ilay mosoara ataon'i Iraimbilanja

1. harinaivo ( 04/12/2006 02:21)
lay hira hoe avalony tsara lay mosoara kotsandramaso omaly hariva raha izy fa tsy tianao intsony
répondu par Fiffi le 04/12/2006 05:50
2. cutie ( 04/12/2006 02:34)
Mosoara


Avalony tsara ilay mosoara
Kotsan-dranomaso omaly hariva
Raha nilaza izy fa tsy tia anao intsony
Ary aza sasana fa tehirizo tsara
Hampatsiahivanao azy any aoriana
F'efa nisy izany, eny efa nisy

F'izao aloha henoy ny hira
Izay nataoko hamalifaly anao
Ary asio ilay feo faharoa
Mbola tsy ahafoizako anao

Tsy maintsy mbola ho avy ilay andro
Hiverenany eto indray
Sy hamerenany ireo teny maminao fahiny

Ary saino dieny izao ny havalinao azy
Amin'izay fotoana izay
Sao tonga indray ny alahelo tsy ho afaka intsony
F'izao aloha ...

Avalony tsara ilay mosoara
Kotsan-dranomaso omaly hariva
3. Fiffi ( 04/12/2006 05:50)
ary misy an'io ao @ tononkira sady efa nisy nangataka an'io tsy ela io fa jereo hiany ny tononkira.org fa bdb ange ny hira ao eh !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4941