffi ( 09/12/2006 10:58)
8. tslem ( 09/12/2006 11:52)
tô efa ela ihany n nendrasako an zany oe mana hilatska avy any andanitra zany fa tsy mbola nahita zah hatramizao :roll: ohatry ny inn hono izy zany? efa t@ zah 4tôna ah n niandry an lé izy an
9. Lejim ( 09/12/2006 15:46)
Zah toa nahatsapa zah indray andro izay hoe, misy pouvoir mahery vaika be izany tany amiko, dia mahavita manao zavatra tsy fataoko izany aho. Nanandrana nanao break dance zah dia grave be. Dia nanandrana nilalao skate board koa zah dia tonga dia nirifatra be. Nefa amin'ny andavanandro zah hitady hianjera foana raha vao miakatra kely amin'iny.
Wow, hoziko, fa maninona zah no intelligent sy talentueux be otran'izao. Dia naveriko natao koa ilay probleme (mathematique) tsy voavahako tany @ CEG fa tsy nisy dikany tamiko akory. Izay zah falifaly be iny hoe, hiverina haka bacc indray zah dia hanao serie C fa mety mention tres bien mihitsy no azoko.
Zah mbola concentre be t@ resaka math iny anefa, dia naheno klaxon avy any amin' ny arabe. Tsy haiko ny nahazo ahy fa nieritreritra indray zah hoe mety manana limousine kay zah iny dia ny soferako no miantso ahy izany fa misy rendez-vous important be tsy maintsy vonjeko. Tsy nijanona naneno anefa ilay izy dia nikiaka zah hoe: "Andraso kely lesy e, aaah!"
Dia nisokatra tamin'izay ny masoko. Kay zah iny natory ka nofy doly ireny rehetra ireny fa tsy mana avy t@ Andriamanitra akory!
:-D
10. lapino ( 09/12/2006 17:22)
Nisy amintsika ireo ve sendra zava-doza, olon-dratsy, nifanena olona adala, aretina am-bavahaona,loza mihantona sns.. no niantso vonjy isika ary dia namaly tsy nisy fisalasalana teo amin'io fotoana nahaporitra na nampatahotra antsika io ka nahatsapantsika fa teo Andriamanitra ?
Raha ny tokony ho izy dia ISIKA no tokony hanao ny sitrapon'Andriamanitra, satria ISIKA no tokony hanompo Azy. Fa tsy Izy no hanao ny sitrapontsika ... na dia ambavahaonan'ny fahafatesana aza ISIKA
Mana nilatsaka avy any an-danitra
Ny mana dia milatsaka isan'andro isan'andro afa-tsy ny andro fahafito. Ataoko fa tsy misy amintsika angamba no sendra loza isan'andro isan'andro. :wink:
11. ikaretsaka ( 09/12/2006 17:38)
Raha ny tokony ho izy dia ISIKA no tokony hanao ny sitrapon'Andriamanitra, satria ISIKA no tokony hanompo Azy. Fa tsy Izy no hanao ny sitrapontsika ... na dia ambavahaonan'ny fahafatesana aza ISIKA

=D
12. ikaretsaka ( 09/12/2006 17:49)
Rainay any an-danitra......

"ho tanteraka anie ny [size=13px]sitrapoNAO[/size] hozizy le vavaka fa tsy ny sitraponTSIKA

"Ny hanina isanandro
ny famelana fahotana
ny fialana amin'ny fankapanahy
ary ny fanafahana @ ratsy..."

ireo ihany no nangatahana fa tsisy resaka hafa hoe ataovy tanteraka ny fangatahanay ko!

tsy haiko aloha e...

"mety diso aho fa hevitro ihany ny ahy io"
13. xxx ( 10/12/2006 00:57)
niryna:

Mino sy matoky isika fa mamaly vavaka Andriamanitra amin\'ny fotoana izay tiany sy izay mahasoa antsika.
Misy anefa ny mailaka na urgent.Nisy amintsika ireo ve sendra zava-doza, olon-dratsy, nifanena olona adala, aretina am-bavahaona,loza mihantona sns.. no niantso vonjy isika ary dia namaly tsy nisy fisalasalana teo amin\'io fotoana nahaporitra na nampatahotra antsika io ka nahatsapantsika fa teo Andriamanitra ?Ny hany navalintsika dia misaotra Tompo o!

