vonjy aina ity

1. xxx ( 23/11/2006 06:11)
Miarahaba anareo rehetra indray,


Tongo-bakivaky, sady maharary no mahamenatra, vonjeo fa vonjy aina ity. Manana cousine izay aho, taiza ao antrano 17taona izy, hianatra no andefasan'ny reniny azy aty, nefa tena mivarilavo @ fisotroana ikalakely. Rehefa miresaka izy dia mitantara ihany hoe mamo aho sns, fa tsy mbola hitako raha tsy vao omaly ary tena mamo be tokoa. Mampalaelo be fa vhv v no misotro toaka! ary ny tena loza dia hoe nisy namany tonga tao antrano tao, hianatra no antondian'ireo tao nefa nony lasa ireo dia ilkalakely mamo be no hiatanay :cry: inona no tokony atao? Nandalo teto ny reniny t@ herinandro ary nahita ny zavamisy, ary efa nananatra azy fa tena tafiditra lalina ikalakely e! inona no tokony ataonay mianakavy? za aloha tsy mbola niteny azy satria tao anatin'ny fahamamoany izy omaly, fa vao omaly aho no nahita azy e, ny hevitro dia aleo rehefa lucide izy vao tenenina fa ilay teny entina mananatra azy ho tonga saina no tsy hitako ka ilako hevitr aaminareo. Efa niteny azy ihany aho manko taloha t@ izy nitantara ny fahamamoany sy ny adalana ataony, dia mteny izy fa tsy hanao tsny nefa io fa miverina ihany! ny atahoorako dia ho bevoka fahatany any izy satria refa mamo di atsy tompon'ny tenany intsony, ka mety hisy hanararaotra! Ampio ara torohevitra ry reto raha sitrakareo a! dia misaotra mialoha e!
novalian'i Fiffi ny 03/12/2006 18:07
2. Fiffi ( 23/11/2006 06:36)
jereo ity fa misy temoignage http://www.onsaide.com/modules/news/ ny zavatra tokony hataonao aloha de manantona an'ireny association ireny (hentina izy) de manao cure .
3. Fiffi ( 23/11/2006 06:40)
http://www.alcooliques-anonymes.fr/aabsg/site_courant/aa_officiel.php hento izy hanatona an'io association io fa tena hanampy be azy io .
4. oniarilala ( 23/11/2006 11:51)
miarahaba anao ny tenako
mamplahelo tokoa izany zavatra mitranga izany satria vao tovovavy vao 17ans ity cousine anao!araka ny hevitro de mety misy manque d affection depuis ny fahazazany ao aminy koa any @ toaka no itadiavany izany ,saingy ny olonana dia tsy any @ toaka mihitsy no hahitana solution! ny zava-doza amin izany ataony izany de mety ho bevoka tsy fidiny izy. ho avy ny tovolahy hanararaotra ny fahalemeny! ny any toro-hevitra avy aty amiko dia: ataovy izay hahazoanao ny fony mba hahafahany mamboraka aminao ny halahelony sy ny olany;saingy aoka ianao tsy hibedy na hitrerona azy fa resao am-pahatoniana sy am-pilaminana ary asio vazivazy kely indraindray mba ho à l aise izy miresaka aminao.Anjaranao avy eo ny mba mitantara kely ny experience efa mba hitanao, amin izay manana fahatokisana aminao izy!mino za fa tsy safidiny ny hisotro toaka saingy rehefa tsy mahita hevitra izy de any no mivarilavo! ny fifanakalozan-kevitra ihany no fomba tsara indrindra hamahana olana aingana!
fantatro fa tsy ho vohavaha anatin ny 1andro na 1semaine ny olany saingy manantena za fa hitondra fihovana na dia kely eo amin ny fiainany io toro hevitro io. mahereza dia aza kivy manarina ny cousine anao na dia mila fotoana maharitra aza izany!
miala tsiny raha misy faute ny zavatra soratako fa tsy dia mahay manoratra teny gasy za

gros bisous

oni
5. tywa68 ( 23/11/2006 12:33)
oni > =D=D=D

xxx > mba ento mijery cinéma, na manao vitrines ohatra ê ! mba tsy avela irery ao an-tranony fa ilay solitude no maha-be tentations ! dia miresaka ho azy eo izy ary mety hamela ny toaka @ farany satria mahatsapa fa mbola misy miahy sy tia azy !
6. xxx ( 23/11/2006 17:00)
Ilay izy hoe mamo aloha sarotra ihany ny hiresaka an'izay, satria mila mi-comprendre an'azy be mihitsy vao mety hahazo ny fipetraky ny olana. Ianareo miara-miaina aminy izany tokony tsy dia hisy distance be loatra aminy, tokony mifampinamana aminy fa ezahina mba tsy ho biby atahorany loatra. Rehefa mpinamana amin'izay dia mora mifampi-kompr kokoa, dia mora mifanampy kokoa. Raha misy passion iraisana moa ianareo vao mainka tsara, ohatra hoe raha samy tia hira na dihy, sns ... Fadio fotsiny ny mikitakita sy migidragidra azy, fa vao mainka hanampy trotraka eo indray izay. Fa tsy maintsy ho avy ny fotoana hahatsiarovany :wink:

