mba mila aide e

1. kalina80 ( 24/11/2006 14:00)
miarahaba anareo rehetra izay eto.Izao ry reto an !! tatoato za dia lasa tsy misy hery intsony@zay ataoko,kamokamo zany nefa tsy izany mitsy za taloha.Ny tena olako dia ny fianarako satri tonga aty antany lavitra aty za mba hianatra anefa tsy misy volonté mitsy. Toa lasa mis éxcuse tsy ivoahako ny tranofoana aho, satriko mijanona ato matory sy mijery tele sy mihinankanina .Rehefa hivoaka hiasa aho dia mazoto ery anefa satria hahazo vola nefa rehefa vao hianatra dia kamo be foana.Ampio aho ry reto fa mba te ho tafita @ fiainana sady mampalahelo ahy ireo Ray amandReniko any Dago an.Misaotra dieny mialoha
novalian'i poopie ny 12/12/2006 18:20
2. booboo ( 24/11/2006 14:24)
:). Sady lé volon'andro koa manampy trotraka fa déprimant e ? hihihihihi

Mety hoe débile beee lé toro-hevitro a :°), midira associations na club reny. Tsy fantatro hoe inona no raha manintona anao dia zay atao.

Rehefa miala voly manko ny saina dia ça va ho azy ny fitadiavana motivation @ fianarana sy ny raha hafa avy teo
3. diamondra27 ( 24/11/2006 15:48)
signes ny olona mi-déprime io fa ovay haingana.
Misy zavatra manjo anao, mampiasa ny sainao dia lasa midéprime tsimoramora eny ianao.
Ny fanampiana dia miankina aminao ihany, sois fort(e)dia courage:toa tsy hahavitàna na inona na inona ity zavatra ataoko ity hoe: fa hitondra ahy any ankady , dia aleo hihetsika kely.
Ny avantage dia ianao conscient(e) @ ilay situation, dia moramora ny manarina azy.
Ataovy tsikelikely fa vita miadana eo io e!
petit à petit l'oiseau fait son nid.

4. andrea ( 24/11/2006 15:50)
kalina80 > tandremo fa finkirizana ny fianana. Zavatra kely de mety hanimba. Tohizo ny fianarana fa io ihany no afaka antenaina amin'ny hoavy.. Refefa tafita fianarana, de afaka manampy an'i Dada sy Mama.. Ary ady ny fiainana indridra fa tovovavy aty an-tany alavitra .. marina ny tenin'i booboo : ny hatsiaka, ny sakafo .. sns .. eto Paris njy no mipetraka afaka mifankahita, mijery cinema .. isika sy ny namana eto :P:P
5. tywa68 ( 24/11/2006 16:01)
Kalina80 > tena marina io lazain'i Andrea io ! courage fa ho anao sy ny any Mcar ihany anie ny tombo-tsoa any aoriana ê !
Mitsangàna dia mivoaha tao ê ! manaova mafàna tsara dia tsy kamo hihih !
6. xxx ( 25/11/2006 20:48)
za koa somary ohatra an'io fa mety hanampy anao angamba ity http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m455a098e9da45
7. degree ( 25/11/2006 22:51)
Tsarovy tsara anie ry kalina80 fa na oviana na ovina eny fa na tanoraianao na efa mandeha any @fahanterana dia tsy miala amintsika mandrakarivaio fianarana io,izanyhoe tsy manampahataperana io fianarana io ,eny fa na dia hiasateneninao teo aza dia tsy mahay asa avy tany akibon-dreniny isika rehetra fa mbola hianarana koa vao mahay izany asa izany ,arakaraka ny fitomboan'ny taonanao no hiakaran'ny kilasim-pianarana eo @ fiainanao koa nyfianarana dia tsy misaraka @ fiainana .
8. sakaizakely ( 25/11/2006 22:53)
kalina,

Sao dia tsy tinao ilay fianarana ataonao ? Mbetika manko avy any Dago tsy mahalala tsara ny orientation mifanaraka @ capacités sy ny tena faniriana fa dia manao inscription anjambany any fotsiny de rehefa tena manao azy vao mahatsapa hoe tsy tianao akory ilay branche-nao.

Sao dia tokony manao ré-orientation ianao izany mitady ny branche tena mi-intéresser anao. Rehefa sendra ny zavatra tena tina mantsy (passion) tena motivé be 200 % mintsy tsy maheno vizana sy kamokamo izany.

