Izay mety ho firafitry ny governemanta aorian'ny 3 desambra

1. rabaradaka ( 28/11/2006 08:57)
Efa any amin'izay mety ho firafitry ny governemanta amin'ny janoary 2007 ny itodian'ireo mpitady seza indrindra fa ireo IMMR. Fa tokony ho 100% ekipan-dRavalo no hapetraka eo fa ampy izay Ministre exAREMA tao amin'ny governemanta teo, raha tsy hoe tena tsy manana ekipa mahay Ravalo. Efa manomboka mandeha ny ady varotra.
novalian'i vahatra22 ny 04/12/2006 09:30
2. hery ( 28/11/2006 09:40)
Efa hita daholo aloha ireo fahavalom-pirenena ireo :-)

3. piso45 ( 28/11/2006 10:22)
Fa angaha rehefa manohana azy dia midika hoe mitady seza izany fa ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahatsapana fa nahavita be teto @ firenena izy ka mendrika ho tohanana sy ampiana mba hahafahana manohy ny zava-bitany ary mba hitohy hatrany ny fifampitokisana misy eo @ vahoaka sy izy ary ny mpandraharaha any ivelany.
4. bazylou ( 28/11/2006 12:04)
leo an'ny mpamadika palitao angaha!!,,??
5. Lejim ( 28/11/2006 16:37)
hery:

Efa hita daholo aloha ireo fahavalom-pirenena ireo :-)




Sao dia fahavalon'i Ravalomanana no tianao tenenina. Amiko relatif be izany fahavalom-pirenena izany satria ny tsy fitovian-kevitra amin'ny resaka poltika no betsaka, dia arakaraka izay no hamaritana hoe iza no fahavalom-pirenena amiko sy aminao. Mino aho fa tsy hitovy velively ny hevitrantsika roa lahy amin'izany!
6. vahatra22 ( 04/12/2006 09:30)
enao ry piso miteny an' izany fa ny ankabeazan' ireo manohana azy ireo tena mitady seza ka!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0685