ina no objectifn-tsika @fiainana ity?

21. ikaretsaka ( 24/11/2006 10:27)
ka ny tanjon' olombelona anie nyh anontaniana fa tsy andriamanitr aaloha izao e:D
22. tywa68 ( 24/11/2006 11:10)
Ilay objectif anie arakarak'ilay zavatra niantra t@ fiainana e ! zany hoe mandalo @ "étapes" isankarazany enao dia avy eo vao tena hitanao hoe ito ny objectif-ko ! ka raha olona mino dia mazava ho azy fa io tenenin'i prime io !
Jaguar > tsy aleo ve aloha atao zay mety @ireo bdb voatanisa ireo !:-D:-D
23. Achia ( 24/11/2006 18:53)
Samy mananana ny fahamarinany avy ny hevitra teo fa ny tiako hanampiana azy kely fotsiny dia hoe ny tanjon'ny olona mivavaka ve no tiana hanontaniana eto ' efa nisy loahevitra tahaka io ihany mantsy taloha dia maro ny nilaza ny heviny fa be ny tsy hitovizany
24. kelly13 ( 24/11/2006 18:57)
fa i tsiamandravola kou v klou tsy mahay ra tsy mikikika e? :)
25. dailynews ( 24/11/2006 19:21)
ikaretsaka:

ka ny tanjon' olombelona anie nyh anontaniana fa tsy andriamanitr aaloha izao e:D

fa toa fivavahana sy finoana no misy ity koh...sady samy manana ny fomba famaliny ny fanontaniana anie e.
26. Achia ( 25/11/2006 08:10)
ka izao ary inona no tanjon'ny Kristiana , ny mpivavaka @ razana sy vato sy ny sisa , ny boudiste , ny tamoule (indo) , koa samia ary mamoaka izay tanjony avy @ ireo mpivavaka rehetra ireo izay tsy voatonona dia lazao eo izay fivavahanao
27. ikaretsaka ( 25/11/2006 08:53)
"tantara ny omaly, mistery ny ampitso.fanomezana ny andro anio"
hoy ilay masera voaresaka be atsy ambadika atsy
aza manahy ny ampitso..hozy le rangahy lava volo be volombava iry
28. soanja ( 25/11/2006 17:37)
jaguar:

isika ve zany dia natao hatory, hisakafo hiteraka, hanam-bady amanjanaka dia avy eo ho faty? zay ve?


Ny tanjoko alo zao dia ny mba hanatsara ity planeta Tany ity sy izay ao anatiny mandra-pahita izay planeta na galaxie hafa.

29. xxx ( 25/11/2006 22:35)
jaguar:

isika ve zany dia natao hatory, hisakafo hiteraka, hanam-bady amanjanaka dia avy eo ho faty? zay ve?


angaha mora ny matory? misy olona mila mihinana fanafody vao mahita tory, ay misy ny mitebiteby lava @ mpangalatra rehefa manana ny ampy na ny tsy manaa loatra aza.
angaha mora ny mahazo izay hohanina izany hoe mitady asa? mianatra aloha( le mianatra tsy hay hoe ho tafita fianarana akory) avy eo mandefa CVs be dia be dia ho hita eo oe, inn ny compagnie mandray sy tsara karama sns.....aiza no hipetraka
angaha mora ny mitady vady? tsy ny rehetra no mahazo vady, ary tsy ny rehetra no mahatana vady
angaha mora ny manamjanaka? tsy ny rehetra no manajanaka...misy mitady mafy fa tsy mahazo..ary angaha ihany koa mora ny mamelona ireo ??? ny fianarany, ny fitaizana azy sns.....


30. Zina ( 26/11/2006 01:00)
jaguar [ Valio ] 23-11-2006 12:38:39
Lohateny : ina no objectifn-tsika @fiainana ity?
isika ve zany dia natao hatory, hisakafo hiteraka, hanam-bady amanjanaka dia avy eo ho faty? zay ve?

