tolona: fitiavan-tena sa fitiavan-tanindrazana

1. Lejim ( 27/11/2006 00:14)
Miodinkodina foana io resaka io eto. Rehefa mitolona ve dia tena mitolona ho an'ny tanindrazana, sa mitolona ho an'ny olona fotsiny, sa mitolona ho an'ny tena!
Zah manokana aloha dia tsy tia korontana e. Filaminana foana ny ahy, filaminana ihany, filaminana hatrany.
Tsy nankasitraka ny rotaka nataon'ireo mpomba ny filoha Ravalomanana zah t@ 2002, satria tsy mitombona amiko ilay izy. Raha tena mino fa nahazo 50% mihoatra tokoa ve izy ireo t@ 1er tour, izay nifaninan'ny kandida maromaro, nahoana no matahotra ny hisian'ny 2eme tour, izay hiaonan'olona roa ihany, sady arahin'ireo organization internationale akaiky ny fizotrany.
Izao mananontanona koa ireo te-hitarika korontana.
Ny mahagaga ahy koa dia, ireo olona izay mitonon-tena ho mpitolona ho an'ny firenena no mamono ny mpiray tanindrazana aminy, izay tsy manana heloka hafa tsy ny hoe: tsy mitovy hevitra amin'ny tena!
Diniho kely ny zavatra atao indraindray fa sao dia hanameloka antsika ny tantara. Fandalovana ity fiainana ity, ary na manam-bola be, sy manan-kery ange isika dia tsy maintsy ho faty sy mbola hotsaraina ihany e!
novalian'i xxx ny 30/11/2006 10:19
2. Fiffi ( 27/11/2006 06:17)
Lejim:
Raha tena mino fa nahazo 50% mihoatra tokoa ve izy ireo t@ 1er tour, izay nifaninan'ny kandida maromaro, nahoana no matahotra ny hisian'ny 2eme tour, izay hiaonan'olona roa ihany, sady arahin'ireo organization internationale akaiky ny fizotrany.
nga izy moa natahotra ? ireo organization internationale aza namela sy niaiky fa nahazo plus que 50% izy matoa izy eo @ io toerany io zao .....


3. Simpona ( 27/11/2006 09:41)
angamba kosa tsy ilaina ny 2ème tour rehefa vitan'ny premier tour, Sady fandaniambola foutsin no fandaniampotoana, sady mamela vahana indray izay te hangalatra hangalatra bebe kokoa.
Sady ny vokatra marina tokony ho tanana fa tsy mety ny hoe aleo ary izahay hadefitra fa vitanay ihany io am 2è tour. Manamaivana ny safidy efa nataon'ny vahoaka izany,ary fanekena fotsiny ny halatra na tsy rariny rehefa voaporofo fa nisy izany... Tsy mendrika loatra.
4. Lejim ( 27/11/2006 14:24)
Vali-borengy ny anareo fanatika ireo!

Tsy nisy organization internationale niaiky hoe nahazo 50% plus de vote izany ny kandida Ravalomanana. Resaka legitimite ihany io. Misy ary mpanao coup d'etat tsotra izao legitime-n'olona ny fitondrany nefa tsy azo avy t@ fifidianana na inona na inona.

Dia ilay resaka fandaniam-bola sy fandaniam-potoana aloha dia, angamba hoy aho, iny krizy iny no tena nandany ny vola sy ny fotoanantsika. Izao mbola misy echos-n'izany ihany. Tsy nisy option moramoran'ny deuxieme tour t@ iny na inona ny zavatra arosonareo eto na inona, ny fisorohana ny crizy misy antsika izao t@ iny fotoana iny dia ny fisian'ny deuxieme tour, fa tsy zana-dambo na mercenariat, na filaharam-be, na famonoan'olona.
5. xxx ( 30/11/2006 10:19)
Miombon-kevitra amin'i Lejim amin'ny voalazany.

Fanampiny :
Ankoatra ny olona miady ho an'ny tenany, dia ao koa ny hetsi-pon'ny tanora.

Tsy fantatra izay hitranga ao Madagasikara rehefa mivaly ny fifidianana. Irariana hatrany ny filaminana. Fa raha sanatria misy indray ny "karazan-tolona", na ny mpomba an-Ravalomanana na ny tsy mpomba azy no hitarika, dia entanina isika tanora mba hisaina tsara alohan'ny handehanana higrevy. Tsy vitsy amintsika mantsy no mandeha migrevy noho ny "ambiansy" miaraka amin'ny namana. Ny mpitarika sy olona sasany ihany no tena miresaka ny antony higrevena fa ny hafa mpanaraka dia ny "fiarahana amin'ny bandy akama" no tena mandrisika. Ndao tsy hopoizinina ny tanindrazantsika. Ndao mba zavatra manan-danja kokoa noho izany no handehanana amin'ireny tolona ireny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1465