Manatona haingana ny professeur principal na conseiller d'orientation manazava ny olana fa mety hanampy anao.

mahereza :-*

kalina80:

miarahaba anareo rehetra izay eto.Izao ry reto an !! tatoato za dia lasa tsy misy hery intsony@zay ataoko,kamokamo zany nefa tsy izany mitsy za taloha.Ny tena olako dia ny fianarako satri tonga aty antany lavitra aty za mba hianatra anefa tsy misy volonté mitsy. Toa lasa mis éxcuse tsy ivoahako ny tranofoana aho, satriko mijanona ato matory sy mijery tele sy mihinankanina .Rehefa hivoaka hiasa aho dia mazoto ery anefa satria hahazo vola nefa rehefa vao hianatra dia kamo be foana.Ampio aho ry reto fa mba te ho tafita @ fiainana sady mampalahelo ahy ireo Ray amandReniko any Dago an.Misaotra dieny mialoha



9. Fiffi ( 26/11/2006 20:26)
kalina80: raha kamo hivoaka zany enao raha mila namana de aza misalasala fa zah aloha de anisany an ! raha te-hiharaka hijery ciné ohatra , hijery musée sns....
10. xxx ( 27/11/2006 09:19)
Nahazo ah nanditra ny fotoana maharitraritra satria navitrika be ary nazoto tam'fikambanana ah tany an-trano, nefa lasa ± nitokamonina noho ny fianarana. Ny ahy na nisakafo aza tsy tiko tamizany fa (l)serasera(l) iany no tiko :oops::cry: Motivation angamba no tsy ampy.

Hampitombo azy :
Manaova ampy sakafo sy izay mety ilain'ny tenanao rehetra. Ampy sakafo hoa fa tsy oe ampy fatintsakafo :lol: Aza hadino ny sport, fakana rivotra vao maraina.
Aza be eritreritra. Ohatra : matahotra mandeha rery eny andalana, na matahotra sao hisy hamaky ny trano raha mipetradrery. Hidio tsara fotsiny ny trano dia matory tsara amin'ny alina :-D
Efa notenenin'i booboo oe midira karazana club na fikambanana.
Matokisa ny tenanao. Tsy maintsy vitako ity oe fa ity no nalehako eto.

Rehefa mitombo ny zavatra atao sy ny olona hifaneraserana dia mandeha ho azy ny fianarana, na farafaratsiny ny fazotoana mianatra :)

Mazotoa.
11. rvoulah ( 27/11/2006 09:30)
izao ndray ny ahy ny hevitro ry kalina , raha tsy de mazoto enao le mianatra , de ataovy ao andoha aloha hoe izay no nandaozako ny tanindrazako sy ireo fianakaviako rehetra tany dago , marina daholo ireo voalazan'i namana teo ambony ireo , "ady ny fiainana" ary mijoroa fa tsy maintsy tafita ny tanjona.

amin'izao période zao koa de hotrany bonaika sy be torimaso izany , ilay toetrandro no mahatonga an'io , kza zao no torohevitra atoroko anao , amin'ny atoandro , aza mijanona ao antrano raha toa ka mila mianatra ny cours nao enao , fa mandehana BU.
io no nataoko tam vo tonga aho fa tena nety ary nanampy ahy b dia b indrindra le avant exam iny!

mahereza!
12. poopie ( 12/12/2006 18:20)
Manahoana,
Adaladala angamba ilay valin teniko fa izao an,ny zavatra tsara indrindra araka ny hevitro dia :
-fero ho adin'ny valo ny torimaso,adin'ny sivy maximum.
-Andramo ny tsy miari tory fa manakorotana organisme.
-Aza atao ambanin javatra ny misaika rano(tsy mihevitra aho hoe tsy tia rano ianao an)
-Fero ihany koa ny fotoana hihinanana,fa raha mihinana tsy ankijanona dia ny vavony no miasa be ,ny saina mitokona,normale raha te hatory avy eo(manao digestion)
-Zaho koa toa anao ,mianatra irery aho,miasa aho dans la journee ary na inona na inona dia mianatra adiny iray isan'andro.Mafimafy tamin'ny voalohany sady izaho mipetraka irery,saingy raha tsy manisy discipline amin'ny tenako aho dia zava poana ny hiafiako lavitra ny fianakaviako nefa ho toy ny taloha ihany...
Mora tenenina ireo hevitro ireo saingy ho ahy raha tsy narahiko vavaka dia inoako fa tsy tafitako.Andramo raha mety aminao.
Raha sendra nisy nanafitohina ny valinteniko dia miala tsiny,mazotoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5209