Entana fosika ao Dago!

1. kitjo ( 29/11/2006 19:08)
gaga aho omaly nahita ny pub telephone nataon' i Mr Mobile t@gazety Midi..

1/3 na ampahatelon'ny vidiny aty SIngapour sy Chine ny vidiny...nieritreritra aho oe andeha hanafatra Nokia N73 na LG chocolate avy any satria 1/3 ny vidiny kanefa toa natahotra fa mora lotra!

Natao interview t@radio Alliance92 ny tompony omaly, tsy haiko i Rija iny na iza, dia tsy nihambahamba mihitsy nilaza fa "copy" ireo satria izay no zakan'ny Gasy.

Dia gaga aho fa zavatra toy izany ve dia tokony mediatiser-na toy izany? Nefa tsy ara-dalana satria:
-tsy original
-Tsy misy license
Fa dia tena copy tsotra izao!

Mety misy fahamarinany sy cote positif le izy aloha kanefa raha toy izao foana ve sao d ataon'ny ol fanariana entana any amintsika?
raha olona te hanana phone milay be sy mahalala valeur le phone izy tokony vonona hividy ny vidiny a prix normal amiko.
Misy lafitsarany ihany koa aloha e!

AHoana ny hevitrareo?

Namaly ny hafatra ny Representants NOKIA a Dago androany anaty gazety L'Express fa hanao Road Show ary handray ny andraikiny @reo mpanao produits fopla ireo...

Wait and see!

Ny tsy azoko fts dia ny fahasahian'ny Mr Mobile mi-mediatiser ilay zavatra ataony, fa angaha dia tena tany tsy misy fanjakana ao amintsika?
Ary vis a vis an'ireo orinasa tompony, tsy fantany ve ny zavatra ataony sy miandry azy?
novalian'i Papoose ny 12/12/2006 05:29
2. xxx ( 29/11/2006 19:58)
ka @ zay mba manana doloho ny olona ka
3. Fiffi ( 29/11/2006 20:43)
hummmm.....tandremo zany contre-façon zany an ! raha aty aloha no tratra @ io de ho masaka mihintsy na ny mpividy na ny mpivarotra eh !
4. jefra ( 29/11/2006 20:58)
Ity misy article navoakan'ny La Gazette momba an'io.

Zoro toekarena: Fitaovam-pifandraisana, Mitobaka ny finday hosoka

Mijoro eto Antananarivo, ny « centre de vérification », izay hanara-maso ny finday mitondra io marika io.

Tsy ny fahitalavitra ihany, no vita any anelakelan-trano any Chine, amin’ izao fotoana, fa hatramin’ny finday, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny « Info system business technology », izay nanatanteraka fampahafantarana tetsy amin’ny Hilton Madagascar. Tsy manara-penitra ny ankamaroan’ny fitaovana, indrindra fa ny avy any Azia, ka tokony hitandrina eo amin’ny fividianana sy ny fampiasana izany ny mpanjifa.

Misolo tena ny marika NOKIA, ity orinasa ity eto Madagasikara, ka sarotiny eo amin’ny fampiasana ny karazany hosoka amin’io finday io, izay miparitaka eo amin’ny tsena. Araka izany, dia mijoro eto Antananarivo, ny « centre de verification », izay hanara-maso ny finday mitondra io marika io, izay be mpanjifa sy ampiasaina amin’ny karazan’ny marika samihafa. Ireo finday rehetra avy any Finlande àry, dia tsy maintsy ary tokony handalo eo anivon’ity foibe ity, mialoha ny hivarotan’ny mpitsinjara izany. Mitombina ho an’ireo « opérateurs mobiles » eto an-toerana, ny fanamarihina. Sesilany rahateo ny varoboba, ataon’izy ireo amin’izao fotoana, izay somary namono ihany an’ireo mpitsinjara hafa.

Entanin’ny orinasa rahateo ny mpanjifa, mba haka ny taratasy fanamarinana, momba ny finday vidiany, ka hanamarinana ny toerana nihaviany, sy ny maha-ara-dàlana ny fitaovana eo amin’ny fahafahana mampiasa azy. Voamarika, fa raha toa ka tsy manara-penitra ny finday ampiasaina, dia misy fiatraikany eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Marihina, fa araka ny tarehimarika, dia nitombo ny mpampiasa finday eto Madagasikara, na dia tsy mahatratra ny antsasaky ny Malagasy 18 tapitrisa aza.

