SERANA

1. DANATY ( 04/12/2006 10:35)
Manahoana daholo,

Mba mitady ilay hiran'i RIJA RAMANANTOANINA "serana"

Merci
novalian'i cutie ny 05/12/2006 14:23
2. cutie ( 04/12/2006 20:21)
Serana

Nidify tsy hita taratra intsony
Nandalo vetivety toy ny tsy teo
Ny entana nentiny aza nafoiny
Hivalona ve sa mbola hitohy
Ny anganontsika roa
Toa fohy fa nanohina ny fo
Toa fohy fa nampifoha ny masoandroko

Tsiriry mandalo lavitra akany aho
Mitety farihy havoana tsy teo
Jirery manjohy fodiana tokoa
Tsy manana akany an-tananao
Tonga nampangovitra
Ilay hafanana kely teo
Ilay fo niniana tsy hangina
Tsy naloam-peo
Fa sara-namana vao hitany

Tojo fitia
Nampifanatona ny fontsika roa
Fitia mandalo nefa moa
Iza no tsy nahalala
Antsika roa nisara-dia
F'ilay fitia no vetivety de noraisiny
Zary fitia mitondra ratra nitamberina.


3. DANATY ( 05/12/2006 11:02)
Merci beaucoup an'i CUTIE dia bisous be

danaty
4. cutie ( 05/12/2006 14:23)
Tsy misy fisaorana
mba tiako koa io hira io mantsy :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0255