tokony ho tapitra koa ny fampielezan-kevitra eto am sera2???

1. mimich ( 01/12/2006 07:02)
Fara-doboka anio ho an'ny fampielezan-kevitra manerana ny lafy valon'ny Nosy. Midika izany fa mifarana androany ihany koa ny fampielezan-kevitra.
dia lasa ny eritreritro hoe tsy tokony hofaranana androany ihany koa ve ireo dinika miendrika fampielezan-kevitra sy manodididididina izany eto amin'ny serasera. Raha azo atao aza dia hoy aho hoe fafana avokoa ireny lohahevitra ireny mba tsy hitohizan'ny resaka intsony sy mba ho fanajana ihany koa ny lalana mifehy ny fifidianana sns...Eritreritra mandalo ihany ny ahy iny eeee!!! ka asa raha mety???? raha sanatria tsy mety moa dia ny teniko no ario fa aza ny tenako!!!:-*:-*:-*
novalian'i Fiffi ny 01/12/2006 17:06
2. Fiffi ( 01/12/2006 09:03)
mimich:
Raha azo atao aza dia hoy aho hoe fafana avokoa ireny lohahevitra ireny mba tsy hitohizan'ny resaka intsony sy mba ho fanajana ihany koa ny lalana mifehy ny fifidianana sns
hevitra tsara io an !


3. mandrindra ( 01/12/2006 09:27)
mimich, izaho manokana aloha toa tsy dia nahita fampielezankevitra maro teto amin'ny serasera. toa resaka ankamely no hitako etsy sy eroa. nefa zah toa manonofy.
nofin'ilay tsy manohana kandidà na kandibavy:lol:
4. Fiffi ( 01/12/2006 09:33)
nga mandrindra tsy manaraka ny ao @ politika ?
5. mandrindra ( 01/12/2006 09:55)
mba atoroy ahy hoe aiza no misy fampielzankevitra manazava ny paikadin'ny kandidà ao fa zah tsy mahay pôlitika:lol:
6. Fiffi ( 01/12/2006 09:57)
jereo akia ny dinika ao @ politika an ! :)
7. mandrindra ( 01/12/2006 10:00)
tsy nahita programa-na kandidà aho tao e. resaka akamely no betsaka ao
8. kelly13 ( 01/12/2006 10:49)
ary fa taiza i mandrindra no ela² tsy hita?? sa nanao propagandy? hihihi :-D:-D:-D
9. kelly13 ( 01/12/2006 10:52)
miala tsiny fa nivôna indray ny soratro fa manohana io hevitr'i mimich io za :)
10. mimich ( 01/12/2006 11:11)
mandrindra> ka io ankamely io anie ny fomba fanaovana propagandy aty dago ee, asa ianao raha efa nahita ny santionany (ianao moa any lavitra koo)fa tsy ny milaza ny programan'asa akory. de io ankamely lazainao io mihitsy no tokony hatsahatra am zay fa tapitra ny fotoana
11. mimich ( 01/12/2006 11:13)
kelly13, fiffi>:-*:-*
miandry ny hevitry ny hafa ee
12. mandrindra ( 01/12/2006 11:20)
kelly13, tsy manao propagandy izany aho e. tsy manohana n'iza n'iza amin'ireo aho. raha ny hevitro mikasika an'ireo kandidà ireo no fintiniko dia hoe fidio izay tsy dia ratsy indrindra:-D:-D:-D

mimich, ka ny ahy io toe-tsaina io mihitsy no mahavariana ahy. tsy dia misy foto-kevitra mazava aroso fa bala rora no alefa. fa asakasaky ry zalaha mahay pôlitika izany. fa toa avo lenta loatra ka tsy zakan'ny tsenako.
13. kitjo ( 01/12/2006 11:38)

Za aloha hijanona e!
Aleo kosa mifanaja e...ampanginina mihitsy ny any @politika rahampitso ngamba ny tena marina sao mifankasarotra ao!

aleo @ 4 ndray e..miandry ny any dago mandefa valim-pifidianana vonjimaika
14. Samoana ( 01/12/2006 14:20)
efa elaela za tsy nazoto intsony fa mamba toerana be ny sasany kouh !:D.
aleo @ 4 marina indray mihaona @ "fifamelezan-kevitra " tsy politika eto:lol:
15. kelly13 ( 01/12/2006 14:45)
Samoana:

efa elaela za tsy nazoto intsony fa mamba toerana be ny sasany kouh !:D.
aleo @ 4 marina indray mihaona @ "fifamelezan-kevitra " tsy politika eto:lol:


sady tsy azo andaharana mihintsiny ry zalahy fa ny azy iany no asesiny
16. Fiffi ( 01/12/2006 14:56)
zay indrindra manko....
17. kitjo ( 01/12/2006 16:14)
hihihi
mitovy tsika!

fa efa nasiako hevitra tsy politika ao mba hiresahana zavatra hafa ndray fa tttssss
18. Fiffi ( 01/12/2006 17:06)
andraso ary hoe jerena hihihihhi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8749