ny atahoorako dia ho bevoka fahatany any izy satria refa mamo di atsy tompon'ny tenany intsony, ka mety hisy hanararaotra!

Rehefa tsy mamo izy, rehefa samy tsy dia stressé loatra daholo ny ao an-trano, dia tsara resahana aminy izay ahiahinareo izay. Dia ifampiresahanareo izay mety ho vahaolana tsara.

Mirary soa e! (aleo koa za mba hanao xxx :wink:)
7. oniarilala ( 24/11/2006 05:17)
tsy ratsy ilay hevitra hoe ento any @ cinéma, na manao vitrine izy saingy tsy fantatro lotra ny fiainana ao mada satria za tsy mipetraka ao koa asa na misy cinéma na tsy misy ao? araka ny voalaza teo dia ny fifampinamananareo no solution voalohany hahafahany mamboraka ny alahelony sy ny olany!mino aho fa ho tonga saina ihany izy amin ny farany!fa mila anareo manohana sy mitia azy izy mba hahafahany miala @ toaka

gros bisous à tous

et bon courage!!

oni
8. xxx ( 27/11/2006 13:54)
Misaotra betsaka anareo rehetra namaly sy nanoro hevitra e! Sitrak aenti matory ka hovaliana raha mahatsiahy :) Efa niteny azy tokoa aloha aho t@ asabotsy e, ary nampanantena izy fa tsy hamerina intsony. Ny tena mahavoa azy dia ny namany, ary ny mampalahelo dia mora influencer na be izy satria indray andro aho raha nitantara ny adalandry zareo izy ka nananatra azy somary vazivazy aho dia hoy izy mantsy ahy, comprends moi, ce sont mes amis... izy mianatra, ny reniny tsy eto fa any @ faritany, ary izay no antony anaovako xxx sao misy amin'ireo namany na mpiaramianatra aminy mahita an 'ity post ity tonga dia hahalala hoe iza izy sns. Miandry aloha izany izao fa efa nampanantena izy e! ary harahina avokoa ireotorohevitrareo ireo. Misaotra indrindra.
9. bazylou ( 30/11/2006 00:53)
tsy tokony avela irery izany vhv izany,, ampiasao daholony zavatra rehetra tsy haha irery azy na inona io na inona
10. niryna ( 01/12/2006 06:21)
isika rehetra dia samy manana ny toetra ratsy, misy ny misotro toaka, milalao vehivavy, mitsiriritra lehilahy, mifoka rongony, mitsangajanga,mandainga, sns.Misy antony daholo ireo,ary ny hevitry ny namana no voalohany indrindra, ny faharoa dia misy zavatra nahazo ka sarotra ny manadino an'ilay izy, mety tsy amby tamby fa maro ny ankizy, mety voadona tamin'ny fiainana, tsy mety faly satria tsy mety tonga amin'izay ilaina.Tsy mahay mamela ny tenany no tena izy, tsy mety mamela olona fa tazomina ao am-po mba maha-confortable.Sarotra be ny mamaha io raha tsy ianao mihitsy no maka namana ilay ankizy ary tena amin'ny fonao tanteraka no hanaovana izany.Tsy afaka ny hihova izy raha tsy hivavahanareo rehetra mihitsy.Toy izany koa ianao, mivavaha alohan'ny hiresahanao azy.Mila finoana tanteraka io fa afaka io.
11. xxx ( 03/12/2006 16:27)
Za koa hikozy kely, za mantsy mpisotro be.
Rehefa mamo ny olona dia mbola maheno ihany fa tsy tena misaina be firy. Tsy tia mampiasa saina mihitsy ny tena marina, nefa kosa mahalala tsara ny zava-misy. Raha tsy ilay efa tsy mahatsiaro tena iny angaha hoe.
Koa amin'ny manaraka raha mbola hitanao mamo izy dia amin'izy mamo iny iresahana fa amin'iny izy no mety hilaza aminao ny ao am-pony.
12. Fiffi ( 03/12/2006 18:07)
eo am-pitomaniana hono no tena mivoaka ny zavatra rehetra zay ao am-po .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3049