misaotra tompo o

14. niryna ( 10/12/2006 06:54)
Mana nilatsaka avy tany an-danitra dia nisy izay sakafo nomen\'Andriamanitra ny Israely raha nirahin\'i Mosesy hanafaka azy ireo tany Egypta.Ao anaty ny baioly io.Misy fitenin\'ny olona taty aoriana rehefa tsy manambola izy na mivavaka ka sendra misy fianakaviana mamangy manome vola azy tampoka amin\'ny fotoana tsy nampoiziny.Namaly vavaka azy Andriamanitra.\"Nisy mana nilatsaka .\"
Samy mahalala daholo isika fa miaraka amin-tsika 24/24 izy fa isika no tsy mahatsapa indraindray.Anome tantara maromaro aho mba hisintomana ny sain-tsika sy ny fitadidian-tsika izay nitranga ka mety hitamberina:
1-Sendra nifanena olona adala misavoritaka aho teny @ elakelan-trano mangina,izaho tsy afaka ny hihemotra intsony fa tsy maintsy mandroso, nidoboka ny foko ary nivavaka aho niantso an\'Atra mba hiaro ahy, nony nanantona ny lalako ilay adala toa nisy fefy tsy hita maso teo ary tsy nahita ahy ilay izy na nanopy maso taty amiko.Faly be aho, nijanona ny tebitebiko ary nisaotra an\'Atra aho noho ny fitahiany ahy.
2-Nisy zandriko tsy dia nino ny fisian\'i Jesosy ary nandraby ahy foana izy,indray andro narary mafy ny nify mandrak\'alina tontolo ary izaho no nantsoin\'i dadanay hanasitrana azy.Netin\'ny finoko sy ny fahatokisako an\'Atra aho na dia mbola tsy nanasitra na na nivavaka tamin\'olona aza .Nivavaka, namaky baiboly ary nandroaka ny aretiny aho ka tamin\'izay fotoana izay nangovitra nipararetra ilay zandriko,nahatsapa hery tsy fahitako aho ka rehefa nivavaka farany aho dia lasa natory ary ny nifiny hono dia sitrana niaraka tamin\'ilay fotoana izay. Maraina ny andro nifona sy niala-tsiny izy noho ny tsy finoany ary dia tsy niverina intsony ny areti-nifiny. Hery tsy nampoiziko no tonga tamiko saingy nanana finoana tanteraka kosa aho fa hampiseho fahagagana hoan\'ilay zandry i Jesosy ka dia nisaotra
Azy aho.
3.Sendra namonjy fety izahay ary nisotro ity tanora fa fetiny hono kanefa tsy dia zatra nisotro.Tsy nisy nananatra azy ny tao an-trano satria manahirana angamba.Tsy nahatsiaro saina ity zaza, niakatra tany amin\'ny ati-dohany ny herin\'ny taoka.Ny tena moa tsy mbola nahita olona mamotampona tsy mahatsiaro tena izany ka torakovitra tsy hita izay atao.Niantso ny lehibe tao an-trano aho ary niara-nivavaka izahay Nasaiko noentina tao ivelany ity zaza avy eo ary dia tsy mbola nahatsiaro tena fa nobataina.Nanaraka daholo ireo ankizy tanora namany izay tsy nisy mamo,teo aho no niantsoantso ny anaran\'i Jesosy ary namoaka demonia an\'ilay zaza.Nokakeriny ny tanako ary nivadika menabe ny masony,olona mampatahotra no tazako teo amin\'ny endriny ka vao maika aho niantsoantso sy nivavaka mafy.Natahotra daholo ny tanora nanodidina ahy niantso ny anaran\'ny Tompo Nivoaka daholo ny rano tao an-kibon\'ilay zaza efa nisy roa zinga.Ranomaso-pifaliana niaraka ny fisaorana an\'Atra no nataonay rehetra ary dia niverina nisaotra Azy izahay noho ny fahatokisako sy ny famonjeny ilay zaza
15. tywa68 ( 10/12/2006 09:04)
Misoatra an'i niryna mizara ny tantara toy zao ! tonga @ilay fitenenana hoe "ny finoanao no hanavotra anao" ! Ekena fa miahy antsika mandrakariva ny Tompo.
16. prime ( 15/12/2006 14:23)
niryna> Misaotra ny amin'ny fijoroana vavolombelona...

Ny mana milatsaka avy any an-danitra angamba tsy misy intsony fa mba fanoharana ihany tokoa fa anisan'ny endriky ny herin'Andriamanitra ihany iny fa ny fahagagàna ataony kosa dia miseho lany isanandro isanandro amin'ny mpino rehetra...
17. niryna ( 15/12/2006 16:17)
Tsy misy fisaorana ry prime a.Ny mizara ny fahasoavana no tena mahafaly ahy satria mbola maro ny olona no tsy mahalala ny fisian\'Atra sy ny finoana azy kanefa na ny rivotra hiainan-tsika aza anie tsy fantatra hoe avy aiza.Ahoana no mahatonga antsika hiaina sy hitepo ny fo? izany anefa dia tsy fantan\'ny sasany na mody valiana boraingina fotsiny.Tsy vidiam-bola ny finoana sy ny fanantonana an\'Atra ary nomeny maimaim-poana isika dia tokony hizara maimaim-poana izay fahasoavana nomeny an-tsika
18. dailynews ( 15/12/2006 16:47)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1804