aiza no misy antsika gasy???

1. kaina ( 25/11/2006 08:07)
salanitra.ts mahita v nareo @zao oe lasa misy elanelana b ny tanora sy ny fiaraha monina.Ny hifanerasera ary v ahafaty.eo ko ny elanelana misy eo @ray@dreny sy zanaka .ts voataiza tsony ny fahendrena maha malagasy sa...?
novalian'i cutie ny 29/11/2006 22:38
2. booboo ( 25/11/2006 08:10)
Kaina > inona kay ilay fahendrena malagasy teneninao araka reo raha misy tanisainao reo ?
3. Fiffi ( 25/11/2006 08:18)
kaina:
ts voataiza tsony ny fahendrena maha malagasy sa...?
azavao kely hoe ?


4. soanja ( 25/11/2006 17:40)
kaina:

salanitra.ts mahita v nareo @zao oe lasa misy elanelana b ny tanora sy ny fiaraha monina.Ny hifanerasera ary v ahafaty.eo ko ny elanelana misy eo @ray@dreny sy zanaka .ts voataiza tsony ny fahendrena maha malagasy sa...?


marina be io zavatra tsapanao io. Asa re fa ny fahitako azy dia ny fandraisana sy tsy fitazomana ny soatoavina Malagasy ho zavadehibe, zary ka ny kolontsaina vahiny no lasa Andriamanitra.

Amiko ny fahendrena Malagasy raha bangoina tokona dia "ny fitandrovana ny FIHAVANANA."


5. cutie ( 27/11/2006 15:44)
Amiko ny fahendrena Malagasy raha bangoina tokona dia "ny fitandrovana ny FIHAVANANA."

tsy mbola hita taratra @ fiarahamonina Malagasy ve io hatramizao?
6. soanja ( 28/11/2006 01:28)
Mbola misy ry Cutie fa mihena dia mihena arakaraky ny toerana.
Izao aza Famadihana dia efa heverin'ny hafa ho fanompoan-tsampy ka ahoana ny tsy hahavery ny soatoavina Malagasy?
7. cutie ( 28/11/2006 18:46)
refa le misy fahoriana na fifaliana reny no eritreretiko we mbola hita taratra ihany le fihavanan Malagasy .:lol:
8. soanja ( 29/11/2006 00:53)
cutie:

refa le misy fahoriana na fifaliana reny no eritreretiko we mbola hita taratra ihany le fihavanan Malagasy .:lol:


Cutie, mbola misy ny fitandrovana ny fihavanana saingy tena mihena be tokoa. Amin'izao isika miteny izao de firifiry ny gasy lasa misarabazana noho ny hoe izahay mamadika sy izahay tsy mamadika, ao koa ny hoe tsy mifandevi-maty intsony noho ny adilahy politika sy ny vola ary harena sns izay tena hita taratra tokoa ny avy ambanivohitra any vs ny avy any andrenivohitra. Soa fa mbola misy ny atao hoe Fiaraha monina ka io no manavotra ny olona matetika satria raha maty izy ny mpiara monina aminy no eo hanotrona nyy manamanjo. Ohatra fotsiny io.


9. cutie ( 29/11/2006 00:57)
Soanja marina zany ka
:wink:
Na eo samy fianakavian aza efa samy mihatsara velatsihy fotsiny sisa
mampalahelo :cry:
10. soanja ( 29/11/2006 15:34)
cutie tena mpalahelo saingy tsy atao ahahakivy an. :-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
11. cutie ( 29/11/2006 22:38)
ie:lol::lol::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1606