tokantrano

21. soanja ( 03/12/2006 19:40)
Asa na efa nisy nanao an'ity fomba iray ity isika eto hahafantarana ny toetoetran' ny mpifandray aminao (relation na any antrano io na any ampiasana). alohan'ny hanambadiana ny fahitako azy dia tokony hanao an'io ny mpivady aminzay mba efa mifankafantatra kelikely aloha. Milaza anefa io fomba io fa mivoatra ny olona iray ka arakarakin'ny hiarahanao mipetraka na ifandrasanao amin'ny olona iray no mampirona anao hamonjy ny marimaritra iraisana ka rehefa mivady elabe dia hita misy mihitsy ny vaky vava hoe "tena mpivady tokoa isika satria efa saika mitovitovy ny fomba hanaovan-javatra na hi-deal-ervana zavatra na situation iray." Koa mazotoa ary mamaky fa zavadehibe io. Miala tsiny fa amin'ny teny Anglisy hatrany ny avy aty amiko.
Ny hany mety tsy voateny ao anatin'io dia ny filana tafahoatra na tsy hita ao moa no marimarina. Hoe raha nanandrana nifoka rongony ity olona iray ity de hainy ve ny miala moramora sa mila fanampian'ny hafa izy hanao izany. The Myers-Briggs Type Indicator®
22. diamondra27 ( 03/12/2006 20:21)
soanja: Soa ihany fa tsy tao io filàna io,za aloha mbola tsy nanaNdrana rongony fa tsy hanao izany mihitsy mandrapahafatiko e!

ny tena toetran'ny lhl de sarotra be ny mamantatra izany. Arakaraka ilay olona io. Misy ny sasany refa be tsy miteny zay de tsy hainao hoe: ahoana ny toetrany, maninon izy tsy miteny, inon no kotrehin'ny ati-dohany ao pendant que tu lui parles...

Misy ny sasany mahavanin-doza tampoka satria tsy hay zay sendra nandalo tao andohany tao.

Misy ny sasany mpisipa elabe de raha vao nifanambady de nisaraka.

mbola hitohy...
23. ikaretsaka ( 03/12/2006 20:33)
Mifameno io ko...
I eva ihany anie no nanomboka ny tantara...
de I Adama ko tsy nisalasala
24. soanja ( 03/12/2006 20:36)
Diams, ao anatin'io Myers-briggs io daholo no mamaly io eritreritran-dry momba ny lehilahy io ohatra raha toa ka manao le test eo inareo dia honest izy amin'ny momba azy. Amin'ny franay dia manome anao ny mety ho teotoetran'ny vadinao izy hoe ireto avy amin'ny asa, fiainana an-davanandro, ny fiseho any anaty zany ny hoe ny fiasan'ny atidohany,ny fiseho ety ivelany, ny fomba entiny mitady solution ary ny mety ho solution horaisiny. Manampy be tokoa io rehefa hi-recruter olona amin'ny asa ary azo ampiharina tsara amin'ny fitadiavana vady.
Ny ohatra nalaiko momba ny fiasan'ny rongony dia ohatra ihany fa tsy hoe io no ho hita ao. Fa ny tiko resahina dia tsy voateny ao ny fomba fiasan'ilay atidohan'ilay olona iray rehefa mahazo zavatra mahadomelina izy na hoe manao zavatra tafahoatran'ny normal. Zany hoe mora sitranina ve izy sa tsia. Mila fanampian'ny hafa ve izy amin'izay sa afaka mahavita tena mahalala limite na fioharana. Matanjaka ve ny atidohany.
Raha raha izaho no anontanina-dry aloha na sigara na toaka koa dia tsy hiditra ny vavako.
25. diamondra27 ( 03/12/2006 21:07)
soanja:ah ok zay vao nazava tamiko fa misaotra
saika :evil: manko za @ le we :@:@ koa :-D:-D
26. soanja ( 04/12/2006 02:04)
Ny zavadehibe mantsy dia ny fahafantarana fa tsy ho ary tongalafatra ny olona iray na lehilahy iray saingy ny fahafantaranao mialoha ny momba azy no ahafahanao mahalala tsara ny tokony atao rehefa mitranga ny toetra na fihetsika iray. Ary mahalala koa ianao hoe izay zany le olona nofidianao hiaradalana aminao mandrakizay ka na izay toetra hitanao fa ratsy izay aza dia lasa tsara ihany rehefa tsy tampoka aminao le izy satria hitanao mialoha ny solution. Mahereza hatrany mikatsaka ny tsara indrindra.
27. tywa68 ( 04/12/2006 18:26)
Tsy ho ary hainao daholo ny toetran'ilay lhl fa miseho tsikelikely arak'ilay tenenin'i Soanja : zany hoe tsy aleo ve mba misy surprise kely tsindraindray koa ê :lol: rehefa miaraka @olona ve moa tsy hahay handefitra foana rehefa jamban'ilay fitia ê !:-D:-D
28. kanto10 ( 04/12/2006 20:00)
ny lehilahy ohatran'ny manana toetra hitambarana daholo kou, mahakivy raha dinihina sady raha hiandry lhl tonga lafatra eo ianao de eeeeee very anjara, za zao 10taona niaraka tamin'olona iray, 2taona zahay zao no vita mariazy ny zanakay efa ho roa, fa ohatran'ny tena isan'andro aho mahazo surprise foana r'ireto a mila hampanaonao foana zany mihitsy indraindray nefa aleo ngamba ny zaza no jerena e?
29. bilakarenjy ( 04/12/2006 20:47)
ny fahafantarana ny toetran'ny lehilahy dia miankina aminareo vehivavy .Izay ilay tenin'Andriamanitra voasoratra hoe :omeo vady hendry ,fa na ilay lehilahy izay tena hendry na tena fatsora be .

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0511