A part ny fianana an-davan;andro
Ny ahy ny objective-ko dia miezaka ny hanaraka ny dian'i Kristy eto an-tany ka hatrany an-danitra. Miomana sy miezaka ny ho vonona amin;ny fihaviany fanin-droany...
31. jaguar ( 27/11/2006 08:55)
t@ valinteny rehetra teo izao dia ny an'i Zina no hitako heo matotra indrindra satria isika rehetra ireto dia nisy toerana niaingana t@ voalohany tany(raha ny fahalalako azy an!), izany tany @creat° dia avy eo nivarina foana ka izao vao tsy maintsy miarina.
Ny tiako ambara dia zavatra spirituel.Izany hoe io fiainana hitan-tsika io dia hafatra sy manambara zavatra aminao dahoolo, zavatra tokony ho harenina sy ho diovina raha aram-panahy no resahina.
Tsy haiko aloha fa izay nop fiheverako azy e!, donc, ny objectif amiko, dia ny hiverenan'ny fanahintsika tsirairay avy any @ toerana niaingany, any @Edena.
Miandry ny fahitanareo anio resaka io indray ary e!
32. majesty ( 27/11/2006 13:57)
Aza variana mandany ron-doha ny amin'zay ampitso tsy mbola fantatra e,ny avoakan'ny refaveo aza ange ka mety tsy ho hay e,sao dia misy recyclage tampoka araka ny voalazan'i tsimiandravola tampoka eo dia eny ambony farafara vato vao mampitovy lohalika.Fa aleo ny andro tsirairay avy hiainana ôtran'reny hoe tsy misy andro hafa ireny ankoatran'io dia ampy e,sady sao enao hiandrandra ny ampitso kanefa raha tsy ho avy le rampitso dia ahoana "if tomorrow never comes" hozy le hira ray zay :D
33. prime ( 27/11/2006 14:08)
jaguar> mazava tsara...
Ny ahy dia efa novaliako fa any amin'Andriamanitra sy ny ho eo aminy mandrakariva ary ny fanatanterahana ny sitrapony no tanjoko amin'ny fiainana... ka na Izy aza maniry izany ihany koa...

Fanamarihana : Edena dia eto an-tany ary toerana iray ao "Moyen Orient" azo faritana tsara ankehitriny... (mba tsy itenenana hoe ao Irak)
Fa raha ny lazain'ny soratra masina dia "Jerosalema vaovao" no ilazàna ilay toerana masina iafaràn'ny mpino...

Sa tena Edena voalaza ao @ Ggenesisy no tianao ambara?
34. soanja ( 27/11/2006 14:45)
Rah tena hamaly matotra aminzay an'ity lohahevitra ity aho dia hoe ny tokony ho objectifn'olombelona amiko raha bangoina dia ny fahitana masoandro isa-maraina ary mahatsapa fa faly ka te hidera an'Andriamanitra na hanao zavatra tsara hampiharana izany hafaliana izany. Dia iny zavatsoa iny indray no mitarika hafaliana ny ampitso mahita masoandro.
35. xxx ( 28/11/2006 04:13)
isika ety an-tany dia natao ho tsaraina, avy tany amin'Andriamanitra isika dia sedraina, ka hiverina any aminy indray arakaraky ny asantsika ety, manana safidy malalaka isika amin'izany, na hanaraka ny lalàna na tsia.
36. jaguar ( 28/11/2006 08:21)
mafinaritra ana aloha ny valinten'ni xxx,prome ary i zina e! satria tena maita an'le zavatra tiko hapetraka mihintsy, fa ny tiko ambara, dia ny hoe misy zavatra mba tokony ho arahina mihintsy ve sa dia entina @ onjany eny fotsiny ilay izy e!
37. prime ( 28/11/2006 13:19)
jaguar> prome ahoana ary...???:roll::-D:-D
ny fahitako azy dia arakarak'ilay tanjona mihitsy no ahitàn'ny tsirairay fitsipi-piainana na rafitra arahina na fomba atao...
38. Zina ( 28/11/2006 15:48)
dia ny hoe misy zavatra mba tokony ho arahina mihintsy ve sa dia entina @ onjany eny fotsiny ilay izy e!

Misy tokoa moa
1- vavaka avy any am-po dia zavatra important mihitsy mba tsy ho very izay fahalalana hanana kely, ilay devoly dia mihezaka ny hanodina ny sain-tsika foana
2- miezaka ny mianatra ny tena ao anatiny baiboly (etudes) tsy vita mora2 io ary rehefa ao ianao dia ny fanahin'Andriamanitra tena manampy be mihitsy ary te ahalala betsaka foana.
3- Dia miezaka ny hijoro @ maha panaradia an'i Kristy...
resultat:
4- Mahita fifaliana ao am-po foana ianao na dia solafaka ary indray2.

mazoto:-*
39. cutie ( 28/11/2006 22:43)
Mpandefa : prime [ Valio ] 28-11-2006 14:19:00
Lohateny : Re : ina no objectifn-tsika @fiainana ity?
jaguar> prome ahoana ary...???

:-D:-D:-D:-D
40. majesty ( 29/11/2006 05:27)
cutie:zay d faly ery mahita an'io "i" lasa "o" io :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6067