After Prime.

1. DotMG ( 04/12/2006 08:17)
Tafaresaka tamin'ireo niatrika ny Prime voalohany t@ Pazzapa ny mpanao gazetinay, i DontoMG ao @ http://hatsiklo.pedia.ws
Dia nampiresaka an'ireo mpifaninana ara-bakiteny tokoa moa izy ka dia nandainga tamin'izy ireo mihitsy momba ny vokatry ny prime mba hahitana ny tena hevitr'izy ireo.

Donto: Pézépé 1, ahoana ny fihetsem-ponao izao?
PZP1: Tena faaaaaaly aho!!
Donto: Inona no mahafaly anao nefa ianao tsy lany 1er tour sady tsy isan'ireo tafiditra 2eme tour akory?
PZP1: Ity angaha manonofy? Fa ny anareo ny inona no manisa e? Ny an'ny mpanao gazety sasany ho'aho tsy ny tànana sy ny saina no manisa fa zavatra hafa angamba... Tadidin'ise ny scoren'i Firmin t@ PZP4? 50.03%, mbola lehibe kokoa noho iny no hataoko amin'ity!

Donto: Pézépé 2, miarahaba anao. Oay lé, hadinoko tao an-kabone koa ilay karné tam'zà namany teo! Mba misy afaka maka an'izay ve fa manao interview an'i Pézépé 2 aho?
PZP2: Inty aho, iraho aho! Aleo alaiko izany karné izany.
Donto: Ianao nilaza fa izay mahazo ny vaton'Antananarivo no ho tafita amin'ity prime ity, ary raha ny vokatra dia any amin'ny vodimbodiny mihitsy ianao nefa ilay adverseranao no mitarika lavitra mihitsy.
PZP2: Tsisy kôzy.

Donto: Pézépé 3, afaka mi-interviewer anao ve aho?
PZP3: Avia amin'izay e!
Donto: Ianao nilaza fa izay lany 1er tour eo dia mpangala-bato, kanefa ianao izao araka ny valin'ny prime dia lany premier tour? Nangala-bato ve izany ianao?
PZP3: Aoka hazava ny resaka an! Izahay tsy nilaza fa hoe izay lany premier tour no mpangala-bato fa hoy izahay hoe izay milaza fa ho lany premier tour no mangala-bato. Izahay dia tsy nilaza velively fa ho lany premier tour. Noho izany tsy mpangala-bato izahay. CQFD.

Donto: Pézépé 6, ianao isan'ny tsy tafita amin'ny dingana manaraka kanefa mba nanaitra ihany ny porosantazy azonao fa betsaka dia betsaka tokoa!
PZP6: Misaotra ireo tompokolahy sy tompokovavy ni-voter anay. Mbola handray anjara amin'ny pazzapa manaraka fa tsy kivy! Izahay na natao nominé foana aza, be mpankafy. Dia manainga anareo hihaino ny taimbavan'ny mpankafy anay ao @ kidaona maraina sy karajia sy ny hafa.

Donto: Pézépé hafa indray ity! Ahoana no tokin'aina?
PZP hafa: Agnay dia tsa magnaiky ny valign'io prime io gna iza gna iza lagny eo!
Donto: Kanefa ianareo izao dia isan'ny hanao Prime faharoa?
PZP hafa: Izany ve? Agnay dia tsa magnaiky ny valign'izagny prime faharoa izagny koa! Fa iza no adverseranay @ izany?
Donto: I Fidy ka! Tsy isan'ireo PZP 14 izy fa ni-voter anazy ny mpankafy!

Donto: Ianao indray dia manana telefaonina nefa tsy mba nifidy ny tenanao?
PZP hafa koa: Olona efa hita fa tsy ho lany ve dia handaniako crédit? Tsy aleoko ny 400 Ar ividianana MoufRey? Na izany na tsy izany aza misaotra ireo olona nifidy ny tenanay.
Donto: Koa ahoana ary ianao no nandany vola nilatsaka Pazzapa kanefa fantatrao fa mila vola ny milatsaka Pazzapa?
PZP hafa koa: Ka iny tsy volan'ny bandy fa vola nomen'ny malala-tànana.

Donto: Ianareo 4 mirahalahy indray dia tsy nahavita ny hira tokony hitsarana anareo an-tsakany sy an-davany!
PZP 4 mirahalahy: Tsy ampy ilay fotoana anaovana répétition.
2. booboo ( 04/12/2006 08:52)
:-D:-D:-D:-D
3. lapino ( 04/12/2006 09:34)
Hehe! :-D:-D:-D
4. aigredoux ( 04/12/2006 12:51)
De iza @ ry PZP isany zany no hiditra villa,:D
5. xxx ( 04/12/2006 21:06)
tsy dia be mpitia ity hatsikana ity satria mba tia hihomehy ny olona nefa mbola resaka politika ihany no asesika:°)
6. jhouhlambout ( 05/12/2006 18:28)
:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1356