R.A.
5. vale ( 29/11/2006 23:37)
marina aloha fa tsy mety lay mandika lalàna e, fa za kosa aloha mahita fa tsara e:^), @zay mba manana daolo ny rehetra!!
... d'accord @ tenin'i Kitjo za hoe tsy tokony ni-médiatiser-na le izy , izay no tsy nety! hihi!
6. ikaretsaka ( 30/11/2006 04:31)
de hanana ihany ve de hanana ny fosika...
tssssss
7. barry ( 30/11/2006 06:30)
mora maty reny fosika reny ;indindra fa ny chargeur;vao mihaotran'ny 1h de temps dia misaofy ;:^)
8. xxx ( 30/11/2006 09:10)
tena ratsy be kosa zany kole aza , ohatra ny mividy ronono @ boaty dia rano misy loko fotsy , gaigy be zany fa efa feu vert zany ry gasy isany a, mbola mety hiditra eto koa zany ny sakafo misy poizina raha izao no mitohy ko:cry::cry::cry::idea:
9. kitjo ( 30/11/2006 12:34)
ka zay manko,

misy categorie samihafa ilay izy rehefa tena lafo be maninona ra miditra middle class fa za kosa aloha tsy d'akoro amle fenoina copie znay ny tsena...

raha jeux video na CD mba tsy d koi fa phone ve?

raha mieritreritra lavidavitra kely isika dia ny ekonomiam-pirenena mihitsy no voa amzany...

saingy io moa ze miditra any am-paosiny ihany no hitany fa izy ko no mety mitabataba ohatra andry bazyl aveo rehefa milentika Madagasikara.

Marina mihitsy io sakafo lazain'i xxx io satria efa bdb zao le MGS reny na sakafo modiefie genetiquement...ny lany andro koa ovaindry zraeo ny datiny d atobaka any amintsika koa d mbola faly ihany oe samy mihinana!
10. mpanota ( 30/11/2006 13:10)
OH zany letsy no fiainanay aty ah
Aleo ve mividy fosika sa manana FRIPE zay hita mivantana hoe sisan-dry zareo eropeana eh
Io anie fialonan-dry zareo ireny ihany nefa samy manao izao ihany
Ary maninona koa moa zavatra saika mitovy izao ihany nefa mifanalavitra be toy izany ny vidiny eh Tokony ry zareo mihitsiny aloha no tonga saina fa isika anie efa toy izao fona eh
Tsy haiko zay anaon-dry zareo any @ doane any :-D
11. ikaretsaka ( 01/12/2006 06:13)
eny ary ko.. rehefa izay ny mahasalama anao
fa aza mimenomenona rehefa hoe 1 volana de simba le izy
12. Fiffi ( 01/12/2006 21:44)
zay indrindra manko.....
Raha samy hividy hiany ve tsy aleo manangom-bola kely de mahazo zavatra tsara sy maharitra toy izay very vola fotsiny raha 1 volana de ho simba ?
13. fiderana ( 05/12/2006 13:04)
mba misy ihany koa anie ny tsy fosika fa mba mora ihany ny fijeriko azy, mba tsy misofy izany ilay izy nefa efa ho 1 taona izao no nananako ilay phone tsy dia lafo, sady ireny tsy dia be pitsiriritra hoe hatahorana hisy hisam eny analakely.fa ny mpanendaka sy psam koa anie ka maniry hoatran'ny anana eto à tanana ê!, aleo mividy izay faran'ny mora dia raha mba very dia tsy manenina loatra:lol:
14. kally ( 11/12/2006 18:45)
Raha ny hevitro sy ny fomba fijeriko indray dia izao : Amin'ny lafiny iray :tsy misy orinasa Nokia ao Madagasikara, tsy an'ny gasy Nokia ka nahoana moa raha mividy izay takany ny olona? Ny mahasarotiny ahy ohatra hoe ny poketra rofia vita avy any Madagasikara ohatra no alain'ny sinoa tahaka ka iny no mameno ny tsena, raha izay dia maty ny gasy fa raha i Nokia...
Raha fanafody sy sakafo na kilalaon'ny zazakely koa dia mahasarotiny fa raha izay telefônina...
Tezera fa aza manota izay tsy miray hevitra amiko an!:wink:
15. kitjo ( 12/12/2006 05:21)
An3 tsa misy tezitra zany ka kally fa toko mbo miady hevitra aaaa!

zay no lazaiko oe misy mahatsara azy sy maharatsy azy ilay izy kanefa ilay mahatsara azy aloha dia tena a court terme be no sady mamita-tena ihany satria matoa mifidy oe NOKIA dia misy image mipetraka ao antsaina oe : mafy, mateza, mora ampiasaina sns!
Kanefa rfveo simba d kivy beeeee...

Raha toa ahy aloha aleo ze mahatakatra le lafo be hividy any e, ny tax hiditra ihany ho an'ny fanjakana.
Ny anay sy fiderana mitovy fa za ary aty@ taniny fa ny anah phone fopla kely zay ampiasako zao fa very foana isaky mankany Dago d ts nosoloiko tsony!sady mbola mahavita tsara!

16. Papoose ( 12/12/2006 05:29)
tena tsy hay ifanavahana intsony ny tena izy sy tsy izy any @ tanana e!tsy zany koa fa efa tena voa tsika gasy @ le saina @ io izy sy fopla io, t@ volana aout zah teny antananinarenina tadidiko tsara!d nidina an'ilay tohatra lava b iny de asa zay nanjo an'lay bandy iny fa ozizy tamiko hoe:"dia mba tena vrai v zao iny kiraronao iny?sinoa zao iny koa!" dia tena gaga aho hoe inona koa no idiranao @ kiraroko!:-/
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4181