mitady titre sy ny anaran'ny artiste

1. taranaka31 ( 08/12/2006 09:18)
azafady fa tsy tadidiko intsony ny titr'ilay hira misy tonony hoe"hasambaran'olondroa ny andro anio..."
raha toa ka tsy mahadiso...dia misaotra mialoha e!!
2. Fiffi ( 08/12/2006 09:21)
andro hafa kely
volana tantely....

vatosoa sy volamena ...
sao de vita....sao de vita mariazy...
3. Fiffi ( 08/12/2006 09:36)
Ny titra de Hasambaran'olon-droa ny mpihira tsy tadidiko , ny tonony....

Hasambaran'olon-droa ny andro anio
Halofam-boaly fotsy sy madio
Andro hafakely , volana tantely
Ka avelao hifankatia
Fa efa samy tia
Ireto fo , zay nifanaiky
Hifampitantana doria

Vatosoa sy volamena
Toy ny raozy sy ny vazy
Izao dia vita fanekena
Izao dia vita mariazy
4. taranaka31 ( 08/12/2006 17:18)
misaotra e!e!!!!
fa ilay mihira azy? iza e!e!!!???
5. Fiffi ( 08/12/2006 17:45)
Naka Rabemanantsoa .
6. taranaka31 ( 12/12/2006 07:39)
misaotra betsaka tompoko fa dia nahafinaritra ny fanampiana!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0362